Go to full page →

Potipotika ny Herin'ny Tany TF 383

Tonga hanolotra ho an'ny taranak'olombelona ny haren'ny mandrakizay i Kristy, ary tsy maintsy raisintsika sy zaraintsika, amin'ny alalan'ny fifandraisana Aminy, io harena io. Tsy ho an'ny mpitandrina irery ihany, fa ho an'ny mpino tsirairay koa no mlazan'i Kristy fa efa rakotra haizina ny tany. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra. Ho tonga fahazavan’izao tontolo izao tokoa ny olona tsirairay izay tena tia an'Andriamanitra. TF 383.3

Hibanjina tsy ankiato izay tsy mbola hitan'ny maso ny olona izay mizaka ny zom-pirenen'ny fanjakan'ny lanitra. Ho potipotika avokoa ny herin'ny tany eo amin'ny sainy sy ny toetrany. Hitoetra eo aminy ny fanatrehan'ilay Vahiny manan-kaja avy any an-danitra, araka ny teny fikasana hoe: “Izaho ho tia azy ka hiseho aminy”—Jao. 14:21. Hiara-mandeha amin'Andriamanitra amin'ny fifandraisana mitohy izy, toy izay nataon'i Enôka. - RH, 10 NÔV. 1910. TF 384.1