Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mosesy

    Natakalon’ ny Egyptiana tamin’ i Farao ny biby fiompiny sy ny taniny mba hahazoany hanina mandritra ny mosary, ary voa- fatotr’ izany ho mpanompo mandra-pahafatiny izy ireo tamin’ ny farany. Nitsinjo tamim-pahendrena ny fomba hamotsorana azy ireny anefa Josefa, tamin’ ny nanomezany malalaka ny tsirairay avy hamboly hiombonana amin’ ny mpanjaka amin’ ny fanomezana azy ny ampahadimin’ ny vokatra.PM 239.1

    Ny taranak’ i Jakoba kosa tsy mba niharan’ izany fepetra izany noho ny soa vitany tamin’ ny firenena. Tsy ny tany nonenany ihany no nafoy ho azy, fa tsy nampandoavan-ketra koa izy sy nomena hanina betsaka mandra-pahatapitry ny mosary. Nolazain’ ny mpanjaka tamin’ ny firenena manontolo fa noho ny fikarakaran’ Andriamanitr’ i Josefa no nananan’ ny tany Egypta hanina betsaka, raha ny firenena hafa rehetra kosa maty mosary. Fantany tsara koa fa ny fitantanana hendry nataon’ i Josefa no nampanan- karena ny tany.PM 239.2

    Tatý aoriana rehefa nandalo ny fotoana dia nodimandry ilay lehilahy mpanisy soa an’ i Egypta, sy ireo taranaka nandray soa tamin’ ny asa vitany ary ‘nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an’ i Josefa≫1. Tsy ny tsy fahafantarany izay nataon’ i Josefa teo amin’ ny taniny akory fa ny tsy firaharahany mihitsy sy ny hamaiona izany zavatra izany ho very tadidy. Ka hoy izy tamin’ ny vahoakany: ‘lndro efa maro sy mahery noho isika ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely; andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahiny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy, ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala ao amin’ ny tany’.PM 239.3

    Kanjo, ‘ny Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihanahery indrindra, ka dia henika azy ny tany”. Ny fikara- karana feno fitiavana nataon’ i Josefa sy ny fankasitrahana azo avy tamin’ ny Farao mpanjaka tamin’ izany andro izany no nahatonga ireo rehetra ireo. Na ny fomba fanaony na ny fivavahana narahiny dia samy tsy nisy nifandraisany velively tamin’ ny fomba fanaon’ ny Egyptiana sy ny fivavahana narahiny, nefa na izany aza dia nitombo hatrany ny hamaroany ka nanomboka sahiran-tsaina ny mpanjaka sy ny olona. Tsy nisy nankasitraka ny hamongorana ny Zanak’ Isiraely, satria betsaka tamin’ izy ireo no mpanao asan-tanana mahay izay nampiasain’ ny mpanjaka hanangana tempoly tsara tarehy sy lapa soa. Nianina tamin’ ny fampahoriana azy fotsiny no nataony.PM 240.1

    Nampitovy azy ireny tamin’ ny Egyptiana izay nivaro-tena sy fananana tamin’ ny fanjakana ny Farao mpandimby toerana. Tatý aoriana kely, dia nanendry mpifehy izy mba hampahory azy amin’ ny fanompoana mafy. ‘Dia nampanompoiny fatratra ny Zanak’ Isiraely, ka nataony nangidy ny fiainany tamin’ ny fanompoana mafy, dia tamin’ ny feta sy ny biriky mbamin’ ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra’. ‘Nefa araka ny nampahoriany azy fatratra no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa’.PM 240.2

    Nampiasa fepetra tsy ara-drariny ny mpanjaka sy ireo mpanolo- tsaina azy, rehefa tsy nahomby tamin’ ny fikendreny hanaketraka azy sy hampihena ny hamaroany ary hanadombo ny fitiavany fahaleovan-tena amin’ ny fanompoana mafy nampanaoviny. Nomena baiko ny mpampivelona Hebreo mba hamono ny zazalahy teraka rehetra. Tsy iza no nanome izany baiko feno habibiana izany, fa Satana izay nahafantatra ny fampanantenana ny hiavian’ ny Mpanafaka ka nihevitra ny hanafoana ny planan’ Andriamanitra. Nefa natahotra an’ Andriamanitra ny mpampivelona ka nandà tsy hanatanteraka izany didy tsy mifaditrovana izany, dia nasian’ Andriamanitra soa ireo mpampivelona sady nambininy. Rehefa hitan’ ny mpanjaka fa notoherina ny didy, dia tezitra izy ka vao mainka koa namafisiny sy naeliny izany. Nasainy nikatsaka izay hamonoana ireny zaza tsy manan-tsiny ireny ny firenena manontolo: ‘Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario any Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa velomy!’PM 240.3

    Tamin’ ny fotoana namoahana izany didy izany, dia nisy mpivady mpivavaka tao Isiraely, avy amin’ ny mpianakavin’ i Levy, Amrama sy Jokebeda no anarany, niteraka zazalahy. Noho ny maha-‘zaza tsara” ny zanany sy ny fahalalan’ ireo ray aman-dreniny fa efa manakaiky ny fanavotana, dia niezaka izy mba tsy hahafaty ny zanany. Finoana no ‘tsy natahorany ny didin’ ny mpanjaka’2.PM 241.1

