Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Josefa sy ny rahalahiny

    Raha vao nanomboka ny taom-pahavokarana, dia nanomboka koa ny fikarakarana izay hoenti-miady amin’ ny mosary. Araka ny baikon’ i Josefa no nanorenana trano fitehirizana makadiry teny amin’ ny tanàna lehibe rehetra nanerana an7 i Egypta. Nony tonga ny faran’ ny taona mahavokatra, dia be mihoatra noho izay nampoi- zina ny vary tahiry. Ary araka ny voalazan’ i Josefa dia niandoha ny taona fito mosarena. ‘ Ary nisy mosary tany amin’ ny tany rehetra; nefa eran’ ny tany Egypta rehetra, dia mbola nisy hanina ihany. Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin’ i Farao ny olona ; ary hoy Farao tamin’ ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin’ i Josefa ; ary izay holazainy aminareo dia ataovy. Ary ny mosary dia tany amin’ ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin’ ny Egyptiana ’1.PM 219.1

    Tonga hatrany amin’ ny tany Kanana ny mosary, ka mafy ny nanjo ny olona teo amin’ ilay toerana nonenan’ i Jakoba. Rehefa nahare fa misy hanina be any Egypta, notehirizin’ i Farao, dia niainga ny folo lahy, zanaky ny patriarka, mba hividy vary any. Nony tonga tany izy ireo, dia naseho teo anatrehan’ ny praiministra. ‘Ary fantatr’ i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafan- tatra azy’J. Fa Josefa, araka ny fangatahan’ i Farao, dia efa niova anarana, sady tsy nisy fitoviana velively tamin’ izao izy efa tonga solo-mpanjakan’ i Egypta izao sy fony izy tovolahy namidy ho andevo tamin’ ny Ismaelita fahizay.PM 219.2

    Rehefa niseho teo aminy izy folo mirahalahy. dia ‘niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany”. Raha nahita izany i Josefa, dia ‘nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy”, sady nahatadidy ny toe- javatra rehetra efa lasa. Raha nandinidinika azy foio lahy izy, ka nahita fa tsy niaraka taminy i Benjamina, dia iasa erý ny eritreriny. Lasa ny eritreriny sao dia- niharan-doza vokatry ny fialonan’ iretsy zokiny koa ilay zandriny kely. Tapa-kevitra izy fa hanao izay haha- lalany ny tena marina. Nitrerona azy folo lahy mafy izy ka nanao hoe: ‘Mpisafo hianareo-: hizaha ny fangadihadin’ ny tany no naha- tongavanareo’. ‘Tsia, tompokolahy’, hoy ny navalin’ izy ireo, ‘fa tonga hividy hanina ny mpanomponao. Zanaky ny lehilaly iray ihany izahay rehetra , olo-marina izahay. fa tsy mpisafo tsy akory ny mpanomponao’. Mety ho diso izany filazany izany, ka hoy indray i Josefa: ‘Tsia, fa hiz, ha ny fangadihadin’ ny. tany no naha- tofigavanareo’. Fa hoy indray neo taminy: ‘Roa ambin’ ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zahoky ny lehilahy iray ihany any amin’ ny tany Kanana ; ary. indro ny faralahy dia any amin’ ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony ’.PM 220.1

    Nody tsy nahalala ny fahamarinan- izany voalaza izany ilay governora, ka nanambara tamin’ izy ireo mba haoetra tany Egypta fa handefa solon-tena iray kosa haka izay zandriny. Raha tsy manaiky izany izy ireo, dia heverina ho toy ny mpisafo tany. Dia niteny ny zanak’ i Jakoba ka nanambara fa tsy afaka hana’ky izany hevitra izany, satria, ho fatin” ny hanoanana ny fianakaviany raha mijanona any Egypta izy. Ary zovy aminy moa no sahy hivenna irery ka hamela ny hafa ho mpifatotra any an-tranomaizina 0 Ary ataon’ izay miverina ahoana no hiseho irery eo anatrehan’ ny rainy ? Ary raha ohatra aza ka ho tonga any Egypta koa i Benjamina. moa tsy ho tonga mpifatotra toa azy ireo koa va izy ? Tsy isalasalana, hoy izy ireo anakampo, fa hovonoina isika na hamidy ho andevo ; koa dia nanapa- kevitra izy rehetra fa hijanona ka hiara-milanja izay mety hiseho, toy izay ny hampitombo ny fahorian-drainy noho ny fahafatesan’ ilay hany sisa zanany tavela any aminy. Dia samy nampidirina an-tranomaizina izy folo lahy ary nitoetra tao nandritra ny telo andro.PM 220.2

    Hatramin’ izay taona maro nivarotany an’ i Josefa izay, dia nisy fiovana tokoa ny toetran’ ny zanak- i Jakoba. Fahiny izy ireo dia be fialonana, mpanao an-keriny. loza be, mpamaly faty ; ny fahoriana anefa dia nahatonga azy ho tsara fanahy amin’ ny nam^ny, mpandá-tena ho an ny hafa, tia an-drainy ; ary na dia efa samy zoki-olona avokoa aza izy, dia nahay nankatò tsara ny baikon-drainy.PM 220.3

    Ny telo andro nitoerany tao an-tranomaizina egyptiana, dia nahazoany nieritreritra lalina ny amin’ ny fiainany tsirairay avy isam-batan’ olona, ary izany, dia nahatonga nenina mafy tao anatiny. Tsy nihazona azy nihoatra noho ny telo andro Josefa, satria sao mijaly noho ny mosary ny rainy sy ny fianakaviany tsirairay avy. Koa dia nampiantsoiny izy rehetra ka nilazanv hoe: ‘ Izao no átaovy, dia ho velona hjanareo ; fa izaho matahotra an’ Andriamanitra: Raha olo-marina ary hianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy no hafatotra ao amin’ ný tranomaizina nitoeranareo ; ary mandehana hianareo hitondra vary noho ny mosary any amin’ ny tranonareo ; ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankatý amiko ; dia ho hita fa marina ny teninareo. ary tsy hovonoina hianareo”. Dia neken’ izy rehetra izany hevitra izany, nefa, isy nisy nanantena izy fa heken’ ny rainy ny hisaraka amin’ i Benjamina.PM 221.1

    Niteny taminy tamin’ ny alalan’ ny mpandika teny i Josefa. Izy rehetra -dia tsy nisy nanam-po hoe azon’ i Josefa ny teniny, ka samy nifanome tsiny noho ny amin’ ny ratsy efa nataony tamin’ ny rahalahiny izy. ‘Efa meloka tokoa isika noho ny amin’ ny raha- lahintsika, satria nahita ny fahorian* ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika: koa izany no nahaton- gavan’ izao fahoriana izao amintsika’. Ary hoy Robena ilay saika mba hamonjy an’ i Josefa tany Dotana: ‘Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin’ ny zaza ? nefa tsy mba nihaino hianareo koa indro fa adinina ny rany izao’. Raha nandre azy ireo niresaka toy izany i Josefa dia tsy nahatsindry ny fony, ka lasa nivoaka mba hitomany. Rehefa tafaverina izy, dia i Simeona no. nasainy nafatotra sy nampidirina an-tranomaizina. Ny anton’ izany fifidianana izany dia noho i Simeona mpamporisika sy nafana fo indrindra tamin’ ny fanaovana ilay heloka bevava fahizay.PM 221.2

    Talohan’ ny hiaingan’ ireo sisa, dia nanome baiko ny mpanompony i Josefa mba ‘hameno vary ny Iasakany sady hamerina ny volan’ ny isan-dahy ho ao anatin’ ny lasakany avy’. Nomena ahitra ho vatsy ho an’ ny biby koa izy. Raha mbola teny an-dalana anefa izy rehetra, dia nisy anankiray taminy namaha ny Iasakany, ka taitra raha nahita ny volany tao. Raha nandre izany izy rehetra, dia nihorohoro sady niteny hoe: ‘Inona izao ataon’ Andriamanitra amintsika izao?” Ho raisina ho toy ny mariky ny fitiavan’ Andriamanitra ve izany sa ho toy ny porofon’ ny fiantombohan’ ny fama- liana ny ratsy nataony ? Ity eritreritra faharoa ity no nalehan ny sain’ izy rehetra.PM 221.3

    Jakoba nandritra izany fotoana izany, dia niandry tamin’ ahiahy ny fiverenan-janany. Koa raha vao tonga izy ireo, dia nivory nano- didina azy ny toby manontolo mba handre ny fitantarany tamin- drainy ny zavatra rehetra nanjo azy. Raha nandre ny resany ny olona tsirairay avy teo amin’ ny toby, dia samy feno tebiteby. Noheverin’ izy rehetra ho toy ny misy fikasan-dratsy ny hevitra sy ny fomba- fomba nasehon’ ilay governoran’ i Egypta. Vao mainka nitombona ny tahotra nanjo azy raha nanokatra ny kitapony avy izy rehetra, ka samy nahita ny volany tao anaty lasakany avy. Dia niteny izao teny izao tamin-korohoro ilay ray efa antitra: ‘Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony. ary Benjamina indray halainareo ; izaho ihany no ozoin’ izany rehetra izany’. Fa hoy Robena taminy: ‘Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atý aminao izy ; atolory eo an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atý aminao indray’. Tsy mbola nahatony ny sain’ ilay anti-dahy anefa na dia izany teny tamin-kafanampo fatratra izany aza ; fa hoy indray izy: ‘Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako ; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin’ ny lalàna izay halehanareo, dia hampi- dininareo any amin’ ny fiainan-tsy hita amin’ aiahelo ny volo fotsiko’.PM 222.1

    Mbola nitohy ihany anefa ny mosary ary efa nadiva ho lany ny vary novidina tany Egypta. Fantatry ny zanak’ i Jakoba fa tsy misy antony tokóny hiverenany eo anatrehan’ ilay praiministra raha tsy miaraka aminy i Benjamina; tsy nisy koa anefa fomba hafa hampiova hevitra ny rainy ; koa dia nangina fotsiny tamin’ izao izy rehetra, niandry izay loza hidona. Isan’ andro isan’ andro, dia nampanjombona ny toby ny mosary, ary efa hitan’ i Jakoba nisoritra teny amin’ ny tarehin’ ny tsirairay avy ny fambara ratsy. Farany, dia hoy indray izy tamin-janany: ‘Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza taminay ralehilahy ka nanao hoe: tsy hahita ny tavako hianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao ; fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay ; fa hoy ralehilahy taminay ; tsy hahita ny tavako hianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo’. Ary rehefa hitany fa toa efa hanaiky ny rainy, dia hoy indray izy: ‘Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy hianao ary ny zanatsika madinika koa’. Dia nanolo-tena izy hiantoka an’ i Benjamina sady nanaiky ho meloka mandritra ny fiainany rehetra, raha tsy mitondra azy miverina.PM 222.2

    Tsy afaka nandà intsony i Jakoba, ka dia nanome baiko ny zanany izy mba hiomana hiainga ; nanafatrafatra azy ireo izy mba hitondra fanomezana ho an’ ilay governora, dia ‘balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala’. Hoy indray izy: ‘Ary ny rahalahinareo ento ihany ; dia miaingà ka miverena indray ho any amin-dralehilahy’. Rehefa hiainga tokoa izy ireo, dia nitsangana ilay patriarka, ka nanandratra ny tanany no sady nivavaka hoe: ‘Ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindrampo anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany ’.PM 223.1

    Rehefa tonga fanindroany tany Egypta ny zanak’ i Jakoba, dia niseho teo anatrehan’ i Josefa ; ary Josefa, raha nijery an’ i Benjamina, zanaky ny reniny, dia vonto dia vonto ny fony. Nanindry ny aiahelony anefa izy sady nandidy mba hitondrana azy folo mira- halahy ho ao an-tranony mba hiara-misakafo aminy. Ary iretsy kosa, rehefa nahita fa nentina nankany an-tranon-dralehilahy, dia raiki-tahotra ka niteny hoe: ‘Maintsy ilay vola naverina tao anatin’ ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amin- tsika sy hianjerany amintsika ! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika’. Tao anatin’ izany tebitebiny izany dia niteny tamin’ ny mpikarakara ny tao an-trano izy ka sady nilaza fa noho ny fahamarinany dia sady nitondra niverina ny vola vidin’ ilay vary fahiny izy no nitondra vola hafa koa indray hividianana vaovao. Ary hoy koa izy taminy: ‘Tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin’ ny lasakanay”. Fa hoy kosa ilay mpikarakara ny tao an-trano taminy: ‘Matokia hianareo, fa aza matahotra ; Andria: manitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ ny lasakanareo ; ny volanareo dia efa tonga taty amiko ihany”. Dia tsy nitebiteby intsony izy rehetra ; ary rehefa nahita an’ i Simeona tonga teo aminy izy, dia nisaotra an’ Andriamanitra noho ny famindrampony.PM 223.2

    Ary nony tonga teo anatrehan’ ny governora izy, dia nanolotra azy ny fanomezany, sady ‘niankohoka tamin’ ny tany teo anatre- hany izy”. Dia tsaroan’ i Josefa indray ny nofiny. Niarahaba azy folo lahy izy, sady dodona erý nanontany hoe: ‘Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo ? Mbola velona ihany va izy ?” Ary izy ireo namaly azy ka nanao hoe: ‘Tsara ihany ny mpanomponao rainay ; mbola velona ihany izy; Dia niondrika izy ireo ka niankohoka. Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an’ i Benjamina.. dia hoy izy: lo va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko ? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka”. Nangorakoraka ny fony, ka nitady izay hitoma- niany izy ; ‘ niditra tao an” etltrano izy ka nitomany tao”.PM 223.3

    Ary rehefa tony indray ny fony, dia niverina teo amin’ izy rehetra izy, ary nipetraka mba hihinana. Araka ny lalàn’ ny firazanana, dia fadv amin’ ny Égyptiana ny miarà: mihinana amin’ ny olona hafa firenena. Noho izany, ny zanak’ i Jakoba dia nihinana teo amin; | ny latabatra nitokana, ary ny Egyptiana kosa nitokana ; fa Josefa kosa, noho ny fahamboniany, dia nitokan-databatra irery’. Rehefa samv tafapetraka avokoa ny olona rehetra, dia gaga ny rahalahin’ i Josefa, fa nalahatra araka ny fizokiany izy. ‘Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan’ i Josefa izy mirahalahy avy ; kanefa ny anjara-hanin’ i Benjamina dia in-dimy toraka ny anjaran-drery tamin’ izy rehetra’. Tamin’ ny alalan’ izany fiangarana izany no nitadiavan’ i Josefa hahitana raha nanana fialonana an’ i Benjamina toy izay efa nialonany azy ny rahalahiny na tsia. Ary iretsy kosa, noho ny tsy nahalalany fa mahafantatra ny teniny i Josefa, dia nifam- piresaka ; izany resany izany dia naneho tsara izay tena tde-tsainy. Tapa-kevitra anefa i Josefa fa hitsapa toetra azy ireo,farany. Koa talohan’ ny hiaingany hiverina, dia nasainy nafenina tao amin’ ny lasakan’ ny zandriny indrindra ny kapoaka volafotsy fisotroany.PM 224.1

    Dja niverina nody, feno fifaliana ny zanak’ i Jakoba ; ary Simeona sy Benjamina dia niaraka taminy koa ; ny borikiny dia nivesatra vary. Samy miramirana izy rehetra raha nihevitra fa samy afa-doza. Kanjo, raha vao tafavoaka kelikely ny tanàna izy, tsy lasa lavitra toy inona akory, dia nahatratra azy ny mpikarakára ny tao an-tranon’ i Josefa, ka nanao taminy hoe: ‘Nahoana hianareo no namalý ratsv ny soa ? Tsy iny va no fisotroan’ ny tompoko sy famantarany zavatra? Ratsy izao nataonareo izao’. Ny kápoaka fisotroana, izay noheverin” ny olona fahizay fa mahalala mosavy, dia notehirizina fatratra ho toy ny aro poizina.PM 224.2

    Izáo no navalin” iretsy mpivahiny ny fiampangan’ ilay mpikara- kara: ‘Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin’ ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany. Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan” ny lasakanay aza naverinay indray tatý aminao avy tany amin” ny tany Kanana ; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin’ ny tranon’ ny tomponao ? Izay anankiray amin’ ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon’ itompokolahy”.PM 224.3

    ‘Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko ; fa hianareo tsy hanan-tsiny ’.PM 225.1

    Natao niaraka tamin’ izay ny fisavana, ‘Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin’ ny tany izy, ka samy nánokatra ny lasakany avy. Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin’ ny lahi- matoa no nanombohany, ary tamin’ ny faralahy no niafarany, ka tao amin’ ny lasakan’ i Benjamina no nahitana ilay kapoaka”.PM 225.2

    Noho ny famoizam-pon’ izy rehetra, dia samy nandriatra ny fitafiany izy ka niverina moramora nankany an-tanàna. Ary rehefa tonga tao an-tranon’ ny governora izy. fa mbola tao ny governora, ‘dia nidaboka tamin’ ny tany teo anatrehany. Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao ? Tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa ?” Tsy nihambo ho mahay misikidy Josefa tsy akory ; fa raha nilaza taminy izy fa mahay mamantatra ny zava-miafina, dia ny mba hampiaikeny azy ny fahotany fotsiny.PM 225.3

    Ary Joda niteny ka nanao hoe: ‘Inona no teny hataonay amin’ itompokolahy ? Inona intsony no holazainay ? Ary hataonay ahoana no fiala tsiny ? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanom- ponao ; koa indreto, samy ho andevon’ itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.PM 225.4

    ‘Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany ! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa hianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin’ ny rainareo’.PM 225.5

    Ary tamin’ izay, dia nalahelo mafy indrindra Joda, ka sady nanatona an’ i Josefa izy no niteny hoe: ‘Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’ itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ ny mpanomponao ny fahatezeranao ; fa tahaka an’ i Farao hianao”. Dia nilaza tamin’ ny teny mampangorakoraka sy tsara lahatra ny fahorian-drainy izy noho ny nahafatesan’ i Josefa sy ny fangirifiriana nanjo azy raha tsy main tsy nisaraka tamin’ i Benjamina, dia ilay hany sisa zananilahy tamin-dRahely, ilay vady tiany fatratra.PM 225.6

    ‘Koa ankehitriny raha tonga any amin’ ny mpanomponao raiko aho ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin’ ny ain” ny zaza), koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy ; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin’ ny mpanomponao rainay ho any amin’ ny fiainan-tsy hita amin’ aiahelo. Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin’ ny raiko ka nanao Hoe: Raha tsy ho entiko atý aminao izy. dia ho meloka amin’ ny raiko amin’ ny andro rehetra hiainako aho’.PM 225.7

    Dia nofaranan’ i.Joda toy izao ny teniny: ‘Koa ankehitriny, trarantitra hianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon’ itompokolahy hisolo ny zaza ; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ ny rahalahiny. Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin’ ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza ? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho”.PM 226.1

    Afa-po i Josefa. Hitany teo amin’ ny toetran’ ny rahalahiny ny vokatry ny tena fiovam-po marina. Rehefa nahita ny fanoloran- tena mahatalanjona nasehon’ i Joda izy, dia nanome baiko ka nanao hoe: ‘Avoahay ny olona rehetra hiala eto amiko ’. Ary rehefa izany, dia nitomany mafy izy, sady niteny tamim-peo kendakenda hoe: ‘Izaho no Josefa ; mbola velona ihany va ikaky ?’PM 226.2

    Raha nandre izany ny rahalahiny, dia taitra mafy sady tora- kovitra teo anatrehany. Ahoana, dia Josefa tokoa ve ity governoran’ i Egypta, dia Josefa ilay rahalahiny nankahalainy ka saiky novonoiny ary farany namidiny ho andevo ? Dia toa nivandravandra teo anoloan’ ny masony avokoa ireo ratsy nataony taminy ; tsaroany ny fanira- tsirany ireo nofin’ ny fahatanorany ; ary ny heloka bevava nataon’ izy ireo mba hisakanana ny fahatanterahan’ ireny nofy ireny, kanjo izao, izay efa nataony ihany no nahatò izany ! Koa ankehitriny, hoy izy rehetra an’ eritreritra, tsy hamaly faty amin’ izao va ity rahalahy nampijaliana ity, dia amin’ izao fotoana izao izay maha- eo am-pelatanany antsika ?PM 226.3

    Rehefa nahita ny fahaverezan-keviny i Josefa, dia niteny taminy tamin-kamoram-panahy ka nanao hoe: ‘Avia, manatona ahy hianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atý Egypta. Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho aty ; fa hamonjy aina no nampandehanan” Andriamanitra ahy hialoha anareo aty”. Endrey izany hatsaram-panahiny ! Hitany fa efa nijaly mafy noho ny ratsy nataony taminy ireo rahalahiny, ka dia niezaka izy hanala ny tebitebiny sy hanaisotra ny ngidin’ ny nenina namely azy.PM 226.4

    Dia hoy indray izy: ‘Roa taona izao no efa nisian’ ny mosary teto amin’ ny tany ; ary mbola ,misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana. Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ ny tany, fa hamelona anareo amin’ ny famonjena lehibe. Ary amin’ izany, ,tsy hianareo no nampandeha ahy ho atý, fa Andriamanitra ; ary Izy nanao ahy ho rain’ i Farao, sy ho tompon’ ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra. Andeha miakatra faingana hianareo ho any amin’ ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’ i Josefa zanakao: Efa nataon’ Andriamanitra ho tomppn! i Egypta rehetra aho ; ka midina hankatý amiko fa aza mijanona ; dia honina eo amin’ ny tany Gosena hianao, ka ho eo akaikiko hianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao mbamin’ izay rehetra anananao. Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena hianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao. Ary, indro, hitan’ ny masonareo sy ny mason’ i Benjamina rahalahiko izao fa nyvavako no miteny aminareo ’.PM 227.1

    ‘Dia namihina ny vozon’ i Benjamina rahalahiny izy ka nito- many ; ary Benjamina koa dia nitomany teo amin’ ny vozony. Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy ; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny”. Niaiky ny helony tamim-panetren-tena izy ireo sady nangataka famelana taminy. Rehefa nijaly ela noho ny alahelo sy ny nenina izy ireo, dia faly nahita indray ny rahalahiny.PM 227.2

    Tafapaka hatrany an-tsofin’ i Farao ny vaovao. Faly ny mpanjaka noho izy afaka nanararaotra izao toe-javatra izao hanehoany ny fankasitrahany an’ i Josefa ; nohamafisiny ny antso nataon’ ny governorany, dia ny hiavian’ ny fianakaviany. ‘Anareo”, hoy izy, ‘izay tsara eto amin’ ny tany Egypta rehetra ’.PM 227.3

    Ary ny zanak’ i Jakoba niverina ho any amin-drainy, nitondra hanim-be sy kalesy sy sariety, ary izay rehetra nilainy mba hitondrany ny ankohonany sy izay rehetra niasa tao aminy. Nomen’ i Josefa fanomezana sarobidy kokoa noho ny rahalahiny hafa rehetra i Benjamina. Ary noho ny ahiahiny fa sao hifamaly eny an-dalana indray ireo rahalahiny, dia nanafatrafatra azy izy ka nanao hoe: ‘ Aza mifanditra eny an-dalana hianareo ’.PM 227.4

    Rehefa tonga teo amin-drainy izy iraika ambin’ ny folo miraha- lahy zanak’ i Jakoba, dia nitantara taminy ny vaovao mahafaly: ‘ Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tarty Egypta rehetra’. Taitra ilay lahy antitra ka tsy nahahetsika, toa tsy azony ninoana ny zavatra reny. Nefa nony nahatazana ny andian-tsarety sy ny biby hafa koa nivesatra entana izy, rehefa nahita sy afaka nanoroka indray an’ i Benjamina izy, dia fantany ny fahamarinan’ izay rehetra voalaza. Hoy izy teo amin” ny fahafenoan’ ny fifaliany: ‘Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako ; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho ’.PM 228.1

    Nisy fietren-tena tsy maintsy mbola nataon’ izy folo miraha- lahy zanany anefa. Nibaboka teo anatrehan” ny rainy izy noho ny fahasiahana feno fitaka nataony, izay nampanjombona ny fiainan’ ilay lahy antitra nandritra ny taona maro sy nanamaloka ny azy tsirairay avy koa. Tsy nanam-po azy ireo hahavita heloka bevava toy izany i Jakoba, nefa, nony fantany fa Andriamanitra mihitsy no efa nandamina ny toe-javatra rehetra mba hahasoa azy rehetra, dia namela ny fahadisoany izy ka nitsodrano azy.PM 228.2

    Nony afaka fotoana kely foana dia nizotra nankany Egypta Jakoba sy ny zanany, niaraka tamin’ ny fianakaviany avy, mbamin’ izay rehetra nananany sy ireo mpanompony marobe. Feno fifaliana ny fon’ izy rehetra. Rehefa tonga tao Beri-Sheba izy ireo, dia nanatitra fanati-pisaorana ho an’ Andriamanitra i Jakoba, sady nitaraina mafy mba hanehoan’ Andriamanitra aminy ny mariky ny fankasitrahany sy ny fiarovany. Dia nomena azy izao teny izao tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina: ‘Aza matahotra hidina any Egypta hianao fa hataoko firenena lehibe any hianao. Izaho hiara-midina aminao ho any Egypta ;ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa”.PM 228.3

    Misy heviny lehibe izany teny fikasana izany. Na dia teo ihany aza ny fampanantenana nomena an’ i Abrahama, ny hahatonga ny taranany ho maro toy ny kintana, dia mbola vitsy sy niadam- pitombo ny isan’ ilay vahoaka voafidin’ Andriamanitra. Tsy ampy nitomboan’ ny Zanak’ Isiraely haingana ny tany Kanana, ary firenena mahery no nonina tao, dia firenena jentilisa izay tsy ho voaroaka mihitsy raha tsy any amin’ ny andron’ ny taranaka fahefatra any. Noho izany, dia zava-droa loha ihany no azon’ ny tarank’ i Abrahama ho natao: na ny handroaka ny tompon-tany, na ny hiray aminy ka ho lavo eo amin’ ny fanompoan-tsampy. Na itsy voalohany anefa, na iroa faharoa, dia samy tsy araka ny Tenin’ Amdriamanitra. Egypta kosa dia toerana tsara nety hanatanterahana ny planan’ Andria- inanitra. Tany mahavokatra sy be rano ary misy izay ilaina rehetra ho amin’ ny fitomboana haingana no nomena azy. Ny tsy fitiavan ny Egyptiana ny raharaha fiandrasan’ ondry2 izay raharaha fanaon’ ny Zanak’ Isiraely, dia vao mainka koa nahatonga azy ireo hitokana sy ho voaro amin’ ny fanompoan-tsampy.PM 228.4

    Raha vao tonga tany Egypta i Jakoba sy ny ankohonany rehetra dia nivantana avy hatrany tany Gosena. Nandeha nankany i Josefa, nitaingina ny kalesy maha-mpanapaka azy sady notronin’ ny olona ambony marobe. Ny fiandrianana sy ny voninahitra nananany dia tsy nampiraika azy ; zavatra iray loha ihany no nameno sy nampifaly ny fony, dia ny hahita ny rainy. Koa nony efa tsinjony fa mby akaiky ireo mpivahiny, dia tsy hita holazaina intsony ny fihetseham-pony vokatry ny fitiavana izay efa nofihininy hatry ny ela, ka niala tao amin’ ny kalesiny izy ary nihazakazaka nankeo amin’ ny rainy, ‘dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin’ ny vozony. Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Aoka ho faty amin’ izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany hianao”.PM 229.1

    Dia nitondra dimy avy tamin’ ny rahalahiny i Josefa mba hase- hony an’ i Farao sy mba hahazo avy aminy ny tany izay honenany. Noho ny fankasitrahan’ ny mpanjaka ny soa nataon’ i Josefa, dia nanam-pikasana ny mpanjaka hanome asa eo amin’ ny fanjakany ny sasany tamin’ ny rahalahiny. Nefa noho ny fitiavan’ i Josefa ny fanompoana an’ i Jehovah, dia tiany ny hiaro ireo rahalahiny ireo tsy ho azon’ ny fakam-panahy fahita ao amin’ ny lapa jentilisa ; koa nanoro hevitra azy izy mba hilaza eo anatrehan’ ny mpanjaka ny raharaha mahazatra azy. Dia nanaraka izany toro-hevitra izany izy rehetra sady nilaza koa fa hivahiny ihany izy ireo fa tsy honina amin’ ny tany ; izany no nolazainy mba hahazoany mandeha araka izay tiany. Dia nomeny azy honenany araka ny tenin’ i Farao, ‘ny tany tsara indrindra” teo amin’ ny tany Egypta, dia ny tany Gosena izany.PM 229.2

    Taoriana kelin’ ny nahatongavany dia nentin’ i Josefa tao an-dapa teo anatrehan’ i Farao ny rainy, mba hasehony azy. Tsy zatra ny fombafomba amam-panaon’ ny tao an-dapa ilay patriarka. Teny afovoan’ ny hakanton’ ny zavaboary anefa no nivelomany, ary Andria- manjaka ambony lavitra noho izay rehetra mety ho andriamanjaka no efa niresahany, ka nahatsiaro ny fahambonian” ny tenany izy, ary nanandratra ny tanany tamin’ i Farao mba hitsodrano azy.PM 229.3

    Ary i Jakoba nilaza tamin’ i Josefa fa vonona ny ho faty, satria efa nahita ny salovan-tavany indray sady efa afaka taminy koa ny tebitebim-panahy nangeja azy nandritra ny taona maro. Mbola velona niadana tsara fito ambin’ ny folo taona tao Gosena anefa ilay patriarka, nahitany fahasamihafana mahafmaritra tamin’ ireo taona téo aloha izany. Tsapany fa niova fo tokoa ny zanany, koa faly izy raha nitazana tamim-pinoana ny fahatanterahan’ ny teny fikasana sy ny fiverenan’ izy ireo sy ny fiorenany eo amin’ ny tany nampanantenaina, dia ny tany Kanana. Rehefa niara-nitoetra tamim-paha- sambarana tamin’ ilay zanany malala izay nitomaniany fatratra izy, voahodidim-pitiavana sy fikarakaran’ ilay praiministr’ i Egypta, dia nodimandry tamim-piadanana teo afovoan’ ny zanany.PM 230.1

    Rehefa nanandindona an’ i Jakoba ny fahafatesana, dia nampaka an’ i Josefa izy ka niteny taminy hoe: ‘Masina hianao, aza alevina atý Egypta aho. Fa rehefa lasa mody mandry any amin’ ny razako aho, dia ho entinao hiala atý Egypta ka halevinao ao amin’ ny fasany’. Niteny izany teny izany izy noho ny finoany ny teny fampa- nantenan’ Andriamanitra ny amin’ ny tany Kanana. Ary Josefa nampanantena azy fa hanao araka izany ; tsy afa-po anefa i Jakoba fa nampianiana ny zanany fa handevina azy ao amin’ ny zohy ao Makpela.PM 230.2

    Nisy zavatra hafa koa nameno ny eritreritr’ ilay patriarka. Niriny mba hampidirina avy hatrany ho isan’ ny zanak’ Isiraely ny zanak’ i Josefa roa lahy. Noho izany dia nentin’ i Josefa teo anatrehan-drainy izy roa lahy zanany, dia Efraima sy Manase, raha namangy azy farany izy. Izy mirahalahy ireo, raha avy amin’ ny ankohonan-dreniny, dia taranaky ny mpisorona ambony indrindra tany Egypta ; raha nirin’ izy mirahalahy ny hanana ny firazanan-dreniny, dia ho azony natao ny ho tonga mpanankarena sy be voninahitra tamin’ ny alalan’ ny fahambonian-drainy. Kanefa i Josefa izay nifikitta mafy tamin’ ny fampanantenana voalazan’ ny teny fikasana, dia naniry ny hiraisan-janany amin’ ny ankohonan-drainy ka handà izay voninahitra rehetra mety hatolotry ny lapan’ i Egypta, fa hanaiky kosa hanana anjara eo amin’ ireo foko mpiandry ondry izay manana ny teny fikasan’ Andriamanitra.PM 230.3

    Fa hoy Jakoba tamin’ i Josefa: ‘Ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatý amin’ ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatý aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Manase dia ho ahy, tahaka an’ i Robena sy Simeona’. Dia natsangany ho isan’ ny zanany izy roa lahy, ho filohan’ ny foko roa miavaka tsara. Noho izany, ny sasany amin’ ny tombontsoan’ ny fizokiana izay verin’ i Robena, dia nomena an’ i Josefa izay nahazo anjaran-droa tamin’ ny alalan’ ireo zanany ireo.PM 230.4

    Efa pahin’ ny fahanterana ny mason’ i Jakoba tamin’ izay ka tsy nahita tsara azy mirahalahy izy. Toa tsinjotsinjony fotsiny izy ireo, ka hoy izy: ‘lza moa ireo?” Ary rehefa fantany fa zanak’ i Josefa izy roa lahy, dia hoy indray izy: ‘Masina hianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano”. Ary izy ‘nanoroka sy namihina azy” ; ary nanatsotra ny tanany teo ambonin’ ny lohany izy ka nitsodrano azy sady niteny hoe: ‘ Andriamanitra, Izay nandehanan’i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatr’ izay niainako ka mandrak’ androany, ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto”. Tsy nahalala izay fanamarinan-tena intsony i Jakoba, na niankina tamin’ ny hery amam-pahaizan’ olombelona. Jehovah no fantany fa niaro azy ary Izy no nanohana azy. Tsy nitaraina intsony noho ny tahoriana sy ny fitsapana nanjo azy izy, noho izany dia tsy niteny hoe: ‘Izaho ihany no ozoin’ izany rehetra izany’. Ny famindrampo sy ny fitiavana lalina efa nasehon’ Ilay nomba azy tamin’ ny lalana rehetra nalehany, izany ihany no nameno ny fahatsiarovany.PM 231.1

    Ary rehefa vita ny tsodranony, dia nanao teny tamin’ ny zanany i Jakoba, dia teny izay ho vavolombelon’ ny finoany, amin’ ireo taranaka ho avy rehetra, izay handalo taona lava hanaovana fano- mpoana mafy, fa hoy izy: ‘Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin’ ny tanin- drazanareo”.PM 231.2

    Rehefa ho faty tokoa i Jakoba, dia nantsoina hanodidina ny farafarany avokoa ny zanany rehetra ; ary hoy izy taminy: ‘Mivoria, hianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany’. Impiry impiry moa izy, no efa- nieritreritra tamim- pangitakitahana ny amin’ ny ho avy sy ny amin’ izay hanjo ny taranany tsirairay avy. Izao izy, raha voahodidin’ ny zanany izay vonona handray ny tsodranony farany, dia notsindrin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ka nahita ny ho avin’ ny zanany tsirairay avy. Noto- noniny tsirairay ny anaran’ izy ireo, dia nolazainy ny toetrany sady nasehony izay ho tantarany:PM 231.3

    Ry Robena, lahimatoako hianao,
    Heriko sy voalohan’ ny tanjako,
    Manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
    PM 232.1

    Noho ny maha-lahimatoa an’ i Robena, dia ireo toetra voalaza ireo no tokony ho anjarany, raha tsy noho ilay fahotana vitaný tany Migdal-edera, izay nanaisotra taminy ny fizokiana. Dia hoy indray i Jakoba:PM 232.2

    Mandroadroatra toy ny rano hianao ka tsy hanan-tombo.PM 232.3

    Ny fisaorana dia natolotra an’ i Levy ary ny fiandrianana sy ny teny fikasana momba ny Mesia kosa nomena an’ i Joda ; fa Josefa dia nahazo anjaran-droa tamin’ ny lova. Ny fokon’ i Robena indray dia tsy mba nihamaro firy ; vitsy noho ny fokon’ i Joda sy Josefa na ny fokon’ i Dana izy ; izy no isan’ ny nentina ho babo voalohany indrindra.PM 232.4

    Simeona sy Levy no nanarakaraka an’ i Robena, arakaraka ny fizokiana. Izy roa lahy ireo dia isan’ ny nampiseho hasiahana tamin’ ny mponina tao Sekema sy fototry ny nivarotana an’ i Josefa. Izao teny henjana izao no notononin -drainy ho an’ izy mirahalahy:PM 232.5

    Hampihahakahaka az.y eny amin’ i Jakoba aho,
    Ary hamely azy eny amin’ Isiraely.
    PM 232.6

    Rehefa nisaina ny Zanak’ Isiraely talohan’ ny nidirany teo amin’ ny tany Kanana, dia hita fa ny taranak’ i Simeona no vitsy indrindra. Tsy mba notononin’ i Mosesy akory io taranaka io raha nanome ny tsodranony farany izy. Teo amin’ ny fizarana ny tany Kanana indray, dia tsy mba nahazo afa-tsy anjara tany kely foana teo amin’ ny tanin’ i Joda izy, tatý aoriana aza, dia Iasa nifindra monina tany ambadiky ny fizaran-tanin’ ny Tany Masina ny fianakaviana manan- kery sasany taminy. Tanàna valo amby efa-polo niely nanerana ny tany Kanana no mba anjara lova nomena ny taranak’ i Levy. Anefa, noho io foko io nijoro homahatoky teo anatrehan’ i Jehovah, teo amin’ ny fotoana anankiray nampihemotra ny be sy ny maro, dia nomena ny fanompoam-pivavahana tao amin’ ny tabernakely izy, ka novana ho fitahiana ny ozona nahazo azy.PM 232.7

    Ny tombontsoa ambony indrindra momba ny fizokiana dia iasan’ i Joda. Ny tantaran’ ny fokon” i Joda, araka ny faminaniana, dia manazava ny hevitry ny anarany ihany, izay raha adika dia ‘fiderana’.PM 232.8

    Ry Joda, hoderain’ ny rahalahinao hianao,
    Ny tananao ho ao amin’ ny vo/on’ ny fahavalonao ;
    Hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
    Zana-diona Joda,
    Avy niremby hianao, anaka ;
    Mamitsaka, mandry toy ny liona izy,
    Ary toy ny liom-bavy ka iza no hanaitra azy !
    Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda,
    Na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony,
    Mandra-pahatongan’ i Silo (Fiadanana) Ka hanoa Azy ny firenena.
    PM 233.1

    Ny liona, mpanjakan’ ny ala, dia tandindona maneho tokoa ny fokon’ i Joda, dia ilay t’oko izay nipoiran’ i Davida sy Silo, ny Zanak’ i Davida, ‘Lionan’ ny fokon’ i Joda”, Izay hiankohofan’ ny firenena sy ny fanjakana rehetra indray andro any, sady homeny voninahitra.PM 233.2

    Fitahiana no notononin’ i Jakoba ho an’ ny ankamaroan’ ny zanany. Rehefa niteny ny amin’ i Josefa izy, ka nangata-pitahiana ho ‘eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny’, dia diboky ny hafaliana ny fony, fa hoy izy:PM 233.3

    Josefa dia sampana mahavokatra,
    Eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano ;
    Ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
    Nampahory azy ny mpitifitra,
    Dia nitifitra azy sy nanenjika azy ;
    Kanefa mateza hery ny tsipikany,
    Ary mailamailaka ny sandrin-tanany,
    Avy amin’ ny tanan’ Ilay Maherin’ i Jakoba,
    Dia avy ao amin’ ny Mpiandry, Izay Vatolampin’ ny Isiraely,
    Avy amin’ ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao —
    Avy amin’ ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao,
    Dia fitahiana avy amin’ ny Ianitra ambony,
    Sy fitahiana avy amin’ ny lalina izay mamitsaka any ambany,
    Ary fitahiana avy amin’ ny nono sy ny kibo.
    Ny tsodranon’ ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay
    Sy ny zavatra mahafinaritra amin’ ny tendrombohitra fahagola:
    Ho eo an-dohan’ i Josefa izany,
    Dia ho eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny.
    PM 233.4

    Ny fitiavan’ i Jakoba dia lalina sy nafana hatrany hatrany. Maminy dia maminy tokoa ireo zanany. Ireo filazalazana notononiny ho azy tsirairay avy rehefa ho faty izy, dia tsy vokatry ny fiangarana na noho ny lonjony. Efa namela ny helok’ izy rehetra izy, sady efa tia azy rehetra hatramin’ ny farany. Ny fitiavana araka ny maha- ray azy, dia tsy ho nanao afa-tsy famporisihana sy fampanantenana hatrany hatrany. Ny herin’ Andriamanitra anefa no nanaloka azy tamin’ izao indray mandeha izao, ka voatery izy, araka ny tsindri- mandry avy any ambony, hanambara fahamarinana izay ho mafy taminy ny nanao izany raha niteny araka ny sitrapony fotsiny izy.PM 233.5

    Rehefa natolony ny tsodranony farany, dia naveriny indray ny hafatrafany ny amin’ ny handevenana azy: ‘Aleveno ao amin’ ny razako aho, dia ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny sahan’ i Efrona Hetita, ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny saha Makpela, izay tandrifín’ i Mamre Tao no nandevenany an’ i Abrahama sy Saraha vadiny ; ary tao koa no nandevenany an’ Isaka sy Rebeka vadiny ; ary tao koa no nandevenako an’ i Lea’. Izany fanehoam- pinoana ny teny fikasan’ Andriamanitra izany no asa farany nasehon’ i Jakoba teo amin’ ny fiainany.PM 234.1

    Ireo taona faramparany nahaveloman’ i Jakoba dia mitovy amin’ ny takariva mahafinaritra, feno fiadanana, izay mamarana andro iray feno oram-baratra sy tafio-drivotra. Na dia nisy rahona aza nanamainty ny lalany, dia namirapiratra ihany ny masoandrom- piainany rehefa hilentika ; famirapiratana avy tany an-danitra no nanazava ireo ora farany nahavelomany. ‘Raha hariva ny andro, dia hisy mazava’3. ‘Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; fa misy farany ho an’ ny olona tia fihavanana’4.PM 234.2

    Ny fahotany dia niteraka fijaliana mafy ho an’ i Jakoba. Taona maro feno asa sy tebiteby ary fahoriana no nolalovány, noho ilay fahadisoana lehibe vitany izay nahatonga azy handao ny tranon- dray aman-dreniny ; nirenireny sy tsy nanam-panorenana izy, voatery nisaraka tsy fidiny tamin’ ny reniny malalany izay tsy hitany intsony. Rehefa niasa fito taona izy mba hahazoany ilay vady malalany, dia mbola niasa roa-polo taona indray nanompo ilay lehilahy fatra- pitia harena izay nanambaka azy. Na dia izany aza anefa. dia nitombo ihany ny fananany ary nihalehibe teo anatrehany ny zanany. Kely ny fifaliana mbahitany tao an-tokantranony noho ny fifandirana nanjaka tao.PM 234.3

    Nifanontona namely azy avokoa ny fahafahambarakan’ ilay zananivavy, na ny valifaty nafitsok’ ireo zananilahy, na ny naha- fatesan-dRahely, na ny ota mahatsiravina vitan-dRobena, na ny fahotan’ i Joda, na ny fahasiahana izay nandrombaka an’‘i Josefa teo am-pelatanany. Tena fiainana nanjombona tokoa ny fiainany ! Noho ilay fahadisoany voalohany, dia nijinja fahoriana marobe izy. Impiry impiry akory moa izy no nahita ny zanany namerina ny fahadisoana efa nataon’ ny tenany ! Izany rehetra izany anefa dia samy nahatratra ny fetra nikendrena azy avokoa, ka nioty ny ‘vokatry ny fahamarinana hiadanana’5 i Jakoba.PM 234.4

    Ny Soratra Masina dia milaza koa amin’ ny fomba tsy misy fiangarana, ny fahadisoan’ ny marina, dia ireo izay nahazo ny fitahian’ Andriamanitra. Azo lazaina aza fa ny fahadisoan’ izy ireny indrindra no voalaza matetika kokoa noho ny fahatsarany. Mahagaga ny maro izany ary mahatonga ny tsy mpino hanesoeso. Izany fanambarana tsy mihambahamba ataon’ ny Baiboly ny amin’ ny fahadisoan’ ireo olo-malazany izany anefa, dia mainka koa porofo ahitana ny fahamarinan’ ny zavatra voalazany. Fantatra fa ny mpanoratra tantara rehetra, noho izy ireo maodimaody ny amin’ ny zavatra lazainy, dia mitanilanila ihany amin’ ny fomba filazany azy. Raha olona tsy nahazo tsindrimandry avy amin’ Andriamanitra no nanoratra ny Baiboly, dia ny loetra mendrika nananan’ ireo olona tantarainy ihany no ho nambarany. Tsy izany anefa no izy, fa izay tena izy marina tokoa momba ireny olona ireny no ambaran’ ny Soratra Masina amintsika. Ireo olona fahizay nahazo ny fanka- sitrahan’ Andriamanitra sady notolorana adidy sy andraikitra ambony, dia voan’ ny fakam-panahy sy tratran’ ny fahotana toa antsika ihany. Mba ho fampitandremana sy ho fampaherezana antsika no antony nanehoana antsika ny fahalavoana sy ny fahadisoana vitan’ izy ireny. Fa raha naseho antsika ho toy ny olona tsy nanan-tsiny sy tsy nanam- pahalemena mantsy ireny olona ireny, dia ho mety hahakivy sy hampamoifo antsika ny fahitantsika ny fahalementsika sy ny fananan- tsika toetra mora mirona ho amin’ ny ratsy. Ny fahitantsika azy ireny kosa, tandindomin’ ny fahakiviana mandrakariva, lavo teo amin’ ny fakam-panahy toa antsika, tsy kivy anefa fa niezaka ihany, nandresy noho ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia mahatonga antsika hahery sy ho vonona hanohy ny adin’ ny finoana. Azontsika hatao koa ny handresy toa azy ireny, amin’ ny alalan’ ny herin’ i Jesosy Kristy.PM 235.1

    Ireny tantara ireny dia maneho amintsika koa fa tsy ataon’ Andriamanitra ho tsy manan-tsiny tsy akory ny olon-diso ; rehefa fahotana, na ny fahotan’ ireo mpanompony nahazo tombontsoa ambony indrindra aza, dia melohiny avokoa ; ary mafimafy kokoa aza ny fanamelohany azy ireny noho ny fanamelohany ireo izay tsy rnanana fahazavana ampy sy kelikely adidy kokoa.PM 235.2

    Rehefa voalevina i Jakoba dia hadinon’ ny rahalahiny ny hatsa- ram-panahin’ i Josefa, ka nanomboka azon’ ny tahotra sy nahatsiaro ny fahadisoany indray izy ireo, fa hoy izy rehetra anakam-po: ‘Andrao hanao fo lentika amintsika i Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy”. Tsy sahy niseho teo anatrehany izy fa nandefa iraka hilaza aminy hoe: ‘Ny rainao nanafatra fony izy tsy mbola maty, ka nanao hoe: Izao no holazai- nareo amin’ i Josefa: Mamèla re ny fahadisoan’ ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy ; eny, mamèla ankehitriny ny fahadisoan’ ny mpanompon’ ny Andriamanitry ny rainao ’. Ny fitiavan’ i Josefa ny rahalahiny dia fitiavana madio sy lalina, noho izany dia nalahelo mafy tokoa izy rehefa hitany fa nihevitra azy hoe hamalifaty ireo rahalahiny. Nalralatsa-dranomaso azy ilay hafatra, ary rehefa fantatry ny rahalahiny izany, dia tonga izy rehetra niankohoka teo amin’ ny tongony sady nanao hoe: ‘Indreto izahay ho mpanomponao”. Fa hoy Josefa taminy: ‘Aza matahotra; fa moa solon’ Andriamanitra va aho ? Hianareo no nisaina hanisy ratsy aliy ; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’ izao anio izao, hamelona olona betsaka. Koa ankehitriny aza matahotra hianareo ; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika ’.PM 236.1

    Sarin’ ny fiainan’ i Jesosy Krsity ny fiainan’ i Josefa. Noho ny fialonan’ ny rahalahiny azy no nivarotany azy ho andevo ary izany no tetika noheverin’ izy ireo fa hisakanana azy tsy ho tafasandratra amboniny. Nony namidiny ho babo tany Egypta izy dia nino izy rehetra fa tsy misy hatahorana intsony ny amin’ izay nofiny. Andriamanitra anefa nitarika ny toe-javatra rehetra ka izay zavatra nialany mafy indrindra no niseho. Dia toy izany koa, ny mpisorona sy ny loholona teo amin’ ny Jiosy dia nialona an’ i Jesosy ka nampamono Azy noho ny tahony fa sao dia ho tonga Mpanjaka Izy noho ny fankasitrahan’ ny vahoaka Azy. Kanjo, izany zavatra nataon’ izy ireo izany indrindra no isan’ ny nahatonga an’ i Kristy ho Mpanjaka.PM 236.2

    Tsy isalasalana fa noho ny nitoerany tany Egypta no nahatonga an’ i Josefa ho mpamonjy ny ankohonan-drainy. Izany anefa tsy nampihena ny hadisoan’ ny rahalahiny. Toy izany koa, ny nano- mboana an’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana dia nahatonga Azy ho Mpamonjy izao tontolo izao sy ho Mpanavotra ny taranaka very. Nefa tsy nampihena ny faharatsian’ ny heloka bevava nataon’ ireo mpamono an’ i Jesosy ny nampiasán’ Andriamanitra izany ho voni- nahiny sy ho fanasoavana ny olom-bonjena. Toy ny nivarotan’ ny rahalahiny an’ i Josefa no nivarotan’ ny mpianany anankiray an’ i Jesosy Kristy tamin’ ny fahavalony lozabe indrindra. Josefa, noho ny fahadiovany dia notenenina ratsy sady nampidirina tao an-trano- maizina. Dia toy izany koa Jesosy, noho ny fiainany masina sy lavitry ny fitiavan-tena, (fiainana masina manameloka ny fahotana), dia notsiratsiraina sy nolavin’ ny olona, ary farany, nohelohina noho ny fiampangana nataon’ ny vavolombelona mandainga.PM 236.3

    Farany, ny faharetana sy ny fahalemem-panahy nasehon’ i Josefa teo anatrehan’ ny tsy fahamarinana sy ny fampijaliana rehetra, ny fahavononany hamela heloka, ny fahalalaham-pony tamin’ ny rahalahiny, dia samy tandindon’ ny fahanginana sy ny toe-tsaina ambony izay nentin’ i Kristy niaritra ny fihetraketrahana sy ny famelezan’ ny ratsy fanahy Azy, sady maneho koa ny famelan- keloka natolony ireo mpamono Azy, sy mbola atolony koa ho an’ izay rehetra manatona Azy sy miaiky ny fahotany ary mangataka famindrampo Aminy.PM 237.1

    Mbola velona efatra amby ‘dimam-polo taona tatý aorian’ ny nahafatesan-drainy i Josefa. Ary izy nahita ‘ny zafiafin’ i Efraima ; ny zanak’ i Makira koa, zanakalahin’ i Manase, dia noraisin’ i Josefa ho eo am-pofoany’. Nahita ny fitomboan’ ny taranak’ Isiraely sy ny fanambinana azy izy, ary nanana finoana tsy azo nohozongozonina ny amin’ ny hamerenan’ Andriamanitra indray ny Isiraely ho any amin’ ny tany nampanantenaina.PM 237.2

    Na dia nomem-boninahitra fatratra aza i Josefa teo amin’ ny fanjakan’ i Farao, dia mbola nihevitra ny tenany ho babo ihany izy raha tany Egypta. Izany no nanehoany, rehefa ho faty izy, fa izy dia isan’ ny Isiraely. Nony fantany fa nanandindona azy ny fahafatesana, dia nanangona nv havany izy, ka nanambara taminy ny sitrapony farany: ‘Andriamanitra hamangy anareo tokoa hoy izy, ka hitondra anareo hiala amin’ ity tany ity ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ’. Ary nampia- nianiny izy fa hitondra ny taolany hiakatra ho any Kanana. ‘Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona’. Nohosorana zava-manitra izy ka nalevina tao amin’ ny fasana anankiray tany Egypta. Ilay vatam-paty nandevenana azy dia nampahatsiahy ny Zanak’ Isiraely, nandritra ny taonjato maro nifandimby nanompoany, fa vahiny ihany izy ireo eo amin’ ny tany Egypta, ka tsy tokony hanadino ilay tanin’ ny teny fikasana izay azo antoka fa homena azy.PM 237.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents