Go to full page →

Ny Ampahafolony Aloha — Rehefa avy eo, ny Fanatitra TF 86

Tsy navela ho amin’ny fihetseham-po io resaka fanomezana io. Nanome toromarika raikitra mahakasika izany Andriamanitra. Napetrany ho fitaovam-pandanjana ny fanoloran-tenantsika ny ampahafolony sy ny fanatitra. Ary maniry Izy ny hanolorantsika tsy an-kiato sy amin’ny fomba tsy miovaova. (...) Aoka ny tsirairay samy hamantatra foana ny vola miditra aminy, dia izay fitahiana rehetra avy amin’Andriamanitra, ka hanokana ny ampahafolony ho vola miavaka, hohamasinina ho an’ny Tompo. (...) TF 86.1

Rehefa natokana ny ampahafolony, dia aoka hisy fanomezana sy fanatitra hatokana, na amin'inona na amin’inona anambinan’Andriamanitra anao. - RH, 9 May 1893. TF 86.2