Go to full page →

Mampihena ny Fananana fa tsy Mampitombo TF 63

Izao ankehitriny izao no tokony hampihenan’ny anadahintsika ny fananany fa tsy ampitomboana azy ireny. Eo an-dalam-pifindrana any amin’ny tanàna tsara lavitra isika, dia ny any an-danitra. Koa aoka isika tsy hanorim- ponenana eto an-tany, fa hametrapetraka mazava tsara amin’ny toerany ny zavatra rehetra, araka izay azo atao. TF 63.2

Ho avy ny fotoana izay tsy hahafahantsika mivarotra na amin’ny vidiny ohatrinona na amin’ny vidiny ohatrinona. Hivoaka tsy ho ela ny didy izay mandrara ny olona tsy hividy na hivarotra amin’ny olona, afa-tsy amin’izay manana ny mariky ny bibidia irery ihany. - 5T, t. 152. TF 63.3