Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Jakoba sy Esao

    Nanan-toetra samihafa na teo amin’ ny fanaony. na teo amin’ ny fiainany Jakoba sy Esao, zanaka kamban’ Isaka sy Rebeka. Izany fahasamihafana izany dia efa nisy talohan’ ny nahaterahany, dia arak’ izay voalazan’ ny anjely tamin-dray aman-dreniny. Noho ny fangatahana feno tebiteby nataon-dRebeka, dia nilazana izy fa hiteraka kambana roa lahy, izay ho razan’ ny firenena roa lehibe ; ny zandriny anefa no hahery kokoa noho ny zokiny.PM 173.1

    Nitombo teo amin’ ny fitiavana fahafinaretana feno fitiavan- tena Esao, sady variana tamin’ ny zavatry ny tany. Nanao izay danin’ ny kibony izy, faly mikarenjy, tia ny mihaza, ka dia tonga mpihaza izy. Izy no zanaka tian’ ny rainy. Isaka rainy mantsy dia mpiandry ondry bonaika sy tia fihavanana ka finaritra erý raha nahita azy feno hery sy fahasahiana, mitety havoana sy saha, mitondra ho azy ny hazany sy mitantara aminy ny zava-manaitra samihafa nataony.PM 173.2

    Jakoba kosa dia olona be eritreritra, malina nefa kinga, mpitsinjo ny ho avy, tia ny mipetraka an-tokantrano, tia ny mikarakara andian’ ondry sy mamboly. Ny fahaizany, ny fitandremany, ny sainy tia fitsitsiana, dia nahatonga azy ho tian’ ny reniny. izay nankaty tokoa ny fahamaiinany sy ny fitiavany lalina sy mamy, izay nifanohitra indrindra tamin’ ny fanafosafoana mahery setra fanaon’ i Esao.PM 173.3

    Ny teny fikasana nomena an’ i Abrahama sy nohamafisina tamin- janany dia zava-dehibe indrindra teo imason’ Isaka sy Rebeka izay nanao izany ho fototry ny fanantenany sy ny faniriany. Nampaha- lalaina an’ i Esao sy Jakoba izany teny fikasana izany. Ny fizokiana dia naseho azy roa lahy ho toy ny anjara sarobidy izay manome tsy ny harena ara-nofo ihany, fa ny fahamboniana ara-panahy koa. Izay hanana izany dia ho tonga mpisoron’ ny fianakaviany sy ho razan’ Ilay Mpamonjy nampanantenaina. Ny fananana izany fizo kiana izany anefa dia miteraka adidy koa. Izay ho zokiny dia hanokana ny fiainany ho amin’ ny asan’ Andriamanitra: hanaiky ny baikon’ i Jehovah toa an’ i Abrahama ka hanaraka ny toro-heviny, ha ny ‘memba ny fanambadiana izany, na ny momba ny fiainany ao an-tokan trano sy ny fifaneraserany amin’ ny olona.PM 173.4

    Raha nilazalaza ireo tombontsoa sy fepetra ireo Isaka, dia nanambara fa Esao, noho ny maha-zoky azy, no hanana ny fizokiana. Esao anefa dia tsy nanana, na ny fitiavam-bavaka. na ny fironana ho tia fiainana ara-panahy. Ny fepetra rehetra momba ny fizokiana dia noheverin’ i Esao ho fanelingelenana manorisory sy mahasosotra. Ny didin’ Andriamanitra izay fototry ny fifaneken’ i Abrahama sy Andriamanitra, dia toy ny zioga navesatra taminy. Ary rehefa tapa-kevitra izy ta hanaraka izay tiany sy hivelona araka ny sitrapony, dia izay hahazoana harena sy hahatonga ny tenany ho mahery no nataony ho antom-pahasambarana ; koa nifaly tamin’ ny fanaovana fanasana sy ny fanenjehana fahafinaretana izy. Taminy dia tsy misy toy ny fiainana miliba sy mikarenjy.PM 174.1

    Rebeka kosa, izay nahatsiaro ny tenin’ ny anjely, dia nandinika ny toe-javatra tamim-pieritreretana lalina kokoa noho ny vadiny ; ninoany fa ireo lova hita ao amin’ ny teny fikasana dia ho an’ i Jakoba. Na dia namerimberina matetika tamin” Isaka ny tenin’ ny anjely aza izy,t dia tsy neken’ Isaka mihitsy izany noho ny fitiavany ilay lahimatòany.PM 174.2

    Nahalala Jakoba, noho ny fampianaran-dreniny, fa ny lanitra dia efa nanendry azy hanana ny fizokiana ; koa dia naniry indrindra izy hahazo ny soa tsy tambo ho tononina aterak.’ izany. Tsy dia.- ny- harena ara-nofo loatra tsy akory no niriný, fa ny harena ‘ar’í- panahy, dia ny firaisana amin” Andriamanitra, toy izay efa nánanan’ i [ Abrahama ilay marina, ny hanolotra fanati-panavotana amin’ ny anaran” ny ankohonany, ny ho tonga razamben’ Ilay Mesia nampanantenaina, ny hahazo ilay lova sarobidy maharitra mandrakizay ; izany hoe raha atao bango tokana, dia ny mba hananany ny tombon- tsoa sy ny voninahitra hita eo amin’ ny firaisana amin’ Andriamanitra. Feno faniriana ny fony rehefa mandre ny rainy milaza ny tombontsoan’ ny fizokiana izy. Izay rehetra nolazain-dreniny azy dia notehiriziny tsara tao am-pony. Namabo ny sainy amam-panahiny andro aman’ alina ny fieritreretana izany ka nanjary fara-tampony tamin’ ny faniriany. Na dia nihevitra ny harena mandrakizay ho mihoatra noho ny haren’ ny tany aza izy. dia tsy mbola nanana fahalalana voatsapa momba Ilay Andriamanitra izay nohajainy; mbola tsy voaovan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ny fony. Natahotra izy fa sao tsy tanteraka aminy ny teny fikasana raha mbola Esao ihany no manana ny fizokiana, koa dia nikaroka hevitra izy haka izany tombontsoa izany izay notsiriritiny, tombontsoa izay tsy noheverin’ ny rahalahiny ho inona loatra.PM 174.3

    Indray andro, raha niverina avy nihaza Esao, trotraky ny havi- zanana, dia nahita an’ i Jakoba variana nanamboatra sakafo izy ka nangataka taminy mba hahazo avy amin’ izany sakafo izany. Tsy afaka tao am-pon’ i Jakoba ny eritreritra momba ny fizokiana, ka nohararaotiny ilay fangatahan’ i Esao mba hahazoany izany. ‘Indro ho faty ihany aho”, hoy ilay mpihaza mpanao tsinontsinona sy mpanaram-po, ‘ka mahasoa inona izay fizokiana’1. Fotoana kely foana dia ampy mba hanamboarany sakafo ho azy ao an-dain” ny rainy. Sakafo iray vilia monja dia nanakalozany ny fizokiany ; nohamafisiny tamin’ ny fiozonana izany hadalany izany. Mba haha- tony vetivety ny faniriany, dia nataony tsinontsinona ny lova be voninahitra izay efa nampanantenain’ Andriamanitra ny razany. Ny zavatry ny lanitra dia natakalony ny zavatry ny tany, ary ny harena mateza dia nosoloany fahafinaretana vetivety. Izany dia nampiseho fa ny anio ihany no ambony indrindra taminy.PM 175.1

    Dia toy ‘izany no nanamavoan’ i Esao ny fizokiany’1. Toa nahatsiaro maivamaivana aza izy rehefa tsy nanana izany anjara sarobidy izany intsony. Malalaka izao ny lalana eo anoloany, koa afaka hanao izay rehetra tiany hatao izy. Firifiry akory moa ny olona ankehitriny, izay maniry hahazo fifaliana adala izay lazainy hoe fahafahana, no manao tsinontsinona ny fahefany hanana amin’ ilay lova ‘tsy misy pentina, na loto. na fiketronana izay omanina ho azy ireo any an-danitra ! ’PM 175.2

    Jamba sy voababon’ ny zavatry ny tany loatra Esao, ka lasa naka vehivavy Hetita roa izy ho vadiny. dia vehivavy izay nampahory indrindra an’ Isaka sy Rebeka noho ny fanompoan-tsampiny. Izany nataon’ i Esao izany dia fandikana an-karihary ny fepetra momba ilay fifanekena izay nandrara ny fanambadiana amin’ ny olon’ Andriamanitra sy ny jentilisa. Kanefa, na dia izany aza, dia tsy nisy nampiova ny fikasan’ Isaka ny hanome ilay lahimatoany ny tombontsoa rehetra momba ny fizokiana, ny hevitra nasehon-dRebeka, na ny faniriana niredareda nananan’ i Jakoba, na ny tsy firaihana nahariharin’ i Esao. (1) Gen. 25: 32-34PM 175.3

    Lasa ny fotoana. Efa antitra sy jamba Isaka ; toa nanandindona azy ny fahafatesana ka dia nanapa-kevitra izy hitsodrano ilay zanaka tiany. Noho ny fanoheran’ i Rebeka sy Jakoba anefa, dia nihevitra hanao izany raharaha lehibe sy masina izany mangingina izy, eo amin’ ny fanasana anankiray araka ny fomba fanao. Koa dia nanome baiko an’ i Esao ilay patriarka ka nanao hoe: ‘Masina hianao, alao ny fitifiranao ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho ; ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atý amiko hohaniko, mba hitsofan’ ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho’2.PM 176.1

