Go to full page →

Arakaraka ny Fahafahan’ny Mpandray TF 125

Eo amin’ny drafitr’Andriamanitra dia misy fahasamihafana eo amin’ny fizaràna ny talenta. Omena talenta iray ny olona iray, ny iray kosa dimy, ary ny iray hafa folo. Tsy nomena araka ny fihetseham-pon’ny mpanome ireo talenta ireo, fa arakaraka ny fahafahan’ny mpandray azy. TF 125.3

Arakaraka ny talenta nomena no itakiana ny vokatra haverina. Ny andraikitra mavesatra indrindra no mitoetra eo an-tsorok’izay natao ho mpitantana ny fahaizana lehibe indrindra. Ny olona izay nahazo farantsa folo dia hazonina ho tompon’andraikitra ny amin’izay tokony ho vokatry ny farantsa folo raha toa ka ampiasaina araka ny tokony ho izy. Izay tsy nahazo afa-tsy denaria folo dia hampamoahina ny amin’io vola io ihany (...). TF 125.4

Ny fahatokiana teo amin’ny fampiasana ireo talenta no mahazo ny fideran’ny Tompo. Tsy maintsy manao asa tsara sy feno fanoloran-tena ho an’ny Tompo isika raha tiantsika ny ho hankasitrahana ho toy ny mpanompo tsara sady mahatoky. Hamaly soa ny fanompoana amim-pahazotoana sy amim-pahitsiana Izy. Raha mametraka ny fitokisany Aminy ny olona, raha tsapan’izy ireo ny fangorahany sy ny fahalalahan-tanany, ka hanaraka Azy amin’ny fanetren- tena, dia hiara-miasa amin’izy ireo Izy. Hampitomboiny ny talentan’izy ireo. TF 126.1