Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Paska

    Raha vao nangataka voalohany tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta ny handefasany ny Isiraely Mosesy, dia efa nolazainy taminy mialoha sahady ny loza mafy tamin’ ireo loza folo. ‘Izao no lazain’ i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely; koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefà azy hianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa!’1 Voafidy ho mpitahiry ny lalàn’ Andriamanitra ny Hebreo, na dia nataon’ ny Egyptiana tsinontsinona aza. Nahazoany fahamboniana teo amin’ ny firenen-tsamihafa toy izay nomena ny lahimatoa teo amin’ ireo rahalahiny ny fitahiana sy ny tombon-tsoa nenti-nanome voninahitra azy. Tamin’ ny fotoana farany vao namely an’ i Egypta ny loza izay nandrahonana azy hatrany am-boalohany. Mahari-po sy be famindrampo Andriamanitra, Mikarakara fatratra ireo olona noforoniny araka ny endriny Izy. Raha mba nampiova fo an’ i Egypta mantsy ny fahaverezan’ ny vokatra sy ny ondry aman’ osiny, dia tsy ho niharan’ ny fahafatesana ny zanany lahy. Hianjady aminy izao ny kapoka farany noho ny fikirizan’ ity firenena ity mitsipaka ny baikon’ i Jehovah.PM 271.1

    Nandrara an’ i Mosesy Farao mba tsy hiverina eo anatrehany intsony. Nisy fampitandremana farany avy amin’ Andriamanitra anefa tsy maintsy nomena ity mpanjaka mafy hatoka ity ka nahatonga an’ i Mosesy hiseho fanindroany indray teo anatrehany hitondra izao hafatra mahatsiravina izao ; ‘Izao no lazain’ i Jehovah ; Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan’ i Egypta, dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ ny tany Egypta hatramin’ ny matoan’ ny Farao izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny matoan’ ny ankizivavy izay eo anilan’ ny fikosaham-bary ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. Ary hisy fidradradradrana mafy eran’ ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany; sady tsy hisy tahaka izany intsony. Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lelany amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny olona, na amin’ ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian’ i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely. Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo, dia hiankohoka eo a’natrehako ka hanao hoe: mandehana hianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao ; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho’2.PM 271.2

    Nanome fepetra an’ i Mosesy mikasika ny fialana tao Egypta Jehovah, ary indrindra mikasika ny amin’ ny fomba hiarovan-tena amin’ ny loza ho avy, mialoha ny firotsahan’ io filazana loza io. Naka zanak’ ondry na zanak’ osy iray tsy misy kilema ny isan-trano ka nihinana izany irery na niaraka tamin’ izay namany mifanakaiky trano aminy. Dia notentenany ra tamin’ ny hysopa iray fihina ny tataombaravarana sy ny tolàna roa mba tsy hahatonga ny mpandringana izay mandalo amin’ ny mamatonalina ‘hiditra ao an-trano”. Dia hohaniny amin’ izany alina izany ny hena ; ‘voatsatsika tamin’ ny afo” no hihinanany azy mbamin’’ ny ‘mofo tsy misy masirasira sady ampiarahina amin’ ny anana mangidy”, ary toy izao no atao- nareo raha mihinana azy: ‘ny valahanareo ho voasikina, ny kapa- nareo ho eo amin’ ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tana- nareo” dia hohaninareo faingana izy. ‘Fa Paskan’ i Jehovah’3, hoy Mosesy.PM 272.1

    ‘Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’ izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ ny tany Egypta hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia ho tsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah. Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho’.PM 272.2

    Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro Firavoravoana isan-taona ho an’ i Jehovah, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby - Dia holazainareo amin’ ny zanakareo amin’ izany andro izany ny tantaran’ ny fandalovan’ ny Mpandringana, ‘lzay nandalo ny tranon’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika”.PM 272.3

    Nasaina nanokana ho an’ i Jehovah ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Isiraely, na olona, na biby fiompy ny Zanak’ Isiraely ho fankasitrahana ny fiarovan’ Andriamanitra ny voalohan-terany, satria tsy azo soloina ny vidin’ aina 4. Tatý aoriana, tamin ny fotoana nanorenana ny fanompoana tao amin’ ny tabernakely, dia ny firenen’ i Levy no nasolon’ Andriamanitra ny voalohan-teraka5. Ho mari-pisaorana, ny ankohonana tsirairay avy dia nasaina nanavotra ny voalohan-teraka araka ny tombany avy6.PM 273.1

    Andro firavoravoana natao fahatsiarovana sy tandindona ny aska. Tsy hoe fampahatsiarovana ny fanafahana tamin’ ny fanande- ozana tany Egypta ihany izy. fa koa tandindon ilay fanavotana ehibe. hataon i Jesosy ho an izao tontolo izao. Ny zanak’ ondry latao fanatitra dia tandindon’ ny ‘Zanak’ ondrin’ Andriamanitra’, lay hany fanantenam-pamonjena ho antsika. Fa voavono Kristy Paska ho antsika” hoy ny apostoly7. Tsy ampy ny namonoana ny zanak- ondry, fa tsy maintsy natentina teo amin’ ny tolam-paravarana koa ny rany. Dia toy izany koa no tsy maintsy hanolorana ìy fahamendrehan’ ny Mpamonjy amin’ ny fanahy izay mino. Tsy noe akory nanolotra ny ainy ho an’ izao tontolo izao fotsiny Jesosy, a koa ho an’ ny tsirairay isam-batan’ olona raha tahiny mandray no an’ ny tenany ny herin’ ny sorona nataony izy.PM 273.2

    Tandindon’ ny fanadiovana ny hysopa nampiasaina hamafazaoa ny ra. Nampiasaina izany tatý aoriana, mba ho fanadiovana ny boká raha sendra naloto tamam-paty. Hita teo amin’ ny vavaka ataon’ ny mpanao Salamo izany hevi-teny izany.PM 273.3

    Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio;
    Sasao aho. dia ho fotsy inangatsakatsaka 8.
    PM 273.4

    Aterina manontolo ny zanak’ ondry. ka tsy ho tapahina ny olany na dia iray aza. Dia toy izany koa. tsy hisy hotapahina ny olan’ ny Zanak’ Ondrin’ Andriamanitra na dia iray aza9: tandindon’ ny fahatenoan ny fanatitra nataon’ i Jesosy Kristy izanyPM 273.5

    Tahaka ny tsy maintsy nihinanana ny henan’ ny zanak’ ondry, dia tsy ampy koa ny mino an’ i Jesosy Kristy mba hovonjena isika, fa tsy maintsy raisina ho an’ ny tenantsika ny sakafo sy ny hery ara-panahy voarakitra ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra. Efa voalazan’ i Jesosy rahateo fa: ‘Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana mandrakizay. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay’. Hoy koa Izy nanazava io teny io: ‘Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana’10.PM 274.1

    Nanaiky ny lalàn’ ny Rainy Jesosy: nasehony miharihary tamin’ ny fiainany sy ny fitiavany ary ny fahefana mahasoa vitany teo amin’ ny fo ny filamatr’ izany. ‘Ny Teny dia tonga nofo”, hoy ny voasoratr’ i Jaona” ; ‘ka nonina tamintsika ; ary hitanay ny voni- nahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana ’11. Tsy maintsy nandia ny fiainan’ i Jesosy koa ny mpianatra. Tsy maintsy mandray sy mivelona amin’ ny Tenin’ Andriamanitra Izy mba hahatonga izany teny izany ho vy miaina hampihetsika ny fiainany rehetra. Tsy hanana aim-panahy mihitsy izy raha tahiny ka tsy mihinana ny nofo sy misotro ny ran’ ny Zanak’ Andriamanitra. Amin’ izany ihany no hiovany araka ny endriny sy hahazoany mampiseho ny toetran’ Andriamanitra eo aminy.PM 274.2

    Natao ho fahatsiarovana ny ngidin’ ny fanandevozana tany Egypta ny ana-mangidy nampiarahina tamin’ ny henan’ ny zanak’ ondrin’ ny paska. Dia toy izany koa ny fandraisana ny tenan’ ny Tompo dia tokony harahin’ ny nenina mafy ny amin’ ny ota vitantsika. Nirakitra fampianarana toy izany ihany koa ny mofo tsy misy masirasira. Nandidy mafy ny tsy hitehirizana masirasira na dia kely akory aza ao an-trano mandritra ny andro firavoravoana ny lalàn’ ny paska, dia fitsipika izay tsy maintsy nankatoavin’ ny Jiosy an-tsakany sy an-davany. Dia tsy maintsy hisaraka amin’ izay rehetra mety ho masirasiran’ ny fahotana toy izany koa izay rehetra ta-hahazo ny hanina sy ny fiainana ho an’ ny fanahiny avy amin’ i Jesosy. Toy izao manaraka izao no ilazan’ ny apostoly Paoly izany tamin’ ireo mpino tany Korinto: ‘Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy naha-nisy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika. ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ ny masirasira ela, na amin’ ny masirasira lolom-po sy faharatsiana, fa amin’ ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana’12.PM 274.3

    Tokony hampiseho ny finoany ny amin’ ny fanavotan-dehibe ho avy ny Zanak’ Isiraely mba hahazoany ny fahafahana. Tsy maintsy nahevahevany teo anoloan’ ny tranony ny faneva mipentina ra: hisaraka amin’ ny Egyptiana izy sy ny ankohonany, ka hipetraka any an-tranony. Tsy ho voaaro ny zanany raha tahiny nisy nataony an-tsirambina ny torohevitra nomena azy na dia kely akory aza, na navelany niaraka tamin’ ny Egyptiana, na hadinony ny nanisy ra teo amin’ ny tolam-baravaran’ ny trano nisy azy na tavela tany ivelan’ ny trano izy ireny. Tsy maintsy nanao izay rehetra azony natao hanaraka ny baiko nomena azy izy: tsy hahavonjy azy ny fahatsoram-pony satria efa nampilazana izy fa haringan’ ny tanan’ ny Mpandringana ny voalohan-terak’ ireo izay tsy manaraka ny baikon’i Jehovah.PM 275.1

    Amin’ ny alalan’ ny fankatoavana no anehoan’ ny vahoaka hebreo ny finoana ananany. Toy izany koa izay rehetra nanantena hovonjena amin’ ny alalan’ ny ran’ i Jesosy, dia tokony tsy hanadino fa manan-javatra atao izy mba hahatomombana ny famonjeny. Tahaka ny maha-marina fa Jesosy Kristy irery no mahafaka antsika amin’ ny fanamelohan’ ny ota vitantsika, dia toy izany indrindra no tokony hialantsika amin’ ny ota ho amin’ ny fankatoavana. Raha tahiny marina fa vonjena amin’ ny finoana ny olona fa tsy amin’ ny asa, dia toy izany amin’ ny alalan’ ny asa no anaporofoana ny finoana ananana. Natolotr’ Andriamanitra ho faty ny Zanany mba hisolo ny fahotantsika; nomeny antsika ny fahazavan’ ny fahama- rinana; nosokafany teo anoloantsika ny lalan’ ny fiainana ary nomeny antsika ny soa sy ny harem-pahasoavana ary ny tombon-tsoa: anjaran’ ny olona kosa ny mifarimbona amin’ ireny fitahiam-pamonjena ireny; anjarany ny manararaotra ny vonjy atolotr’ Andriamanitra azy: dia ny mino sy ny mankatò.PM 275.2

    Nolazain’ i Mosesy an’ ny Isiraely ny fampitandremana rehetra nomen’ Andriamanitra amin’ ny fanafahana azy. Raha vao vita izany, ; dia ‘niondrika ny olona ka nivavaka’13. Ny fahatsinjovana mahafaly ny amin’ ny fanafahana sy ny fampisehoana ny famaizana mampihoron-koditra izay miandry ireo mpampahory azy, ny tebiteby sy ny fikarakarana ny dia hataony raha afaka fotoana fohy, ireny rehetra ireny dia nisolo toerana vetivety ny fankasitrahana feno atolotra Ilay Mpanafaka azy be famindrampo. Nisy Egyptiana maro izay voataona hivavaka tamin’ ny Andriamanitry ny Hebreo no tonga nangataka fialofana tamin’ ny Hebreo mandra-pandalon’ ny anjely mpandringana. Noraisina tamim-pifaliana izy ireny hany ka nanapa-kevitra hanompo ny Andriamanitr’ i Jakoba sy hivoaka ny tany Egypta miaraka amin’ ny olony.PM 275.3

    Dia nanaiky ny torohevitra nomena ny Zanak’ Isiraely. Natao haingana sady tsy nisy nahafantatra mihitsy ny fanomanana ny dia. Novoriana ny mpianakavy; novonoina ny zanak’ ondrin’ ny paska; natsatsika tamin’ ny afo ny henany; namboarina ny ana-mangidy sy ny mofo tsy misy masirasira. Noho ny maha-mpitandrina sy mpisorona’ ao an-tokantrano ny raim-pianakaviana tsirairay avy, dia notentenany ra ny tataom-baravarana sy ny tolam-baravarana roa tamin’ ny tranony. Nohanina mangina sy haingana ny zanak’ ondrin’ ny paska. Samy niambina sy nivavaka tamim-piandrasana lehibe ny olona rehetra. Rehefa mety ho voalohan-teraka, hatramin’ ny lehilahy lehibe ka hatramin’ ny zazakely dia nidobodoboka mafy ny fony azon’ ny tahotra tsy hay lazaina. Nihorohoro niaraka taminy koa ny ray sy ny reniny ka namihina azy teo an-tratrany. Ny fianakaviana isiraelita kosa tsy mba nisy voakasiky ny anjely mpamono na dia iray aza. Nandalo fotsiny kosa ny Mpandringana raha nahita teo am-baravarana fidirana ny famantarana mihosin-dra mampiseho ny fiarovan’ Ilay Andriamanitra Mpamonjy.PM 276.1

    Ary nony mamatonalina ‘dia nisy fidradradradrana mafy tany Egypta; satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana. Dia maty avokoa ny lahimatoa rehetra, hatramin’ ny lahimatoan’ i Farao izay tokony hipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny lahimatoan’ ny babo izay tao amin’ ny tranomaizina, mbamin’ izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra’14. Isan- tokantrano dia maty ny zanaka lahimatoa, izay rehareha sy tabihan’ ny ray aman-dreny. Hatsatra sy taitra ny endriny ary nangovitra ny lohalik’ i Farao sy ireo tandapany nandre izany zava-doza izany, raha vao nifoha teo am-pandriany. Tsaroan’ ny mpanjaka izao ny teny nolazain’ ny tenany hoe: ‘Iza moa Jehovah, no hihainoako Azy, mba handefasako ny Isiraely? Tsy fantatro Izay Jehovah, ka tsy alefako ny Isiraely!’PM 276.2

    Na teo aza ny hambom-po ratsiny tsy tia vavaka, dia niankohoka tamin’ ny tany izy ka nampaka an’ i Mosesy sy Arona, raha mbola alina, ka nanao hoe: ‘Mitsangàna, mialà eto amin’ ny vahoakako hianareo sy ny Zanak’ Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’ i Jehovah araka ny nolazainareo! Ary ny ondry aman’ osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo ka mandehana; fa mba tsofy rano aho!’ Dia nandodona ny olona ny mpanolotsain’ ny mpanjaka sy ny vahoaka ‘ka nampandeha azy haingana hiala tamin’ ny tany satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra!’PM 277.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents