Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny nandravana an’ i Sodoma

    Niorina teo amin’ ny tany lemaka nahavokatra sy tsara tarehy izay nampahatsiahy ‘ny sahan’ i Jehovah’1 ny tanànan’ i Sodoma. Izy no ravaky ny lohasahan’ i Jordana. Zava-maitso mahafinaritra fahita any amin’ ny tany mafana no nandrakotra ny taniny izay be voaloboka sy oliva ary palma. Voninkazo marobe no nandravaka hanitra nandavan-taona. Ny saha dia feno vokatra efa masaka milonjehitra, ary ny havoana sy ny tendrombohitra manodidina dia niriariavan’ ny andrian’ omby aman’ osy. Asan-tanana aman- taozavatra kanto no nandravaka ilay tanàna be avonavona, ary ny haren’ ny Tatsinanana dia nameno ny lapany. Feno zavatsoa ny trano fivarotany, ary asa kely foana dia nahavelona ny mponina. Ny fiainana dia toa fety lalandava.PM 149.1

    Ny fipetrapetraham-poana, nampian’ ny harem-be toy izany, dia nanamafy ny fon’ ny mponina tao an-tanàna, ka nahatonga azy ho tia rendrarendra sy fiavonavonana. Ny fahabetsahan-kanina sy ny fitiavan-daolao dia nahatonga azy rehetra ho adalam-paha- Finaretana.PM 149.2

    ‘Izao”, hoy ity mpaminay anankiray tatý aoriana, no ‘helok’ i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin’ ny zanani-vavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy. Niavonavona izy ka nanao fahavetavetana teo anatrehako ; ary nony nahita izany Aho, dia nanaisotra azy’2.PM 149.3

    Ny harena sy ny fotoana idonanaham-poana, izay tsiriritin’ ny olona fatratra, dia mahatonga azy, amin’ ny fomba moramora foana, ho latsaka ao amin’ ny fandrik’ i Satana izay feno loza sy faharatsiana. Amin’ izay. dia ho reraka ny fanahy, ho simba ny saina ary hiharatsy ny, eritreritra. Eo amin’ ny fotoana ipetrapetrahan’ ny olona foana no amelezan’ ny fanahy ratsy azy indrindra. Manptrika izy, ka vonona hanimba izay rehetra tsy miambina, sy manaiky ny rendrarendra atolony ary mamela azy hanjaka eo amin’ ny fiainany.PM 150.1

    Feno hehy sy” fialamboly, fanasana ary fisotroan-tòaka ny tanànan’ i Sodoma. Tsy nahasakana ny haratsiam-panahiny ny loza nanjo ireo olona velona talohan’ ny safo-drano ; naniratsira miharihary an’ Andriamanitra sy ny didiny izy. Ny filàn-dratsy samihafa mbamin’ ny toetra feno fanaovana an-keriny dia nihanjahanja tsy takona afenina intsony.PM 150.2

    Tamin’ ny fotoana izay nahatongavan’ i Lota honina tao an-tanàna, dia tsy mbola nanenika ny besinimaro loatra toy izany. ny haratsiana. Mbola nisy ihany, noho ny famindrampon’ Andriamanitra, tara-pahazavana nitsilo tao anatin’ izay haizim-panahy lalina izany. Abrahama dia fantatr’ olona tao an-tanàna, natao antom- pihomehezana anefa ny fahatokiany an’ Andriamanitra. Noderain’ ny olona fatratra izy tatý aoriana noho ny fahamarinan-toetra lehibe nasehony momba ny voababo, raha avy nandresy ny mpanjakan’ i Elama izy, ka nanafaka babo maro teo am-pelatanan’ ny fahavalo. Na dia tsy nanana afa-tsy tafika kely ihany aza Abrahama dia naha- vita iz.any. Maro no nidera ny talentany sy ny herimpony sady niaiky fa ny fandresena azon’ i Abrahama dia tsy avy tamin’ ny tenany ihany, fa avy tamin’ ny fanampian’ ny herin’ Andriamanitra indrindra koa. Fa atao ahoana tokoa moa no fisalasala ny amin’ ny faham- bonian’ ny fivavahana narahinyv raha mahita ny toetra soa feno fanda- van-tena nananany, izay nifanohitra indrindra tamin’ ny fahihirana lozantany nasehon’ ny mponina tao Sodoma ?PM 150.3

    Raha nitso-drano an’ i Abrahama i Melkizedeka dia nanome voninahitra an’ Andriamanitra ho toy ny, loharano nipoiran’ ny fandresena azon’ ilay patriarka. Fa hoy izy: ‘Hotahin’ Andriamanitra Avo Indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany ; arý isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tànanao !’3PM 150.4

    Mbola niteny tamin’ ny alalan’ ireo zava-niseho ireo tamin’ ny mponina tao Sodoma ny feon’ Andriamanitra. Nefa, toy ny teo aloha, dia nanosi-bohontanana ny tara-pahazavana farany nalefa ho azy izy.PM 151.1