    Voavinanin-dRebeka ny hevitry ny vadiny, ary nino izy fa mifa- nohitra amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra izany ; izao fikendren’ Isaka haka ny voninahitra anjaran’ i Jakoba izao dia mety tsy haha- faly ny lanitra aminy. Tsy nisy vokany teo anatrehan’ Isaka anefa ny hevitra rehetra nasehony azy, ka dia nanapa-kevitra izy fa hampiasa hafetsena.PM 176.2

    Raha vao lasa nihaza Esao. dia nanomboka nihevitra izay hahatanteraka ny fikasany Rebeka. Nitantara tamin’ i Jakoba ny toe-javatra rehetra izy sady nandodona azy tsy hitaredretra intsony fa sao tratra aoriana loatra. Nambarany azy fa raha vonona hanaraka ny toro- heviny izy dia hahazo ny fitahian’ ny teny fikasan’ Andriamanitra. Tsy nanaiky avy hatrany ny hevitry ny reniny Jakoba. Nampahory ny eritreriny izany hoe hamitaka an-drainy. Hiteraka ozona izany, hoy izy, fa tsy fitahiana. Nony kelikely anefa, rehefa nangina izany eritreriny izany, diananaiky ny torohevitry ny reniny izy. Tamin’ ny voalohany dia tsy nanan-kevitra loatra ny hampiasa lainga izy, nefa nony tonga teo anatrehan-drainy izy, dia tsy azony natao intsony ny nihemotra, ka dia nahazo ilay zava-niriny fatratra tamin’ ny alalan’ny lainga izy.PM 176.3

    Nahomby ny tetik’ i Rebeka sy Jakoba. Ny fitaka nampiasainy anefa dia hiteraka alahelo mafy sy fangirifiriana ho azy. Efa nilaza Andriamanitra fa Jakoba no hanana ny tombontsoan’ ny fizokiana. Raha mba nahay niandry tamim-pinoana mantsy izy mianaka, ka namela an’ Andriamanitra hiasa ho azy, dia ho tanteraka tamin’ ny fotoany ihany ny teny fikasana ! Tsy izany no nataony, fa nanao toy ny olona maro mihevi-tena ho kristiana ankehitriny izy, izay tsy manaiky hametraka ny avatra rehetra eo am-peatanan’ Andriamanitra. Nanenina mafy noho ny torohevitra ratsy nomeny an-janany Rebeka; voatery nisaraka taminy izy ka tsy tafahaona taminy intsony. Eny, tsy nahita ny salovan-tavan-jananv intsony izy, dia ny salovan-tavan’ i Jakoba izay nokekerin’ ny nenina toa azy ihany koa. Nanota tamin’ ny rahalahiny sy tamin-drainy sy tamin’ ny tanahiny ary tamin’ Andriamanitra Jakoba. Ora iray monja no nahatonga azy hanana fiainana feno nenina, izay tsaroany ho mafy tokoa teo amin’ ny taona faramparan’ ny fiainany, raha nahita ny faha- ratsiam-pitondrantenan’ ny zanany izy.PM 176.4

    Raha vao tafavoaka avy tao an-dain’ ny rainy Jakoba, dia tonga kosa Esao avy nihaza. Na dia efa nofoanany tsy ho azy intsony aza ny fizokiana izay efa namidiny tamin’ ny fianianana, dia vonona indray izy izao haka ny tsombontsoan’ izany, na manao ahoana na manao ahoana hevitry ny rahalahiny. Ny tombontsoan’ ny fizokiana mantsy dia tsy tombontsoa ara-panahy fotsiny, fa tombontsoa ara-nofo koa, toy ny fahalehibeazanai sy ny fananana anjara roa heny eo amin’ ny lova apetraky ny ray ; ireto farany ireto indrindra no nokendren’ i Esao tamin’ izao indray mandeha izao; ‘Aoka hiarina ny raiko, hoy izy, ka hihinana amin’ ny hazan’ ny zanany, mba hitsofan’ ny fanahinao rano ahy’.PM 177.1

    Sady gaga no taitra no tora-kovitra ilay patriarka antitra rehefa nahalala ny fitaka nahazo azy. Ilay fikasany hatry ny ela dia indro ankehitriny fa levona: niarak’ ory tamin-janany lahimatoa izy noho ny fahadisoam-panantenana nahazo azy. Nefa, tampotampoka foana, dia tonga tao aminy ny finoana fa Andriamanitra mihitsy ny nandrava ny faniriany sy namela ho tanteraka kosa ilay zavatra nolaviny tsy ho tanteraka hatry ny ela. Tsaroany ny tenin’ ny anjely tamin- dRebeka, ka na dia meloka aza Jakoba noho ny fahadisoany, dia nekeny fa izy tokoa no mendrika hanatanteraka ny fikasan’ Andriamanitra. Moa tsy tsaroany tokoa va ny herin’ ny Fanahin’ Andriamanitra raha nitsodrano an’ i Jakoba izy ? Noho izany rehetra izany, dia nohamafisiny ny fitahiana rehetra izay notononiny tamin’ ny tsy fahafantarana ho an’ i Jakoba: ‘Efa notsofiko rano izy. eny, hotahina tokoa izy’3.PM 177.2

    Nihevitra ny tsodrano ho akaiky azy loatra Esao ka tsy niraharaha izany. Izao anefa. rehefa tsinjony fa tsy ho azony intsony izany. dia’ niriny fatratra indrindra. Nidradradradran- alahelo nifangaro hatezerana izy ka nanao hoe: ‘Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa. ry ikaky ò ! Tsy mba nitahiry tsodrano ho ahy va hianao ?” Indrisy anefa, tsy azo tsoahina intsony ny teny fikasana nomena ! Ny fizokiana izay nariany tamim-pahadalana dia tsy ho azony intsony. Sakafo iray vilia nahazoany fahafaham-po vetivety, naha- tonv ny faniriany tsy voafehy, izany no nahavery ny anjara lovan’ i Esao. Ankehitriny. tsaroany tsara ny fahadalany. nefa diso aoriana loatra. Fa ‘raha ta-handova ny fitahiana izy. dia nolavina ; fa tsy nahita izay hibebahana izy. na dia nitady fatratra tamin’ ny rano- maso aza’4. Tsy nariana tsy hahazo ny fahasoavan’ Andriamanitra tsy akory Esao, dia ilay fahasoavana tsy azo raha tsy amin’ ny fiovam-po. Ny fizokiany anefa dia tsy ho azony intsony. Ary afa-tsy izany. dia tsy nanam-paniriana ny hihavana tamin’ Andriamanitra izy. Ny alahelony dia tsy noho ny fahatsiarovany ny fahotany fa noho ny vokatra naterak’ izany.PM 178.1

    Esao, izay antsoin’ ny Soratra Masina hoe ‘tsy manaja ny masina’5, dia tandindon’ ny olona izay manao tsinontsinona ny fanavotana azo avy amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, ka mampan- defitra ny lova any an-danitra mba hahazoany ny haren’ ny tany izay mandalo. Maro ny olona izay tsy mikendry afa-tsy ny anio fotsiny ka tsy mandefa ny sainy hieritreritra ny ho avy. Miteny toa an’ i Esao izy ireo manao hoe: ‘ Aoka isika hihinana sy hisotro fa rahumpitso dia ho faty’6. Ka ny faniriany ihany nomitarika azy ; aleony tsy hahazo ny fiainana mandrakizay toy izay hampandefitra kely ny filàny. Ny fahafaham-pon’ ny nofo no fidiny fa tsy ny fifalian’ ny Ianitra, ka ataony tsinontsinona Andriamanitra sy ny mandrakizay. Na dia amin’ ireo izay mihambo ho kristiana aza, firifiry akory moa no mifikitra amin’ ny fahafinaretana izay manimba fahasalamana sy mamono ny eritreritra tsara ! Maro aza no mahatsiaro tafintohina rehefa aseho azy ny ilàny fanadiovana ho afaka amin’ ny fahalotoan’ ny nofo sy ny fahalotoan’ ny fanahy rehetra, sy ny tokony hitadiavany ny faha- masinana amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra. Rehefa tsinjon’ izy ireny, fa tsy azony atao ny sady hanana ny fifaliana mampidi-doza no hizotra ho any an-danitra, dia velon-taraina erý izy ka milaza fa tery loatra ny lalana mankany amin’ ny fiainana lA aleony tsy handia izany.PM 178.2

    Dia toy izany no anakalozan’ ny maro ny fizokiany amin’ ny fifaliana maharenoka. Ataony sorona ny fahasalamany, mihamihena ny herin-tsainy, ary na dia ny lanitra aza dia afoiny noho ny fitiavany fifaliana sy fahafinaretana manimba sy mahadala izay manome azy fahafaham-po vetivety monja. Diso aoriana loatra ny fifohazan’ i Esao mba hanisy fanafody ny varo-dratsy nataony. Ho toy izany koa no hahazo olona marobe amin’ ny andron’ Andriamanitra, dia ireo izay efa nandà ny fahefany maha-olon’ ilay tany tsara lavitra azy, ka nifidy ny fahafinaretana ara-nofo fotsiny.PM 179.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents