Go to full page →

Azo Antoka ny Teny Fikasana TF 388

Efa ela no niandrasantsika ny fiverenan’ny Mpamonjintsika, saingy azo antoka ny teny fikasana nomeny. Tsy ho ela intsony dia ho tonga any amin’ilay fonenana nampanantenaina isika. Any no hitondran’I Jesôsy Kristy antsika ho eo amoron’ny onin’ny rano velona miboiboika avy eo amin'ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sy hanazavany amintsika ny anton'ireo fitantanany toa nanjombona teo amin'ny fiainantsika mba hanefeny ny toetrantsika ho amin'ny fahatanterahana. Any no hahitantsika amin'ny endriny rehetra ireo hazo tsara ao amin'ny Paradisa, ary eo afovoany no itoeran'ny hazon’aina. Any koa no hahitantsika amin'ny fahafenoany ny hakanton'i Edena izay efa nampodina amin'ny laoniny. Eny, any no hanipazantsika eo an-tongotry ny Mpanavotra antsika ny satroboninahitra napetrany teo amin'ny lohantsika, ary dia handray ny lokanga volamenantsika isika ka hanandratra fiderana sy fisaorana ho an'Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana. -RH, 3 Sept. 1903. TF 388.2