Go to full page →

Fahamaizinana Nentina tao amin’ny Fiangonana TF 95

Misy olona sasany tsy mahavita manabe ny olona araka ny tokony ho izy mba hamita ny adidiny rehetra. Ny ampahany amin’ny finoantsika izay tsy hitarika fanoherana sy tsy hahasorena ny mpihaino azy fotsiny no torin’izy ireo; fa tsy ambarany ny fahamarinana rehetra. Ankafizin’ny olona ny toritenin’izy ireo; saingy tsy ampy aim-panahy ao anatin’izany, satria tsy tanteraka ny fitakian’Andriamanitra. Tsy omen’ny olony Azy amin’ny alalan’ny ampahafolony sy ny fanatitra ny anjarany. Mitondra fahamaizinana ao am-piangonana io fandrobana an’Andriamanitra ataon’ny mpanan-karena sy ny malahelo io; ka ny mpitandrina izay tsy maneho amin’izy ireo ny sitrapon’Andriamanitra izay nambarany mazava tsara, dia ho voaheloka miaraka amin’ny vahoaka, satria manao tsirambina ny adidiny izy. - RH, 8 Apr. 1884. TF 95.1