Mandrotsaka ny fitahiany amintsika Andriamanitra, mba hahafahantsika manome ho an’ny hafa. Ary raha mbola manaiky ny ho fantsona ikorianan’ny fitiavany isika, dia hofenoiny mandrakariva izany fantsona izany. Rehefa mangataka amin’Andriamanitra ny mofo hohaninao isan’andro ianao, dia mijery mivantana ny fonao Izy mba hahitana raha toa ka hanome izany ho an’ny hafa koa ianao, izay mila izany noho ianao. Rehefa mivavaka ianao hoe: “Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota”- Lio. 18:13, dia mijery Izy raha toa ka maneho fangoraham-po amin’ireo izay mifanerasera aminao koa ianao. Izany no porofo fa mifandray amin’Andriamanitra isika, - raha mpamindra fo tahaka ny Raintsika any an-danitra izay Mpamindra fo isika. Raha Azy isika, dia hanao amin’ny fo feno fifaliana ny zavatra asainy ataontsika, na dia tsy mety amintsika aza izany, ary na dia mifanohitra amin’ny fihetseham-pontsika aza (...). TF 182.1
Amin’ny alalan’ny fanaovantsika ny asan’i Kristy, miasa tahaka izay nataony tamin’ireo mijaly sy ory, no tokony hampivelarantsika ny toetra Kristianina. Ho amin’ny mahasoa antsika no nahatonga an’Andriamanitra hiantso antsika handà ny tenantsika ho an’i Kristy, sy hilanja ny hazofijaliana, ary hiasa sy hanolo-tena hitady sy hamonjy ny very. Izany no dingana ampiasain’ny Tompo mba hanefena sy hanesorana ny zavatra ratsy rehetra, mba hiseho eo amin’ny mpino ireo lafin-toetra sarobidy izay tao amin’i Jesôsy Kristy. Tsy maintsy esorina amin’ny fanahy ny fakofako rehetra, amin’ny alalan’ny fanamasinan’ny fahamarinana (...) TF 182.2
Noho ny fahasoavan’i Kristy, ny ezaka ataontsika ho fitahiana ny hafa dia tsy hoe fomba fampitomboana antsika amin’ny fahasoavana fotsiny, fa fampiroboroboana ny hoavintsika koa, dia ny fahasambarana mandrakizay. Holazaina amin’ireo izay mpiara-miasa tamin’i Kristy ny teny hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky, natoky tamin'ny kely indrindra ianao, ka hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao.” Mat. 25:21. - RH, 27 Jona 1893. TF 183.1