Izay rehetra mampifandray ny tenany amin’ny fiangonana dia manao, amin’ny alalan’io hetsika io, voady miezinezina fa hiasa ho amin’ny tombontsoan’ny fiangonana, ary hihazona io tombontsoa io ho ambonin’ny tombontsoan’ny tany rehetra. Andraikiny ny mihazona fifandraisana velona amin’Andriamanitra, sy ny hirotsaka amin’ny fony sy ny fanahiny iray manontolo eo amin’ny drafi-panavotana lehibe, ary ny haneho, eo amin’ny fiainany sy eo amin’ny toetrany, ny fahambonian’ny lalàn’Andriamanitra, raha ampitahaina amin’ny fanaon’izao tontolo sy ny fitsipíny. Ny fanahy tsirairay izay manaiky an’i Kristy dia manao fanekena ny hanao izay rehetra azony atao mba hahatonga azy ho mpiasa vontom-panahy, mavitrika, mafana fo, ary mahomby eo amin’ny asan’ny Tompony. Miandry ny olona tsirairay mba hanefa ny adidiny i Kristy; aoka ho io no teny baiko manerana ny laharan’ny mpanara-dia Azy rehetra (...) . TF 43.2
Tsy maintsy asehon’ny rehetra ny fahatokiany amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fampiasana amim- pahendrena ny renivola nankininy, tsy ny vola ihany, fa ny fahaizana rehetra izay nokendrena mba hanorenana ny fanjakany. Hampiasa ny fitaovana rehetra hitany i Satana mba hanakanana ny fahamarinana tsy hanatratra ireo izay milevina ao anatin’ny hevi-diso; saingy tsy maintsy tonga any amin’izy ireo ny feon’ny fampitandremana sy ny fitalahoana mafy. Ary raha vitsy fotsiny ankehitriny no mirotsaka ao amin’io asa io, dia tokony hisy olona an’arivony ihany koa ho liana tahaka azy ireo. - 5T, tt. 460-462. TF 44.1