    Tonga ny alina farany hahaveloman’ i Sodoma. Efa nihevaheva teo ambonin’ ny lohany, handefa ny alo-pahafatesana, ny rahon’ ny famaliana. Kelvisisa dia hipaika ny ora fandringanana. Na dia efa nanatona aza ny anjely mba handrava ny tanàna, ny vahoaka kosa dia mbola. variana nanenjika fahafinaretana sy lalao ihany. Eo amin’ izay niheveraný fa misy fiadanana sy famirapiratana no hahatraran’ ny fahafatesana azy. Efa nitehin-ko hariva ny andro tamin’ izay. Ny tanamasoandro efa hilentika dia nampitombo aoka izany ny hatsaran-tarehin’ ny zavaboary. Nanasa ny olona hitsangatsangana ny hatsiatsiaky ny hariva, ka indreny vahoaka marobe tsy nanao na inona na inona, no nivezivezy tetsy sy terý, nitady fahafinaretana sy lalao.PM 151.2

    Tamin’ iny harivarina iny, dia nisy vahiny roalahy nanatona ny vavahadin’ ny tanàna. Toa mpivahiny mitady trano hatoriana no fijery azy ireo. Tsy nisy nahalala akory fa izy ireo no iraka mahery tonga hampihatra ny fitsaran’ Andriamanitra. Tsy nanampo velively akory ireto vahoaka sondriana sy revom-pifaliana, fa ny fomba handraisany ireo iraky ny lanitra ireo, no hahafeno mitafotafo ny kapoaky ny faharatsianyPM 151.3

    Nisy anefa teo lehilahy tsara fanahy. Lota no anarany, izay nandray sy nampiantrano azy roalahy vahiny. Tsy nahalala azy roalahy kóa izy, fa noho ny lahaizany manaja sy noho ny fahazotoany mampiantrano vahiny. izay samy toetra tsara nampianarin’ i Abrahama azy, no nanaovany izany. Raha tsy noho izany toetra soa nahazatra azy izany, dia niara-maty tamin’ ny mponina tao Sodoma koa izy. Firifiry akory moa ny tokantrano, raha nandrindrina ny varavarany tsy hidiran’ ny vahiny, no efa nandroaka koa ny iraky ny lanitra, izay nety ho nitondra fitahiana sy fiadanana ary fanan- tenana ho azy !PM 151.4

    Ný asa rehetra, na lehibe na kely, dia mitera-bokatra na ho amin’ ny tsara, na ho amin’ ny ratsy. Ny-fanatanterahana ny adidy izay heverina ho kely sy bitika, na ny fanaovana tsinontsinona izany, dia mety hahazoan-tsoa betsaka na mety hitera-doza lehibe tokoa. Ny zava-madinika mantsy no mampiseho ny tena toetra. Ny asa kely atao isan andro amin’ ny fandavan-tena sy amin’ ny hatsaram-panahy no ahazoantsika sitraka eo anatrehan’ Andriamanitsika. Tokony tsy hivelona ho an’ ny tenantsika ihany isika, fa hivelona koa ho an’ ny hafa. Ny asa soa kely matetika, ny fitiava-namana isan’ andro, ireny sy ny toy ireny no mitondra fahasambarana ho antsika. Ny finiavana hanana izany no mahatonga ny fiainana ho feno fifaliana sy fitahiana. Ny fanaovana tsinontsinona izany kosa dia miteraka fahavoazana lehibe.PM 151.5

    Mba hiarovana ireo vahiny izay niditra tao Sodoma tsy hiharan’ ny hetraketraka samihafa, dia nampiantrano azy i Lota. Raha tazany avy teo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna izay nipetrahany izy roalahy mpivahiny, dia nihazakazaka izy nitsena azy, sady niondrika ambany dia ambany no nanao hoe: ‘Mba mivilia hianareo, tompoko, ho ato an-tranon’ ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrarao’4. Nody nandà izy roalahy ka nanao hoe: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina’. Ho fizahan-toetra ny fahatsoran’ i Lota no anton’ izany valinteny izany ; ary tsy izany ihany fa te-hiseho ho tsy mahalala na inona na inona momba ny toetran’ ny mponina tao Sodoma koa ireo vahiny: Kanjo izany dia vao mainka koa nahadodona fatratra an’ i Lota mba tsy hamela azy hianjadian’ ny ditran’ ny mponina. ‘Rehefa noteren’ i Lota fatratra izy roalahy dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony’. Lalana miolaka no nitondran’ i Lota ireo vahiny ho any an-trano, ary nanantena izy fa tsy ho hitan’ ireo olona mpipetrapetraka teo am-bavahady izany. Ny resaka sy ny fisalasalan’ ireo vahiny anefa dia nahasarika fijery maro. Koa raha tsy mbola nandry akory izy, dia avy nanodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna. Izy rehetra, na ny zatovolahy na ny lahi-antitra dia samy nentanin’ ny filàn- dratsy mahavoafady avokoa Izy roalahy dia vao avy nanontany an’ i Lota momba ny toetran’ ny mponina; mbola tsy tapitra akory ny fahazavana nataony izay nanafatrafatra ireto vahiny mba tsy hivoaboaka, dia injao re avy tao an-tokotany ny antsoantson’ ny vahoaka izay nangataka an’ i Lota mba hamoaka ny vahiny ho eo aminy.PM 152.1

    Fantatr’ i Lota tsara fa hamaky ny varavarana ireo vahoaka ireo amin’ ny farany rehefa feno fahatezerana, ka dia nivoaka izy mba hampitony azy. Mba hampangina sy mba hahamenatra azy, dia nampiasa ny teny hoe ‘rahalahy” izay mitovy hevitra amin’ ny hoe mpifanolobodirindrina i Lota: ‘Masina hianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy”. Toy ny menaka naidina teo amin’ ny afo izany teny izany. Niova ho toy ny fitrenan’ ny tafio-drivotra ny haromo- tan’ ireo mpanami-trano. Nandraliona an’ i Lota izy, ary nilaza fa hanao ratsiratsy kokoa aminy noho ny amin’ ireo vahiny ireo, sady niampanga azy ho te-hiseho ho mpitsara eo aminy. Dia nirohotra hamely azy izy ka raha tsy noho ny fiarovan’ ny anjely, dia ho voa- rasarasany teo i Lota. ‘Fa naninjitra ny tanany izy roa lahy, dia nanintoria an’ i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana’.PM 152.2

    Ny tollin’ ny tantara dia mampiseho amintsika ny toetran’ ireo vahiny nampiantranoin’ i Lota. ‘Dia nampanjambena ny mason’ ny lehilahy izay teo am-baravaran’ ny trano izy hatramin’ ny kely ka hatramin’ ny lehibe, ka dia sasa-poana nitady ny varavarana izy ireo”. Raha tsy noho izany fampanjambenana izany dia efa ho niharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra ir.eo vahoaka ratsy fanahy ireo. Tsy hoe voalohan-java-niseho izao tsy akory, saingy izao vao feno mitafotafo ny kapoaky ny faharatsiana, ka niova ho fahatezerana ny faharipon’ Andriamanitra. Efa hirehitra eo amin’ ny lohasahan’ i Sidima izao ny afon’ ny fahavinirana.PM 153.1

    Dia nasehon’ ny anjely an’ i Lota ny anton-diany ‘Ho ravanay, ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan’ i Jehovah, ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy”. Ireo vahiny nampiantranoin’ i Lota, izay nokasainy harovana, dia miaro azy izao sady vonona ny hamonjy azy sy ny fianakaviany, dia izay rehetra manaiky handositra handao ilay tanàna simba. Ny vahoaka tao an-tokotany dia sasatra ka samy nody avy, fa i Lota kosa lasa haingana mba hampandre ny zanany. Ny’teny izay efa nolazain’ ny anjely ihany no nolazainy taminy: ‘Miaingà, mialà amin’ ity tanàna ity: fa horavan’ i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon’ ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy’, ka dia nesoiny sy noheveriny ho minomino foana. Ny zananivavy, izay tsy nahita famantarana mampiseho ny fahantomoran’ ny loza, sady voataonan’ ny hevitry ny vadiny, dia natoky fa tsy hisy haninona tokoa. Niadana izy ireo ary nihevitra fa tsy ho simbàna na oviana na oviana i Sodoma tsara tarehy.PM 153.2

    Nody tamin’ alahelo i Lota ka nitantara tany an-trano ny tsy tinoan’ ny zanany ny teniny. Koa dia nilaza taminy sy tamin’ ny vadiny ary tamin’ ny zananivavy roa izay mbola niara-nitoetra taminy ny anjely mba hivoaka ny tranony ka handao ny tanàna. Nisalasala anefa i Lota. Na dia nalahelo aza izy noho ny hetraketraka hitany isan’ andro, dia tsy mbola takany tsara ny halehiben’ ny faharatsiana nanodidina azy sy ny antony tokony hamongorana izany. Tsy izany ihany. fa ny zanany roa dia nanapa-kevitra hijanona ao Sodoma. ary ny vadiny koa dia nilaza fa tsy handao ny tanàna raha tsy miara- mandositra aminy ireo zanany ireo. Tsaroany ho tena tsitoha mihitsy izany handao ireo sombin’ ny ainy malalany ireo, sy ny hiala amin’ ny fonenan-tsoany ary ny hamoy ireo harena rehetra novoriny nandritra ny taona maro las^. ka handeha handositra, tsy hitondra na inona na inona fa ho toy ny mpivahiny mandrakariva.PM 153.3

    Sanganehana sy nanjonitra ary very hevitra i Lota ka nitaredretra na dia efa nila hanindao azy mbamin’ ny ankohonany aza ny tafio- drivotra efa nananontanona. Koa dia hotantanan’ izy roalahy izy sy ny vadiny ary ,ny zanany roavavy ka notarihiny hiala tao an-tanàna. Rehefa izany, dia niverina ny anjely mba handevona an i Sodoma.PM 154.1

    Tsy nisy olo-marina folo akory àry hita tao an-tanàna sy ny vohitra manodidina rehetra. Lehilahy iray monja, noho ny fitarainan’ i Abrahama, no voaro tsy ho tratran’ ny loza, Ary nisy Anankiray nanatona, dia Ilay nifonan’ i Abrahama ho an’ i Lota. Ary hoy Izy taminy tamin’ ny feo hentitra: ‘Mandosira hamonjy ny ainao ; aza miherika hianao, na mijanona eny amin’ ny tany lemaka rehetra any an-tendrombohitra, fandrao haringana hianao”. Nety hampidi-doza tamin’ izay fotoana izay ny fisalasalana sy ny fangatahan’ andro rehetra. Fiherehana indray mandeha monja ijerena ilay tanàna voaheloka, fisalasalana kely foana alahelovàna ilay fonenan-tioa mahafinaritra, dia nety nampidi-doza an’ i Lota. Fotoana kely foana mba hahazoan’ iretsy mpandositra hamonjy ny ainy no mihazona ny fahatezeran’ Andriamanitra tsy hirehitra.PM 154.2

    Tora-kovitra sy feno tahotra i Lota. Nangataka izy mba tsy handia ny lalana tadiavina handebanany. Natahotra izy sao maty eny an-dalana. Efa nahakely hery ny finoany ny fahotana aman-kelok’ i Sodoma. Nijoro teo anilany ny Andiianan’ ny Ianitra, nefa, mbola niahanahana ny amin’ ny famonjeny sy ny fitiavany ihany izy. Tsy mba niantoraka teo amin’ Ilay Iraky ny lanitra izy, ka nanolotra tsy amin-tahotra ho Azy ny sitrapony sy ny ainy, fa mbola nampiasa ny heviny ihany.4 Fa hoy ny fiangaviany: ‘Indro’ io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely ; masina hianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va io ?), dia ho velona ny aiko”. Ny tanànan’ i Bela, izay nantsoina hoe Zoara tatý aoriana io vohitra hitany io, dia vohitra efa voaheloka toa an’ i Sodoma koa, ary niorina kilaometatra vitsivitsy monja avy teo aminy. Nefa, noho ny fitalahoan’ i Lotà, izay nilaza fa kely ihany izy, dia voaro ilay tanàna. Eny, hoy ny valinteny. ‘Indro, efa nekeko koa hianao tamin’ i/any zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io’. Akory ny porofo mahagaga mampiseho ny fangorahan’ Andriamanitra ny mpanompony izay hitany fa mátemy !PM 154.3

    Satria efa nadiva hirotsaka ny afo, dia niverina indray ny baiko. Tamin’ izay fotoana izay, ny anankiray tamin’ ireo mpandositra dia sahy niherika mba hitazana ilay tanàna voaheloka. Teo ho eo ihany dia niova ho tsangambato nampiseho ny fitsaran’ Andriamanitra izy. Tsy iza tsy akory izany fa ny vadin’ i Lota. Raha mba tsy nisalasala mantsy i Lota, raha nankatò ny baiko tsynisy fitarainana na fimeno- menonana mantsy izy, fa niroso tamin-kerimpo kosa ho any amin’ ilay havoana voatondro halehany, dia nety ho nahavonjy ny vadiny ny ohatra nasehony. Saingy ny fisalasalany dia nampihena tao am-pon’ ny vadiny ny herin’ ny antson’ Andriamanitra, ka nahatonga azy ho nikomy tamin’ ny fitsaran’ ny Tsitoha izay nanala teo anatre- hany ny zanany sy ny hareny.’ Hadinon-dravehivavy ny famindram- pon’ Andriamanitra izay niaro ny ainy, ka dia nimonomonona izy noho ny fitsarana izay nandrava ny fananany izay efa nangoniny tsikelikely. Tsy mba nandray tamim-pisaorana ny fanafahaha natolotra azy izy, fa sahy nitaky ny ain’ ireo izay efa nandà ny antson’ Andriamanitra. Izany toe-tsainy izany dia nampiseho fa tsy mendrika ny aina izay nomèna azy izy.PM 155.1

    Aoka tsy hoheverina ho zava-maivamaivana foana ny fomba samihafa atolotr’ Andriamanitra ho famonjena antsika. Misy mantsy Kristiana milaza hoe: ‘Tsy sitrako ny ho voayonjy raha tsy voa- vonjý miaraka amiko koa ny vadiko sy ny zanako’. Ireny olona ireny izay mihevitra fa tsy ho toera-pahasambarana ho azy ny lanitra raha tsy hiarahany mitoetra amin’ ny malalany, moa ve izy ireny mahatakatra tsara izay tokony havalinv noho ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra ? Moa hadinony ve fa kofehim-pitiavana sy kofehim- boninahitra ary kofehim-pahamarinana lehibe no mamatotra azy amin’ Ilay Mpamorona sy Mpanavotra azy ? Moa ve noho ixeo havantsika mandà ny fitiavan ny Mpamonjy izay ta-handray azy ireo, ary tsy izy ireo ihany fa ny olona rehetra, no mahatonga antsika hanosi-bohon-tanana Azy koa ? Na iza na iza no mahalala tsara izay efa natolotry ny-Mpamonjy mba hanavotana fanahy iray, dia tsy hanao tsinontsinona na oviana na oviana ny famindrampon’ Andriamanitra, na dia tsy heverin’ ny havana ho toa inona aza izany. Ny fanaovan’ ny hafa tsinontsinona ny fahefan’ Andriamanitra, dia vao mainka koa tokony handrisika antsika hanaja Azy, sy hampo- risika antsika hitarika izay rehetra azontsika tarihina ho amin’ ny fahasambarana mandrakizay.PM 155.2

    ‘Ary ny masoandro efa niposaka tamin’ ny tany, raha tonga tao Zoara i Lota”. Ny tarany mahafinaritra dia toa tsy nitondra afa-tsy fiadanana sy fahasambarana ho an’ ireo vohitra niorina teo amin’ ny tany lemak’ i Jordana. Indreny ny mponina fa efa mandehandeha eny an-dalambe samy mizotra amin’ ny lalany avy, handeha hamonjy na ny toeram-piasany, na ny toeram-pilalaovany. Mbola teo am-piho- mehezana an’ i Lota ny vinantony, raha nipoaka tampoka toy ny varatra latsaka avy any an-danitra ny loza nandevona ny tanàna sy ny tany manodidina. Afon-tsolifara avy tany an-danitra no toy ny orana mivatravatra nirotsaka tamin’ ny tany. Ny lapa sy ny trano fivavahana, ireo fonenan-tsoa sarobidy, ny tanimboaloboka sy ny zaridaina, mbamin’ ireo mponina marobe izay vao avy niteny ratsy ny irak’ Andriamanitra omalin’ iny, dia samy safotry ny lelafo avokoa. Ary ny setroky ny firehetany, izay niakatra ho eny amin’ ny lanitra toy ny setroky ny lafaoro lehibe, dia nanambara fa ilay lohasaha tsara tarehin’ i Sidima dia tonga efitra, ka tsy azo honenana na hamboarina intsony. Ny fahavoazany dia ho vavolombelona hanam- bara amin’ ny taranaka mifandimby rehetra ny fisian’ ny fitsaran’ Andriamanitra.PM 156.1

    Ny afo izay nandevona an’ i Sodoma sy Gomora dia toa mbola hitantsika taratra ambarak’ ankehitriny. Manambara amintsika izao zava-mahatsiravina izao izy, fa na dia mahari-po elabe amin’ ny mpanota aza Andriamanitra, dia misy mihitsy ny fetra izay tsy azo ihoarana. Raha ihoarana izany fetra izany, dia hangina ny famindram- po, fa hipaika kosa ny ora famaliana.PM 156.2

    Araka ny voalazan’ i Jesosy, dia misy fahotana ratsy lavitra noho ny fahotana vitan’ i Sodoma sy Gomora. Izay rehetra mandre ny Filazantsaran’ ny fahasoavana miantso azy ho amin’ ny fibebahana, nefa tsy miraharaha izany, hoy ny Tompo, dia meloka lavitra noho ny olona nonina tao amin’ ireo tanàna sy vohitr’ 1 Jordana. Ratsy lehibe lavitra, sady tsy azom-panafana, no vitan” ireo olona milaza azy ho mahalala an’ Andriamanitra sy mitandrina ny didiny, nefa mandà izany amin’ ny toetrany sy ny fiainany andavanandro. Ny filazalazana nataon’ i Jesosy momba ny nanjo an’ i Sodoma, dia mirakitra fampiomanana lehibe sady hentitra, tsy ho an’ izay mahavita fahotana mahavoafady ihany, fa ho an’ izay rehetra manao tsinontsinona ny antson’ Andriamanitra koa.PM 156.3

    Toy izao no hafatra nampitondrain’ Ilay Vavolomhelona maha- toky sy marina ho an’ ny fiangonan’ i Efesosy: ‘Manan-teny aminao Aho, satria fa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany hianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha ka manaova ny asa voalohany ; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao’5. Manoatra lavitra noho ny fangorahan’ ny ray na ny reny ny zanany izay very sy mahantra no fangorahan’ ny Mpamonjy ireo izay andrasany hamaly ny antsom-pitiavany sy ny famelan-keloka atolony. Amin’ ny feo feno fitarainana no ilazany amin’ ilay zanaka adala hoe: ‘Miverena amiko dia hiverina aminao Aho’6. Kanefa, raha mandà ihany tsy hihaino ny feo mamelovelo izay miantso azy ny ondry very, dia ho very any amin’ ny maizina izy amin’ ny farany. Rehefa ela ny ela, dia hihamafy ny fon’ izay mandà ny fahasoavan’ Andriamanitra, ka amin’ ny farany izy dia tsy hiraika intsony amin’ ny fitiavan’ ny Ianitra. Loza mahatsiravina no miandry izay rehetra itenenan’ ny Tompo hoe: ‘Tafaraikitra amin’ ny sampy Efraima ; aoka izy ho eo’7. Ho mora- mora kokoa ny hanjo an’ i Sodoma sy Gomora amin’ ny andro fitsarana, noho ny hanjo ireo nahalala ny fitiavan’ i Jesosy, kanefa nanakalo izany tamin’ ny fitiavam-pahafinaretana sy fahotana.PM 157.1

    He ! hianareo rehetra izay mihodina tsy hanaiky ny famindra- mpon’ Andriamanitra, moa tsy tianareo ve ny misaina ny momba ireo fiampangana anareo miavovona any an-danitra ? Tsarovy fa voasoratra any avokoa ny faharatsian’ ny olona tsirairay avy, ny fahasimban’ ny fianakaviana ary ny fahadisoan’ ny firenena. Raha mbola misokatra ny bokin’ ny lanitra dia manolotra famelana ho anareo Andriamanitra ; manasa anareo ho amin’ ny fiovam-po Izy. Eny, mahari-po aminareo Izy, nefa ho avy ny andro izay hamaranana ny fitsarana, ka izay ho anjaranareo, araka ny safidy nataonareo, dia ho voafetra mandrakizay. Dia amin’ izay vao hatomboka ny famaliana.PM 157.2

    Misy antony tokony hahataitra eo amin’ ny toetra ara-pivavahana hita eo amin’ izao tontolo izao ankehitriny. Tsiratsiraina Ilay Andria-manitra be famindrampo ; hitsakitsahina ny didin’ i Jehovah, fa ny didin’ olombelona indray no ampianarina.8 Manjaka ao amin’ ny Fiangonana maro ny tsy finoana ; tsy hoe tsy finoana izay mandà an-kitsirano ny Soratra Masina, fa tsy finoana mitafy ny lamban’ ny fivavahana kristiana, nefa manozongozona ny finoana ny Baiboly ho tsy-avy amin’ Andriamanitra. Nisolo toerana ny fitiavam-bavaka mafana ny fisehosehoana ivelany fotsiny, ka dia mandroso izay tsy izy erý, noho izany, ny fihemorana sy ny fitiavam-pahafinaretana. ‘Fa tahaka ny tamin’ ny andron’ i Lota”, hoy Jesosy, ‘... dia ho tahaka izany koa amin’ny andron vny Zanak’ olona ’9. Vavolombelon’ izany teny izany ný zava-miseho isan’ andro. Mirimorimo manatona ny toerana hahamasaka azy ho amin’ ny fandravana izao tontolo izao. Tsy ho eia intsony dia handevona ny ota sy ny mpanota ny fìtsaran’ Andriamanitra.PM 157.3

    Noho izany, dia izao no hafatry, ny Mpamonjy: ‘Ary mitan- drema, i’andrao ny fonareo hovesaran”ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’ izay rehetra mitoetra etý ambonin’ ny tany rehetra izany” dia amin’ ireo izay manana fo miraikitra amin’ ny zavatry ny tany’ ‘Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona’10. PM 158.1

    Izao no baiko nomena an’ i Lota talohan’ ny nandravana an’ Sodoma: ‘Mandosra hamonjy ny ainao; aza miherika hianao na mijanona eny amin’ ny tany lemaka rehetra ; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana hianao”. Torohevitra toy izany ihany koa no nomen’ ny Tompo ny mpianatra talohan’ ny nandravana an’ i Jerosalema: ‘Ary raha mahita an’ i Jerosalema voahodidin’ ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’ izany andro izany, aoka handositra any an-tendrombohitra’11.Araka izany baiko izany, dia tokony tsy hitaredretra hitondra na inona na inona ny mpianatra, fa hanararaotra kosa ny fotoana omena azy handosirana. Ny hiala teo amin’ ny toerana nisy azy, ny hanapaka ny firáisany amin’ ny ratsy fanahy, ka handositra hamonjy ny ainy, izany no nangatahina tamin’ i Lota sy ny fianakaviany. Izany koa no efa naseho tamin’ ny andron’ i Noa, ary mbola izany ihany -koa no hiseho amin’ ny andro farany. Fa mbola ho re indray ny feon’ Andriamanitra hanafatrafatra ny olony hiala amin’ ny faharatsian’ izao tontolo izao.PM 158.2

    Ny sarin’ ny fahasimbana sy ny fihemorana izay hiseho amin ny andro farany, dia naseho antsika ao amin’ ny bokin’ ny Apoka- lypsy, izay manambara ny fitsarana an’ i Babylona, dia ilay ‘tanàna lehibe izay manjaka amin’ ny mpanjakan’ ny tany’ Ary toy izao ny antso izay hanakoakq avy any an-danitra alohan’ ny fandri- nganana azy: ‘Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombo- nanareo ota aminy, ary mba tsy tsy hahazo anareo ny loza manjo azy’13. Tokony hiseho mihanjahanja, toy ny tamin’ ny andron’ i Noa sy Lota, ny fisarahana amin’ ny ota sy ny mpanota. Tsy misy ifandraisany Andriamanitra sy izao tontolo izao. Tsy tokony hisy fihemorana mba hahazoan-karena eto an-tany: ‘Tsy azonareo atao ny manompo an’ Andriamanitra sy Mamòna’14.PM 158.3

    Maniry fiadanana sy fahasambarana, toy ireo mponina nonina tao amin’ ny tany lemak’ i Sidima fahizay, izao tòntolo izao ‘Mandosira hamonjy ny ainao’, hoy ny anjely amintsika. Misy anefa feo milaza’hoe: ‘Aza taitra ; tsy misy tokony hampitebiteby akory ’. Vahoaka marobe no indray milaza hoe: ‘Miadana sy mandry fahizay !” Ny Ianitra anefa manambara fa ‘fandringanana tampoka no hanjo ny mpanota”. Tamin’ iny alina nialoha ny nandringanana azy iny, dia samy naneso ny hafatra nentin’ ny iraky ny Ianitra ireo mponina tao an-tanànan’ i Sodoma, izay samy variana tao amin’ ny rivotry ny fahafinaretana. Iny alina iny ihany koa anefa no nikatonan’ ny varavaran’ ny famindrampo tamin’ ny mponin’ ireo tanàna simba sy midonana-poana. Andriamanitra tsy azo vazivazina. ‘Indro, avy ny andron’ i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ ný fahatezerana, hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao’15. Ho maro ny olona izay handà ny famindrampon’ Andriamanitra, ka hiharan’ ny fandringanana tampoka sy tsy azo idifiana. Fa izay rehetra mihaino ny fananarana kosa dia ‘honina eo amin’ ny fitoerana avo” sy ‘hialoka eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha’. ‘Ny fahamarinany no ho ampinga fiarovana azy”. Ho azy ireo no nanaovana “ilay teny fikasana hoe: ‘Hovokisako fahela-velona izy, ary hasehoko azy ny famonjeko’16.PM 159.1

    Fotoana kely foana no nitoeran i Lota tao Zoara. Nanjaka tao koa ny fomba amam-panaon’ i Sodoma. Nialany izany vohitra izany fa sao dia hiharan-doza izy. Kelikely foana taorian’ izay tokoa, dia noravan’ i Jehovah ilay tanàna. Dia lasa nandositra tany an-tendrombohitra i Lota ka nahita zohy nialofana tany. Tarty dia tsy mba nisy fanaka sarobidy, toy ireo izay efa nanaovany mosalahy ny ankohonany. ka nitondrany azy nivelona tao afovoan’ ny tanàna efa simba. Hita teo amin’ ny fiainan’ ny zanany vavy, fa jamba loatra izy ireo, ka tsy nahay nanavaka ny tsara sy ny ratsy intsony. Avy tamin’ ny taranak’ i Lota no niavian’ ireo firenena roa mpanompo sampy, dia ny Moabita sy ny Amonita, izay samy nanao tsinontsinona ny didin’ Andriamanitra sy nankahala indrindra ny vahoakany, ambara-pahatongan’ izy rehetra ho levon’ ny fitsaran’ Andriamanitra.PM 159.2

    Akory ny fahasamihafan’ ny fiainan’ i Abrahama sy ny fiainan’ i Lota ! Fahiny dia samy mpivahiny nifindrafindra monina izy roalahy ; samy niara-nanompo an’ Andriamanitra teo am-pototry ny alitara iray ihany izy. Fa ankehitriny kosa ! i Lota dia efa nifidy honina tany Sodoma, mba hahazoany mifaly amin’ ny firavoravoana sy ny tombon-tsoa samihafa rehetra tao. Raha nandao an’ i Abrahama sy ny fanatitra fanao ho an’ Andriamanitra velona isan’ andro izy, dia namela ny zanany hitombo teo afovoan’ ny vahoaka ratsy fanahy sy mpanompo sampy. Marina fa mbola notehiriziny tao am-pony ihany ny fahatahorana an’ i Jehovah, nefa, izany tsy nahasakana azy tsy ho ‘ory dia ory noho ny fijejojejoan’ ny olona ratsy fanahy’. ‘Fa Lota marina.. raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan-andro isan-andro noho ny fahitany sy ny fandrenesany ny fandikan’ ireo ny lalàna’17. ‘Toy ny forohana nosarihana tamin’ ny afo’18 i Lota, ka tsy nanana intsony na ny hareny, na ny vadiny, na ny zanany. Izany no voka-dratsy nateraky ny lalan-diso nalehany. Sady feno henatra sy trotraky ny fahante- rana izy, no voatery honina an-davabato toy ny bibi-dia.PM 160.1

    ‘Aza manasa-tena hanan-karena”, hoy Solomona. ‘Aza entina amin’ izany ny fahendrenao”. ‘Izay fatra-pila harena dia mampidi- doza amin’ ny ankohonany, fa izay mankahala kolikoly no ho velona ’. Toy izao no anampin’ ny apostoly Paoly izany teny izany:PM 160.2

    ‘Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ ny fandringanana sy ny fahave- rezana’19.PM 160.3

    Raha tonga tao Sodoma i Lota mba honina tao, dia nanapa- J kevitra mafy mihitsy izy fa hiaro ny ankohonany tsy ho tratran’ ny toetra ratsin’ ny mponina. Tsy nahomby velively anefa izy tamin’ izany fikasany izany. Na dia ny tenany aza, dia tsy voarony tanteraka tsy ho tratran’ ny fahasimbana izay nanodidina azy. Tsy izany ihany, fa ny fifaneraseran’ ny zanany tainin’ ny mponina tao Sodoma, dia nahatonga azy ireny, na tiany, na tsy tiany, hifankahazo tamin’ ny olona nifankazarany. Miharihary eo anatrehantsika ny vokatr’ izany fahadisoana izany.PM 160.4

    Maro ny olona no latsaka amin’ ny hevi-diso toy izany koa. Izay tombon-tsoa ara-nofo ihany no heveriny, raha mifidy izay ho fonenany izy, fa tsy mba izay toetra amam-panaon’ ireo hiarahany monina. Toerana mahafinaritra sy mahavokatra na tanàn-dehibe feno fandrosoana, izay mety hampanan-karena azy no tiany. Ireny fonenana ireny anefa dia sady mitahiry fakam-panahy maro ho an’ ny zanany, no mahatonga azy ireo hanana firaisana izay mifa- nohitra amin’ ny fitiavam-bavaka sy amin’ ny toetra kristiana. Ny fiainana feno toetra tsy maotina sy tsy finoana ary tsy firaihana momba ny fivavahana, izay manodidina ny zaza, dia hanatsatso ny herin’ ny fitiavam-bavaka hitany ao amin’ ny ankohonany. Ohatra ratsy mampiseho fikomiana amin’ ny fahefan’ ny ray aman-dreny, na ny fahefan’ Andriamanitra no atrehiny isan’ andro, ka ho maro amin’ izy ireny n0 hiray amin’ ny tsy mpino sy ny ratsy fanahy, ary hiandany ho isan’ ny fahavalon’ ny finoana.PM 161.1

    Rehefa hifidy izay toerana honenany ny zanak’ Andriamanitra, dia irin’ Andriamanitra indrindra, raha toerana mety hahazoany herim-panahy ho azy sy ho an’ ny zanany no hofidiny. Marina fa mety tsy ho azo atao ny mifantina izay ho mpifanolobodirindrina amin’ ny tena ; mety hahavery hevitra antsika izany indraindray. Kanefa na aiza na aiza no iantsoan’ ny adidy antsika, raha miambina sy mivavaka isika, ka mametraka ny fitokisantsika eo amin’ ny fahasoavan’ ny Tompo, dia tsarovy fa Izy no hiaro antsika. Aoka anefa isika mba tsy hametrapetra-poana tsy misy antony ny fiainan- tsika ho tratran’ ireo hery manimba ny fiainana kristiana. Raha miorim-ponenana an-tsitrapo eo afovoan’ ny toerana feno tsy finoana sy fanaon’ izao tontolo izao isika, dia mety tsy ho faly amintsika Andriamanitra, ka hampiala ny iraky ny lanitra tsy ho ao an-tokantranontsika Izy.PM 161.2

    Na iza na iza maniry tombon-tsoa sy harena ary voninahitra ho an ny zanany, na dia mety hahavery ny lova mandrakizay ho an’ ny sombin’ ny ainy aza izany. dia ho diso fanantenana. Ho maro no hanao toa an’ i Lota, ka hahita ny fahaverezan’ ny zanany, rehefa saika very koa ny fanahiny. Ho very maina ny asa nataony tamin’ ny fiainany, ary hiafara amin’ ny fahaverezam-pananana izany. Fa raha apetrany eo ambanin’ ny fitarihan’ Ilay tena fahendrena kosa ny zanany, na dia mety tsy hanan-karena be aza izy eto amin’ izao fiainana izao, dia hahazo anjara lova any amin’ ny fiainana mandrakizay.PM 161.3

    Ny valisoa nampanantenain’ Andriamanitra ny vahoakany dia tsy eto amin’ izao tontolo izao. Tsy mba nanana na inona na inona teto Abrahama, ‘na dia eram-paladia akory aza’ Nanan-karembe izy ary nampiasa izany hareny izany ho fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra sy ho fanasoavana ny namany. Fa tsy mba nohe- veriny ho toy ny tanindrazany ity tany ity. Andriamanitra no efa niantso azy handao ireo mpiray tanàna taminy, izay samy mpanompo sampy, ary nampanantena azy ny tany Kanana ho lovany mandrakizay. Na ny tenany anefa, na ny zanany, na ny zafiny, dia samy tsy nisy nahita ny fahatanterahan’ izany teny fikasana izany. Rehefa nàndevina ny vadiny izy, dia voatery nividy fasana tamin’ ny Kananita tompon-tany. Ilay zohy fandevenana tao Makpela no hany mba fananany teo amin’ ilay tany nampanantenaina.PM 162.1

    Izany rehetra izany dia tsy manambara fa tsy tanteraka ny tenin’ Andriamanitra. Na ny fahazoan’ ny vahoaka Jiosy ny tany Kanana aza dia tsy mbola tena fahatanterahany. ‘Fa tamin’ i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana’21. Fa Abrahama koa dia anisan’ izay nanantena izany lova izany. ‘Ny indray andro amin’ ny Tompo anefa, dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro’22, ka toa mitaredretra ela ny fahatanterahan’ ny teny fikasana. ‘Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ ny fotoan’ andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso’23. Ary afa-tsy izany, ny fanomezana nampanantenaina an’ i Abrahama sy ny taranany dia tsy ny tany Palestina ihany, fa izao tontolo izao mihitsy. Ny apostoly dia nanambara ‘fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin’ ny finoana’ no nahazoan’ i Abrahama sy ny taranany ny teny i fikasana ho mpandova izao tontolo izao’24. Ambaran’ ny Baiboly mazava tsara koa fa ny teny fikasana natao tamin’ i Abrahama, dia ho tanteraka amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy. Izay rehetra ao amin’ i Jesosy Kristy ‘ dia taranak’ i Abrahama sy mpandova araky ny teny fikasana’ sy mpiray lova amin’ ilay ‘lova tsy mety simba. tsy misy loto, tsy mety levona’25; dia ity tanintsika ity izay ho voadio ka ho afaka amin’ ny ozon’ ny fahotana. ‘Fa ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ ny fanjakana eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy”. ‘Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ ny haben’ ny fiadanana’26.PM 162.2

    Raha navela hitsinjo izany lovabe izany Abrahama, dia nifaly tamin’ ny fanantcnana izy. ‘ Finoana no nivahiniany tany amin’ ny tany nolazain’ ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’ olona mitoetra an-day, mbamin’ Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy. Fa nanantena hahazo ny tanàna misy fano- renana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany”. ‘Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana ; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetý ambonin’ ny tany izy’27.PM 163.1

    Raha mba tiantsika ny hahazo ‘ny tsara lavitra’, izany hoe ‘ny any an-danitra”, dia tokony hivelona toy ny vahiny sy mpivahiny koa isika etý an-tany.PM 163.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents