Tsy nanasatra ny apôstôly Paoly mihitsy, nandritra ny asany teo amin’ny fiangonana, ny nampiditra ao am-pon’izay vao niova fo ny faniriana hanao fanolorana betsaka ho an’ny asan’Andriamanitra. Matetika no nampirishiny hanao fanazaran-tena amin’ny fahalalahan-tanana izy ireny. Raha niteny tamin’ireo loholona tany Efesôsy izy, ka nitantara ny asa voalohany nataony tany, dia hoy izy: “Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa hianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo, izay manao hoe: ‘Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray’ - Asa. 20:35. Ary koa: ‘Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany” — 2 Kôr. 9:6. TF 186.1
Nahantra ny ankamaroan’ny mpino tany Makedonia, nefa niroborobo kosa teo amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fahamarinany ny fony, ka tamim-pifaliana no nanomezany ho fanohanana ny fitoriana ny filazantsara. Rehefa nisy fanangonam-bola lehibe natao tamin’ny fiangonana Jentilisa ho fanampiana ireo mpino Jiosy, dia azo noraisina ho ohatra ho an’ny fiangonana hafa ny fahalalahan-tanan’ireo Jentilisa vao niova fo tany Makedonia ireo. Nanoratra tamin’ny mpino tany Korinto ny apôstôly Paoly ka nitarika ny sainy handinika ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena tao amin’ny fiangonana tany Makedonia, “fa tamin'ny fahoriana be nizahan- toetra azy no nitomboan’ny faniriany, ary ny hamafin'ny fahantrany no nampitombo ny harenan ‘ny hitsim-pony. Koa vavolombelona aho, fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany no nanomezany, sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin’izany fanompoana ho an'ny olona masina izany.” 2 Kôr. 8:2-4. TF 186.2
Noho ny fanoloran-tena tanteraka nataon’ireo mpino tany Makedonia no nahavonona azy hanao fandavan-tena. Nohetsehin’ny Fanahin’Andriamanitra izy, ka ny “tenany no natolony ho an'ny Tompo aloha” - 2 Kôr. 8:5, ary manaraka izany dia vonona izy hanome an-kalalahana hanohanana ny fitoriana ny Filazantsara. Tsy nilaina akory ny nampiriska azy hanome, fa fifaliana ho azy ny nanana tombontsoa hanao fandavan-tena, na dia zavatra tena ilain’ny tenany aza mba hanampiany ireo sahirana. Raha nikasa hisakana azy ny apôstôly Paoly, dia nanery azy izy ireo mba hanaiky handray ny fanomezany. Tao amin’ny fahatsoram-po sy noho ny fitiavan-drahalahy no nanaovany fahafoizan-tena tamim- pifaliana ka nanomezany mihoatra noho izay zakany aza. TF 187.1
Raha naniraka an’i Titosy tany Korinto i Paoly mba hampahery ny mpino tany, dia noha farany izy hitaiza io fiangonana io ho amin’ny fahalalahan-tanana, ary toy izao koa no teniny tao amin’ny epistily nosoratany ho an’ny mpino: “Fa araka ny itomboanareo amin ‘ny zavatra rehetra, ” hoy izy, “na amin'ny finoana, na amin'ny teny, na amin'ny fahalalana, na amin'ny fahazotoana rehetra, na amin'ny fitiavanareo anay, dta aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin ‘izao fahasoavana izao.” - 2 Kôr. 8:7. “Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa no hahatanterahanareo azy araka izay anananareo ” 2 Kôr. 8:11. “Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra (...) dia hanan-karena amin ‘ny zavatra rehetra hianareo ka handroso amin’ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra. ” — 2 Kôr. 9:8-11. TF 187.2
Nahatonga fifalian-dehibe ho an’ny fiangonana voalohany ny fahalalahan-tanana nananany, fa ny ezaka nataony no nandraisany anjara amin’ny fitoriana ny hafatry ny filazantsara any amin’ny tany maizina. Hita teo amin’ny fahalalahan- tanany fa tsy nandray foana ny fahasoavan’Andriamanitra izy. Inona moa no nahatonga izany fahalalahan-tanana izany afa-tsy ny fanamasinan’ny Fanahy? Fahagagana vitan’ny fahasoavana izany teo anatrehan’ny mpino sy ny tsy mpino. - VM, tt. 299,300 TF 188.1