    Afaka nanafina ny zaza nandritra ny telo volana ny reniny. Ary rehefa hitany fa tsy azo notanana teo akaikiny intsony, dia nanamboatra fiara zozoro izy, ka nopetahiny asfalta sy dity mba tsy ho tatera-drano: dia napetrany tao ny zaza, ary nateriny tao anaty zozoro teo amoron” ny Neily. Tsy sahy niambina azy izy fandrao dia mampidi-doza ny ain’ izy mianaka izany, ka ny anabavin’ ny zaza no nijanona teny lavidavitra eny mba hiambina azy.PM 241.2

    Nisy koa anefa mpiambina hafa niambina teo. Ny vavaka mafana nataon’ ny reniny no niarovan’ Andriamanitra ity raki-tsarobidy ity. Ny anjely nitoby nanodidina io fandriana kely io no nitarika ny zanakavavin’ i Farao handeha handro tao Neiiy. Nanaitra azy mafy ny zavatra hitany teo ambony rano, Azony an-tsaina avy hatrany ny tantaran’ ity zaza mahafatifaty ity. Vao mainka koa nampangoraka azy fatratra ny nahita ny zaza nitomany. Nalahelo ny fony, nieritreritra ilay reny tsy fantatra nampiasa izao tetika izao mba hamonjcna ny sombinainy. Tapa-kevitra izy hamonjy ny zaza sy hanangana azy mihitsy.PM 241.3

    Nitazana teny lavitra eny ny fihetsika rehetra nataon’. ity andriambavy Miriama noho ny fahitany ny tena fitiavany ny zaza, dia lasa nanatona moramora izy ka nanontany hoe: ‘Handeha haka mpitaiza amin’ ny vehivavy Hebreo va aho hankaty aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?” Navela hanao izany izy ka lasa nihaza- kazaka nilaza ny vaovao mahafaly tany amin-dreniny, izay nandeha nanaraka azy tany amin’ ny zanakavavin’ ny mpanjaka. ‘Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, hoy izy taminy, fa izaho handoa ny karamanao’.PM 241.4

    Ren” Andriamanitra ny vavaka nataon’ ity vehivavy mpivavaka ity ka novalian-tsoa ny finoany. Hatramin’ izay dia nieren-doza izy ary feno fankasitrahana ny fony ka lasa izy nanolo-tena hanao ny asa tena soa napetraka taminy. Tsy nataony an-tsirambina ny nampianatra sy ny nitarika azy tamin’ ny fitiavam-bavaka noho ny fahatsapany fa narovana mba hanao asa lehibe ny zanany. Nanenjika azy ny eritreritra hoe vetivety foana dia halaina eo am-pelatanany ny zaza ka hafindra any amin’ ny mpanjaka izay reniny nanangana azy. nefa toerana feno loza no halehany ka noho izany nila fitandre- mana sy fahendrena mihoatra noho ny tamin’ ireo zanany hafa ny asa atao aminy. Nangataka mafy tamin’ i Jehovah izy mba hiaro azy tamin’ ny faharatsiana nanjaka tao an-dapa, tamin’ ny alalan’ ny i ezaka nataony mba hanikotra ao an-tsainy ny fitiavana ny marina sy ny hitsiny miaraka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra. Natorony an-janany ny faharatsiana sy ny fahalotoan’ ny fanompoan- tsampy, ary tany am-boalohany dia efa nampianariny azy sahady ny hiantso Ilay hany afaka handre sy hanafaka amin’ ny loza.PM 242.1

    Notazonin’ i Jokebeda ela araka izay azony natao teo akaikiny ny zaza. Nefa voatery nisaraka taminy izy nony feno 12 taona. Niala tao amin’ ny trano bongo Mosesy zatovo, ka nankany amin’ ny lapan’ ny mpanjaka nipetraka tao amin’ ny zanakavavin’ i Farao, ‘izay nanangana azy”. Fa Mosesy tsy nanadino mihitsy ny hevitra azony fahazaza. Tsy voakosoka tao an-tsainy mihitsy, fa niaro azy tamin’ ny avonavona sy ny tsy finoana ary teo anivon’ ny rendra- rendran’ ny lapa nanjakan’ ny ratsy ireo fampianarana nataon- dreniny. Hery mahatalanjona manao ahoana no vitan’ ity vehivavy natao sesitany sady mpanompo ity ! Samy vokatra azo avy tamin’ | ny asan’ ny reny mpivavaka avokoa na ny fiainan-ko avin’ i Mosesy na ny asa lehibe notontosainy tamin’ ny fitarihany ny Zanak’ Isiraely. Tsy misy mahatoraka izany asa izany. Mitana andraikitra betsaka ny amin’ ny ho avin’ ny zanany ny reny. Mamolavola olona izy, ary manefy toetra. Tsy ho amin’ izao fotoana izao ihany no iasany fa ho an ny mandrakizay koa. Mamafy ao am-po voa izay hitsiry sy hamokatra na ho amin’ nv tsara na ho amin’ ny ratsy izy.PM 242.2

    Tsy ny hametaka sarin’ olona tsara tarehy eo amin’ ny-ravin- damba na hanao sary sokitra eo amin’ ny vato marbra no asa nampa- naovina azy fa: ny hamelona ny endrik’ Andriamanitra eo amin’ ny fanahin’ olombelona. Eo amin’ ny fiandohan’ ny taona iainan’ ny zanany indrindra no iandraiketany ny famolavolana ny toetrany. Ho tafaraikitra mandritra ny fiainany eo amin’ ny sain’ izy ireo miovaova ny hevitra napetaka tamin’ izany taona izany. Ávy amin’ izany no maha-zava-dchibe ny manome fitaizana sy fanolokoioana ho an’ ny zaza manomboka hatramin’ ny fahazazany mba hahatonga azy ho mpivavaka. Tsy ny hahazoany toeram-boninahitra eto an-tany ; fa kosa toeram-boninahitra maharitra mandrakizay any an-danitra no antony nanomèzana zanaka ho kolokolointsika.PM 242.3

    Tokony hahatsiaro ny renim-pianakaviana tsirairay avy fa lafo vidy ny fotoanany rehetra. Hotsaraina ny amin’ ny asa vitany izy, amin’ ny andro lehibe fampamoahana. Ho hita amin’ izay fa ny ankamaroan’ ny fahadisoana sy ny heloka vita teto an-tany dia vokatry ny tsy fahaizana sy ny tsirambina nataon’ ireo reny izay manana andraikitra amin’ ny fitarihana ny tongotra mangozohozon’ ny ankizy eo amin’ ny lalana tsara. Toy izany ihany koa ny maro tamin’ ireo olona nanazava ny tany tamin’ ny famirapiratan’ ny fahaizany na ny tanam-pahamarinana sy ny hatsaram-panahy mpanasoa ananany no nampihetsika azy tamin’ ny asa nataony sy ny fahombiazany. dia avy amin ny ezaka sy ny vavaka nataon ny reny kristiana no nahazoany izany.PM 243.1

    Nahazo fampianarana ambony tamin’ ny fahaizan-dalàna sy ara-miaramila Mosesy. tao an-dapan’ i Farao. Tapa-kevitra ny mpanjaka fa hifidy ny zafikeliny natsangany ho mpandova ny fanjakany, ka efa voaomana ny zavatra réhetra ahazoany mitana izany toerana ambony izany. ‘Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ ny Egyptiana, ary nahery tamin’ ny teniny sy ny asany izy’3. Nanjary nankamamian’ ny tafika egyptiana izy noho ny fahaizany mitari-tafika, lasa lehilahy niavaka tamin’ ny rehetra maneran-tany izy. Resy Satana. Hatramin’ ny didy izay navoaka hanamelohana ho faty ny zanaka hebreo avy no nampi- asain’ Andriamanitra hanolokoloana sy hanabeazana ilay mpanafaka ny olony.PM 243.2

    Anjely no nilaza tamin’ ny loholon’ ny Isiraely fa manakaiky ny fotoana fanafahana azy, ary Mosesy no olona nentin’ Andriamanitra hanatontosa izany asa izany. Ny tenan’ i Mosesy mihitsy no nilazan’ ny anjely fa izy no voatendrin’ Andriamanitra hanapa- tapaka ny ziogan’ ny olony. Noheveriny ho vitaina tamin’ ny alalan’ ny herin’ ny fitaovam-piadiana izany asa izany ka notendrena hitarika ny Zanak’ Isiraely hiady amin’ ny tafika egyptiana izy. Tamin’ ny fiheverana an’ izany no nahatonga azy hiaro-tena sao dia hanjary fisakanana ny fanatanterahana ny sitrapon’ Andria-manitra ny firaiketam-pony tamin’ ilay reny nanangana azy na i Farao.PM 243.3

    Tsy azo atao ny mandimby ny seza fiandrianan’ i Farao, araka ny lalàna, raha tsy avy amin’ ny fokon’ ny mpisorona. Koa noho ny maha-mpandova voatendry an’ i Mosesy, dia tsy maintsy nampianarina ny fivavaham-pirenena izy. Nianarany tamin-kafanam-po fatratra izany ; nefa na oviana na oviana dia tsy nety nitondr* fanatitra ho an’ ny andriamani-tsy izy izy. Norahonana tsy hahazo ny fanjakana izy ary nampitandremana’fa raha mbola mifikitra amin’ ny fanekena ny fivavahana hebreo, dia havoakan’ ny mpanjakavavy ny didy fanonganana azy. Nefa tsy azo nozongozonina tamin’ ny fanapahan- keviny hanome voninahitra Ilay Andriamanitra tokana Mpanao ny lanitra sy ny tany izy. Tamin’ ny adi-hevitra nifanaovany tamin’ ny mpisorona sy ny vahoaka, dia nasehony fa hadalana ny fanajana ny sampy izay zavatra tsy manana aina. Tsy misy olona afaka nandresy lahatra ny foto-kevitra notanany, na nampiova ny fomba fijeriny, ka nekena tsy fidiny tsikelikely ny toetra matotra nasehony noho ny toerana ambony notanany sy ny zo nananany na teo amin’ ny fanjakana na teo amin’ ny firenena.PM 244.1

    ‘Finoana no nandavan’ i Mosesy tsy atao hoe zanaky ny zanakavavin’ i Farao, rehefa lehibe izy, nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ ny olon’ Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ ny fahotana, nanao ny fanaratsiana an’ i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’ i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy’4. Afaka nitana toerana ambony niaraka tamin’ ireo mpitondra lehibe teto an-tany Mosesy , nety ho tonga malaza teo amin’ ny lapam-panjakana mamiratra indrindra izy ka hahatsara ny fitondram-panjakana. Nihoatra noho ny an’ ny olo-malaza hatrizay ny fahambonian’ ny fahaizany. Tsy nisy nitovy taminy tamin’ ny fahaizana tantara sy tononkira sy filozofia ary ny maha- mpitari-tafika sy mpanao lalàna azy. Kanefa na nivelatra teo anatrehany toy izany aza ny voninahitr’ izao tontolo izao, dia nolaviny tamin-kerim-po ny ho avy mamirapiratra ahazoan-karena sy fahalehibeazana teto an-tany, ‘nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ ny olon’ Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ ny fahotana’ izy. Fantatr’ i Mosesy ny amalian-tsoa nomanina ho an’ ny mpanompon’ Andriamanitra manetry tena sy mahatoky any am-parany. Aminy, dia voasaron’ izany teny fikasana izany rehefa mety ho voninahitry ny tany. Voatolotra ho azy ny seza fiandrianana sy ny lapa soan’ i Farao. Nahalala ny fahotana sy ny tsy fitiavam-bavaka izay nanjaka teo amin’ izany toerana feno fakampanahy izany anefa izy. Tazany manangasanga any an-koatry ny lapa tsara tarehy sy ny satroboninahi-panjakana ny voninahitra tsy manam-paharoa izay hasatroka ny olo-masin’ ny Avo Indrindra any amin’ ny fanjakana madio sy masina. Tsinjony ny satroboni- nahitra tsy mety lò izay hapetraky ny Mpanjakan’ ny Ianitra eo amin’ ny handrin’ ny mpandresy. Nafanain’ izany finoana izany ny fony, ka nilaozany ireo lehibe teto an-tany fa lasa izy nikambana tamin’ ilay vahoaka mahantra sy mavomavo ary natao tsinontsinona izay nankatò an’ Andriamanitra fa tsy nandà Azy.PM 244.2

    Tsy niala tao an-dapa Mosesy raha tsy feno efapolo taona. Nanindry ny fony ny fanompoana mafy nampahoriana ny iray firenena taminy. Tonga namangy ireo rahalahiny izy ka nampahery azy tamin’ ny fanomezan-toky fa hanafaka azy Andriamanitra. Matetika izy no nikomy tamin’ ny fahitana ny tsy rariny sy ny fampahoriana nihatra tamin’ izy ireo ka naniry fatratra hamaly faty. Raha nivoaka izy indray andro dia nahita lehilahy Egyptiana nanavo- kavoka lehjlahy Isiraelita anankiray, dia nasiany ilay mpila ady ka matiny. Tsy nisy nahita ny zava-bita afa-tsy ilay Isiraelita, dia nasitrik’ i Mosesy haingana tao amin’ ny fasika ny faty. Nampiseho ny fahavononany hiaro ny voninahi-pireneny izy ary nanantena hahita azy hitsangana toy ny olona iray hamerina indray ny fahafahany. ‘Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen’ Andriamanitra azy; kanjo tsy fantany’5. Tsy mbola masaka ho amin’ ny fanafahana izy. Ary nony ampitson’ iny dia nahita Hebreo roa lahy niady Mosesy. Azo lazaina fa nanana ny diso ny iray amin’ izy roalahy, ka nomen’ i Mosesy ísiny. Nandà ilay meloka ka tsy nanaiky an’ i Mosesy hanam-pahefana hiteny, fa niampanga azy tamin ny fomba mahamenatra hoe mpamono olona. ‘Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?” hoy izy taminy. ‘Móa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan’ ialahy ilay Egyptiana?’6PM 245.1

    Avy hatrany dia niely eran’ ny tany izany zavatra izany ka tonga vetivety tany an-tsofin” i Farao, nefa nampitomboina be ihany. Naseho azy fa mety hiteraka fahavoazan-dehibe izao raharaha izao., mitady hitarika ireo rahalahiny hanohitra ny Egyptiana Mosesy; sy hanongana ny fitondram-panjakana ka hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianana; raha atao indray milaza dia tsy hisy filaminana mihitsy eto amin’ ny fanjakana raha mbola velona izy. Avy hatrany dia nomelohin’ ny mpanjaka ho faty izy. Rehefa reny ny loza mananontanona azy, dia nandositra nankany amin’ ny lalana any Arabia Mosesy. Notarihin’ Andriamanitra nankany amin’ ny tranon’ i Jetro mpisorona tao Midiana sy mpivavaka tamin’ Andriamanitra marina izy ka nanambady ny zanakavaviny tatý aoriana, ary tao no nitoetra nandritra ny efapolo taona. niandry ny ondry aman’ osiny.PM 245.2

    Latsaka tamin’ ny fahadisoana mpahazo matetika ireo razambeny Mosesy tamin’ ny famonoana Egyptiana. dia ny fahadisoana amin’ ny fandraisana an-tanana ny asa izay nampanantenain ny Tompo fa ny tenany no hanatontosa azy. Tsy nikasa velively ny hanafaka ny olony tamin’ ny alalan’ ny ady araka ny niheveran’ i Mosesy azy Andria- manitra, fa amin’ ny alalan’ ny herin’ ny tenany. ka mba ho izy ihany no hahazo ny voninahitra rehetra. Nampiasainy anefa izany fahadisoana izany mba ho fanatanterahana ny sitrapony. Tsy mbola vonona ho amin’ ny asa lehibe izay miandry azy Mosesy. Tahaka an’ i Abrahama sy Jakoba dia ilainy koa ny mianatra tsy hiantehitra amin” ny hery sy ny fahendren’ olombelona, fa amin’ ny herin’ Andria-manitra irery ihany, amin’ ny fanaovana ny fikasan’ Andriamanitra. Fanampin’ izany, dia mbola nanana fianarana hafa hianarana koa Mosesy, any amin’ ny fitokanana any an-tendrombohitra. Nianatra ny faharetam-po sy ny fifehezana ny filan’ ny nofo izy tao amin’ ny sekolin’ ny fandavan-tena sy ny fihafiana. Nianatra ny fankatoavaini izy alohan’ ny nahazoany nanapaka tamim-pahendrena. Fo manaiky tanteraka hotarihin’ ny Any Ambony no ilainy mba hampianarany ny sitrapon’ ny Avo Indrindra amin’ ny olona, ary tsy maintsy izy mihitsy. no nampiana-tena hikarakara ireo rehetra nila azy toy ny fanaon’ ny ray niteraka.PM 246.1

    Tsy hisy olona hanaiky handalo fiofanana maharitra ela amin’ asa jamba toy izany. Nataony fa fan daman’ andro tsy misy antony ireo efapolo taona niantsoan’ Andriamanitra ilay mpitarika ny olony, noho ny fahendreny tsy takalry ny saina, mba hatokany hanaovana ny adidy madinidinika fanaon’ ny mpiandry ondry. Nanomana azy ho tonga mpiandry be fiantra sy mpitarika mahari-po voazaha toetra teo amin’ Isiraely ny fikarakarana tsara sy ny tsy fiheveran- tena ary ny fiahiana feno fitiavana izay nizàiany tamin’ ny fiandra- sana ny ondry aman’ osin’ ny rafozany. Ny tombon-tsoa rehetra mety ho azo amin’ ny fitaizana sy ny ianolokoloana ataon’ ny olona dia tsy misy mahasolo ireny fahaizana ambony azony ireny.PM 246.2

    Ankoatr’ izany dia betsaka ny zavatra tsy maintsy nadinoin’ i Mosesy. Na ny fitiavan’ ilay reny nanangana azy. na ny fanaranarn-po amin’ ny ratsy aseho eny rehetra eny amin’ ny antoandrobenanahary, na ny fahaizan-javatra na ny fanambakana na ny fandrebirebena amin’ ny fivavahana tsy izy, na ny firentirentin’ ny fanompoan- tsampy, na ny asa kanto amin’ ny fahaizana mari-trano sy sokitra, — ireny rehetra ireny dia samy tafaraikitra lalina tao am-pony sy tao amin’ ny sainy vao herotrerony ka namolavola fahazaiana ho azy sy nanefy ny toetrany. Ny fotoana sy ny fiovan-toerana ary ny firaisana amin’ Andriamanitra ihany no hany mety hikosoka ireny fahazaiana ireny. Tsy maintsy nitolona mafy tamim-pangirifiriana Mosesy, mba hahatomombana ny fanoloana ny hevi-diso tamin’ ny marina. Andriamanitra anefa hamonjy sy hanohana azy rehefa mafy tsy tohan’ ny heriny ny ady.PM 247.1

    Samy tratry ny tsy fahatanterahana ny olona rehetra nofidin’ Andriamanitra hanao asa lehibe teto an-tany. Tsy tokony hifikitra amin’ izany voalaza izany anefa ny olona fatra-pikiribiby sy maditra. Ny tokony hataony aza, dia ny haniry fatratra ny hotoroan’ Andriamanitra ny amin’ ny fomba fiasa ho Azy. Voasoratra hoe: ‘ary raha misy aminareo ‘tsy manam-pahendrena’, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra. Izay manome malalaka ho an” ny olona rehetra sady tsy mandatsa: ary dia homena azy izany’7. Tsy manome ny fahazavany ho an ny olona afa-po tanteraka ny hipetraka ao amin’ ny haizina anefa Andriamanitra. Tokony hahatsapa ny fahalemeny sy ny kilemany ny olona izay ta-handray ny fanampian’ ny Any Ambony. Tokony ho vonona hanaiky ny fanavaozana lehibe miasa ao anatiny izy ka hirotsaka amin-kafanam-po sy faharetana amin” ny asa sy ny fivavahana. Amin’ ny alalan’ ny finiavana hiova amin’ ny fahazaran- dratsy nahazo ny tena no ahazoana ny fandresena. Firifiry akory ny olona tsy mahavita ny tokony ho vitany eo amin’ ny asan’ Andria- manitra noho izy miandry ny hanomezan’ ny any an-danitra azy hery hahatontosany ny asa amin’ ny alalan’ ny tenany. Aoka izay rehetra ta-hanao fototr’ asa mahasoa ny asan” Andriamanitra hanaiky handalo fifehezana ara-tsaina sy ara-panahy, amin’ ny fahatokiany fa hahazo hery avy amin’ Andriamanitra ampy hanohanana ny ezaka ataony izy.PM 247.2

    Nitoetra irery niaraka tamin’ Andriamanitra voahidy tao amin’ ny tendrombohitra namefy azy manodidina Mosesy. Efa afaka tamin’ ny fijerena ireo tempoly egyptiana nahajemby ny masony sý ny sainy izy, ary koa tamin’ ny fahadisoana sy ny finoanoam-poana teo amin’ ny fanompoam-pivavahana fanaony, ka azony natao izao ny mijery amim-piadanana ny tena fahambonian’ ireo havoana mandrakizay, sy ny fahalehibeazan’ Andriamanitra izay mifanohitra amin’ ny faha-tsinontsinon’ ny fanompoan-tsampy. Hitany voasoratra ombieny ombieny ny anaran’ ny Mpahary, mahatsiaro ho eo anatrehany sy eo ambany fialofany izy na aiza na aiza alehany. Niala tsikelikely tao anatin’ ny fahatsorana feno fifaliana tamin’ ny fiainana tany an-tsaha ny fireharehana sy ny avonavona ary ny fitiavan-kaingo sy ny fiainana miaminkamina nananany. Nanjary nahatsindry fo sy sahy ary mahonom-po izy. Niorim-paka tamin’ ny finoana Ilay Maherin’ i Jakoba izy, ka tonga ‘lehilahy nalemy fanahy mihoatra ny olona rehetra atý ambonin’ ny tany ’8.PM 248.1

    Nandritra. ny fiainany nirenireny manerana ny tany foana midadasika, teo am-piandrasana ny andian’ ondriny no nahatsiarovan’ ity mpanjaka tonga mpiandry ondry ity ny fampahoriana nanjo ny iray firenena taminy. Nitamberina tamin’ ireo lalana nitondran’ Andriamanitra ny razambeny sy ny teny fikasana navela ho lovany ny sainy. Niakatra andro aman’ alina tany an-danitra ny eritreriny. Nanazava azy tamin’ ny fahazavan’ ny Ianitra ny anjelin’ Andriamanitra. Taona tondraky ny fitahiana, eny tondraka tsy ho an’ ny tenany sy ny fireneny ihany, fa ho an’ ny taranaka mandimby eran’ izao tontolo izao, ireo taona nolaniany tany an’ efìtra mangina.PM 248.2

    Nandalo ny taona. ‘Ary tao anatin’ izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan’ i Egypta; ary ny zanak’ Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina. Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka sy Jakoba. Ary Andriamanitra dia nijery ny zanak’ Isiraely ka naha- fantatra azy’9. Tonga ny andro fanafahana; ho tanteraka ny fikasan’ Andriamanitra, ary ho lasa tsinontsinona ny rehaky ny olona. Efa madiva hiseho amin’ ny alalan’ ny mpiandry ondry tambanivohitra iray ny mpanafaka, tsy mitondra afa-tsy fiadiana iray, dia ny tehina eny an-tanany izy; nefa avy amin’ io tehina io, no anehoan’ Andriamanitra ny heriny. Raha niandry ondry teo akaikin’ i Horeba ‘tendrombohitr’ Andriamanitra’, Mosesy indray andro dia nahatazana toe-javatra mahagaga: roimemy nirehitra afo hatreo amin’ ny fotony ka hatrany amin’ ny raviny, kanefa tsy nahalevonana. Raha nanatona hijery io fahitana io Mosesy, dia nisy feo niantso azy tamin’ ny anarany avy tao anatin’ ny lelafo. Tora-kovitra indrindra izy, ka namaly hoe: ‘Inty aho!’ Dia nampitandrina azy ilay feo mba tsy hanakaiky amin’ ny fitiavan- kijery maniratsira: ‘Esory ny kapanao amin’ ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io. Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andria- manitr’ i Jakoba’10. Ny feo dia feon’ Ilay niseho tamin’ ny razambeny fahiny tamin’ ny anarana hoe ‘Anjelín’ ny fanekena’. ‘Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an’ Andriamanitra izy’.PM 248.3

    Toe-tsaina lalina sy feno fanajana no aoka hoentin’ izay rehetra miseho eo anatrehan’ ny Avo Indrindra. Azontsika atao ny manatona an’ Andriamanitra amin’ ny anaran’ i Jesosy amim-pahatokiana, fa tsy amim-pahasahisahiana mieboebo, toy ny hoe mitovy saranga Aminy iny isika. Misy olona miteny amin’ Ilay Andriamanitra lehibe sy masina ary mahatahotra ‘Izay mipetraka any amin’ ny fahazavana tsy azo atonina’, tahaka ny fiteny amin’ ny olona mitovy aminy na ambany noho izy. Ny hafa indray mitondra tena ao an-tranon’ Andriamanitra amin’ ny toetra tsy sahiny atao ao amin’ ny efitrano fandraisan’ olona an’ ny mpanjakan’ ny tany. Tokony hotsaroan’ ireny olona ireny, fa manoloana Ilay ivavahan’ ny serafima sy anaronan’ ny anjely ny tavany izy. Izay rehetra mahatsapa marina tokoa ny fanatrehan’ Andriamanitra dia manatona Azy amin’ ny fitsaohana masina ka miankohoka eo anatrehany amim-panetren- tena. Tahaka an’ i Jakoba nahita ilay fahitana tao Betela no hiantsoan’ izy ireo hoe: ‘Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity fa tranon’ Andriamanitra sy vavahadin’ hy lanitra” !PM 249.1

    Raha mbola nihaino tamin-tahotra masina Mosesy, dia nitohy ilay feo: ‘Efa hitako tokoa ny fahorian’ ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ ny mpampiasa azy, eny fantatro ny alahelony ; dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ ny tànan’ ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’ izany tany izany ho any amin’ izay tany soa sy malalaka, dia any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely. Koa avia ankehitriny hianao hirahiko ho any amin’ i Farao hitondra ny Zanak’ Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta’.PM 249.2

    Jenjina sady raiki-tahotra i Mosesy nandre izany baiko izany ka niverina sady niantso mafy hoe: ‘lza moa aho no hankany amin* i Farao sy hitondra ny Zanak- Isiraely hivoaka ho any Egypta?” ‘Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao: rehefa entinao mivoaka avy avy Egypta ny olona. dia hanompo an’ Andriamanitra eto amin’ ity tendrombohitra ity hianareoo.PM 250.1

    Teo am-pandinihana ny fahasahiranana tsy maintsy setraina sy ny tahajamban-tsaina, ny tsy fahalalana ary ny tsy finoan’ ny iray Firenena aminy izay betsaka taminy no tsy nahalala an’ Andriamanitra dia hoy Mosesy tamin’ Andriamanitra: ‘lndro, rehefa tonga any amin’ ny Zanak’ Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andria- manitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atý aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy? Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely: Izy Izay Jehovah no efa naniraka ahy ho atý aminareo’.PM 250.2

    Dia nahazo baiko Mosesy hanangona ny loholon’ ny Isiraely aloha, dia ireo izay marina indrindra, sy nisento hatry ny ela tao anatin’ ny fanandevozana. mba hitondra ho azy ireo hafatra sy fampanantenana fanafahana avy amin’ Andriamanitra. Lasa niaraka tamin’ ireo olona ireo nankany amin’ i Farao izy ka nilaza taminy hoe: ‘Jehovah Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; ary ankehitriny trarantitra hianao, aoka handeha làlan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray”.PM 250.3

    Efa nampahafantarina an’ i Mosesy fa handà tsy hanaiky ny fangatahany Farao. Nefa tokony tsy ho ketraka izy. satria ho hararaotin’ Andriamanitra izany mba hanehoany ny heriny eo imason’ ny Egyptiana sy ny olony. ‘Dia haninjitra ny tànako Aho ka hamely an’ i Egypta amin” ny fahagagana rehetra izay hataoko aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo Farao”.PM 250.4

    Nasainy nanoniana izay vatsy nilaina teny an-dalana ny Zanak’ Isiraely: ‘Ka raha handeha hianareo. dia tsy mba handeha maina. Fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin’ ny miray monina aminy sy amin’ izay mivahiny ao an-tranony’. Efa nanan-karena tamin’ ny asa tsy ara-drariny nampanaoviny ny Zanak’ Isiraely ny Egyptiana. Noho izany dia rariny raha nitaky ny tambin’ ny asa mafy nataony nandritra ny taona maro ny Zanak’ Isiraely raha nandeha niverina nody amin’ ny tany vaovao ho lovàny. Tamin’ izany no nangatahany zavatra sarobidy mora entina. Afa-tsy izany dia nataon’ Andriamanitra nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana izy ireo. Harhely ireo mpampiasa azy ny loza mafy natao ho fanafahana azy ka hahatonga azy hanaiky ny fangatahan’ ireo olona nandevoziny.PM 251.1

    Nahatsinjo zava-nisakana tsy azo nilioarana teo anoloany anefa Mosesy. Fomba ahoana no hataony mba haharesy ny iray firenena aminy ka hiaikeny fa naniraka azy tokoa Andriamanitra? Hoy izy tamin’ ilay feo avy any an-danitra: ‘Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: tsy niseho taminao Jehovah’. Ho porofo fa niantso azy Andriamanitra. dia nomeny famantarana teo ambany maso izy: ‘Atsipazo amin’ ny tany ny tehinao. Dia natsipin’ i Mosesy tamin ny.tany ny tehiny ka tonga menarana. Dia nandositra azy Mosesy w11. Nahazo baiko indray izy.hanatsofoka ny tanany tao an-tratrany; dia nataony izany, ary nony notsoahany, ‘dia indro boka ny tànany ka fotsy tahaka ny orampanala. Dia nasain’ Andriamanitra natsofony tao an-tratrany indray, ary nony notsoahany tamin’ ny tratrany. dia, indro. efa tonga tahaka ny hodiny indray izy’. Nanome toky an’ i Mosesy Jehovah fa ho resy lahatra amin’ ireo famantarana ireo na ny vahoakany na i Farao. fa misy anankiray mahery lavitra noho izy ireo eo aminy.PM 251.2

    Nefa mbola raiki-tahotra ihany ilay lehilahin’ Andriamanitra teo am-pieritreretana ny asa lehibe sy mahatalanjona izay iniandry azy. Noho ny tahotra nahazo azy. dia niaro-tena tamin’ ny fialan- tsiny izy fa tsy mahay miteny ; ‘ Tompoko, hoy izy. olona tsy mahay inandaha-teny aho, na hatrany aloha na hatramin’ izao itenenanao izao aza ; fa votsa vava sy miadam-piteny aho’. Efa elabe no nialany tany Egypta ka tsy hainy tsara intsony ny fiteny fanao any.PM 251.3

    ‘Ary hoy Jehovah taminy: Iza moa no nanao ny vavan’ ny olona? ary iza no mampahamoana. na mampaharenina na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va? Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao’. Nitaraina ary Mosesy mba hisy olona mahay miteny noho izy hofidiana hisolo azy. Noho ny tahotra sy ny fanetren-tena no nanaovany izany fialan-tsiny izany tamin’ ny voalohany. Nampanan- tena azy anefa Andriamanitra fa hanaisotra ny fahasahiranana rehetra sy hanome fahombiazana tanteraka, koa rehefa mety ho fisalasalana sy aloky ny tsy fahazoana manao dia mitory fiampangana an’ Andriamanitra ho tsy mahay manatanteraka ny teny fikasany na diso tamin’ ny fifidianana azy.PM 252.1

    Dia notendren’ i Jehovah ho azy, Arona rahalahiny, izay mahay malama tsara ny fiteny egyptiana. ‘Ary indro koa avy hitsena anao izy. Dia hiteny aminy hianao ka hanolo teny azy, ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo. Ary izy hiteny amin’ ny olona hisolo anao, ka dia izy no ho solovavanao, ary hianao kosa ho solon’ Andriamanitra aminy. Dia ho entinao eny an-tànanao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo’. Hentitra ny baiko. Nalana rehefa mety ho fialan-tsiny, tsy azo atao intsony ny mivadika..PM 252.2

    Nahatonga an’ i Mostesy hatahotra sy tsy hatoky tena ny fiantsoan’ Andriamanitra, nampianahana sy nahasanganehana azy ny fieritreretana ny tsy fahaizany ho mpitondra ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny olona. Fa rehefa nanaiky hiasa kosa izy, dia nirotsaka nanao izany tamin’ ny fony rehetra sy ny fahatokiana feno an’ Andriamanitra. Mitaky fanolorana feno ny tsara indrindra amin’ ny tsilon-tsainy ny fahalehibeazan’ io adidy io. Novalian-tsoa ny fankatoavany tsy nisy fihambahambana, ka tonga nahay nandaha- teny sy nijery mazava ary tompon’ ny tenany izy, izany hoe raha atao indray milaza dia afaka hisahana ny asa lehibe indrindra azo apetraka ataon’ ny taranak’ olombelona. Tsy inona izany fa ohatra ny amin’ izay azon’ Andriamanitra atao mba hanatanjaka ny toetran’ ireo olona izay mitolo-batana hanaraka ny sitrapony sy ny heriny.PM 252.3

    Hahazo ny hery rehetra sy ny faho.nbiazana ilainy ny olona izay manaiky ny andraikitra natolotr’ Andriamanitra azy sy name- traka ny fony rehetra ho amin’ izany. Hahatratra ny tena fahalehi- beazana izay miezaka hanao ny adidy napetraka taminy amim- pahatokiana, na tsotra toy inona ny toerana tanany ary na voafetra toy inona ny talenta ananany. Raha niantehitra tamin’ ny hery sy ny fahendrena nananany Mosesy - ka nanaiky avy hatrany ny asa mavesatra nasaina nataony, dia hita fa tsy izy no olona nilaina hanao izany. Izay mahatsiaro ny fahalemeny ihany no mampiseho fa mahatsapa ny fidadasiky ny asa napetraka taminy sy afaka hiankina amin’ ny hery sy ny torohevitr’ Andriamanitra.PM 252.4

    Niverina tany amin’ ny rafozany Mosesy ka nilaza taminy ny faniriany handeha hamangy ireo rahalahiny any Egypta. ‘Mandehana soa aman-tsara”, hoy Jetro taminy, dia nanaiky ny fangatahany izy ka nitso-drano azy. Dia lasa Mosesy, niaraka tamin’ ny vady aman- janany. Tsy sahiny nolazaina ny anton-dia alehany, sao dia tsy avela handeha ny ankohonany. Alohan’ ny nahatongavany tany Egypta anefa, dia noheveriny fa fahendrena ny mandefa azy miverina any Midiana, any an-tranon-drainy sy ny razany.PM 253.1

    Ny zavatra anankiray tsy namparisika an’ i Mosesy hiverina tany Egypta, dia ny tahotra tao anatiny ny hifanatri-tava tamin’ i Farao sy ireo mpanolo-tsaina azy, izay nanohitra azy efapolo taona talohan’ izao. Raha vao tapa-kevitra anefa izy, dia nilazan’ Andriamanitra fa efa maty ireo fahavalony.PM 253.2

    Teny an-dalana ho any Egypta, dia nandray fampitandremana manaitra Mosesy, fa tsy faly Andriamanitra. Nisy anjely anankiray niseho taminy, mahatahotra toy ny fahavalo vonona hamely azy ho faty no fijery azy. Tsy nomena fanazavana momba izany izy na kely akory aza. Tsaroan’ i Mosesy anefa, fa tamin’ ny fanekena ny hataky ny vadiny, dia nataony tsirambina ny nampihatra ny fitsipika nataon’ Andriamanitra mikasika ny famorana ny zananilahy faharoa, dia ilay fitsipika tsy ananana anjara amin’ ny tso-drano avy amin’ ny fanekena nifanaovan’ Andriamanitra tamin’ Isiraely.PM 253.3

    Ny tsirambina mitovy amin’ izany ataon’ ny olom-boafidin’ Andriamanitra dia tonga manalefaka ny lanjan’ ny didin’ Andriamanitra eo anatrehan’ ny vahoaka. Mety hiharan-doza mafy Mosesy amin’ ny fanatontosana ny asa nampanaovina azy teo amin’ i Farao. Tsy ho voaaro ny ainy raha tsy noho ny fiarovan’ ny anjely izay tsy azony ianteherana raha tàhiny misy tsirambina vitany tamin’ ny adidiny. Natahotra ny hahafaty ny vadiny Zipora, ka ny tenany mihitsy no namora ny zanany. ary izay vao navelan’ ny anjely nanohy ny diany Mosesy.PM 253.4

    Tsy ho afa-mandositra ny fahafatesana ny olo.-marina raha tsy avy amin’ ny asa fanompoana ataon’ ny anjely masina, mandritra ny andro fahoriana izay ho tonga mialoha indrindra ny fiverenan’ ny Tompo. Tsy mba hahazo izany fiadanana izany anefa ireo mpandika ny didin’ Andriamanitra. Tsy afaka hiaro izay mivelona amin’ ny fandikana ny fitsipika iray amin’ ny didin’ Andriamanitra ny anjely, amin’ izay andro izay.PM 254.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents