Go to full page →

Vita Tombo-Kavatsa eo am-Pelatanan'Andriamanitra TF 381

Hotehirizin'i Kristy ny anaran'ireo izay tsy nihevitra fa lafo loatra ny saran'ny fanoloran-tena tsy maintsy atolotra Azy eo ambonin'ny alitaran'ny finoana sy ny fitiavana. Nanolotra ny zavatra rehetra ho an'ny taranak'olombelona lavo Izy. Ho vita tombo-kavatsa eo am-pelatanany ny anaran'ireo izay mankatò sy feno fandavan-tena ary mahatoky; tsy haloan'ny vavany na oviana na oviana ireo, fa hazonina eo imolony mandrakariva, ary dia hitalaho sy hanelanelana ho azy ireo manokana eo anatrehan'ny Ray Izy. Hadino ny da tena sy ny mpiavonavona, fa izy ireo kosa hotsarovana manokana; hotehirizina mandrakizay ny anaran'izy ireo. Tsy maintsy mivelona mba hampifaly ny hafa isika raha maniry ny hiaina amim-pifaliana. Mahasoa antsika ny manolotra ny fananantsika, sy ny talentantsika ary ny fitiavantsika ho fanatitra feno fankasitrahana ho an'i Kristy, ary amin'ny alalan'izany fomba izany no hahitantsika fifaliana eto sy voninahitra maharitra mandrakizay any aoriana. - 3T, t. 250, 251. TF 381.1