Go to full page →

Fihazonana ny Ampahafolony noho ny tsy Fahampiam-Patokiana TF 102

Masina ny ampahafolony, natokan’Andriamanitra ho an’ny Tenany. Tsy maintsy entina ho ao amin’ny firaketany izany mba hampiasaina hanohanana ireo mpiasan’ny filazantsara eo amin’ny asany. Norobaina nandritra ny fotoana ela Andriamanitra, satria misy ireo izay tsy mahatsapa fa ampahany natokan’Andriamanitra ho Azy ny ampahafolony. TF 102.1

Misy olona sasany izay tsy faly, ka nilaza hoe: “Tsy haloako intsony ny ampahafoloko; satria tsy matoky ny fomba fitantanana ny raharaha eo anivon’ny sahan’asa aho.” Saingy handroba an’Andriamanitra ve ianao satria ataonao fa tsy tsara ny fitantanana ny asa? Ataovy ny fitarainanao, mazava tsara sy miharihary, ao anatin’ny toe-tsaina mendrika, any amin’ireo tandrify izany. Alefaso ny fangatahanareo ny hanamboarana sy handaminana ny zava-drehetra; fa aza mihataka amin’ny asan’Andriamanitra, ka maneho tsy fahatokiana satria tsy mety ny ataon’ny sasany. - 9T 249. TF 102.2