Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    TOKO IV—Fiaiken-keloka

    “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina;
    Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo 1Oh. 28:13”.
    NK 35.1

    Tsotra sy marina sady rariny ny toetra ahazoam-pamindrampo amin’ Andriamanitra. Tsy mila antsika hanao zava-mampahory mba hahazoantsika famelan-keloka ny Tompo. Tsy ilaina handeha lavitra ho any an-tany masina, toy ny fanaon’ ny mpivavrka sasany isika, na hanao fampijalian-tena mba hanolorany ny fanahintsika amin’ Hay Andriamanitry ny lanitra, na hanapahana ny helotsika, fa izao ihany : Izay miaiky, ka mahafoy ny fahotany no hahazo famindram-po.NK 35.2

    Hoy ny Apostoly hoe : “Mifaneke heloka hianareo ary mifampivavaha mba ho sitrana hianareo 2Jak. 5:16”. Ekeo amin’ Andriamanitra Izay mahay mamela azy ny fahotanao ary ny fahadisoanao kosa ekeo amin’ ny namanao. Raha nanao izay nampalahelo ny sakaizanao, na ny mpiara-monina aminao hianao dia tokony hiaiky ny fahadisoanao aminy, ary adidiny ny hamela anao madiodio:. Ary amin’ izay dia tokony hitady ny famelan’ Andriamanitra hianao, satria ilay olona nampahalelovinao dia fananan’ Andriamanitra, ka raha manafintohina azy hianao dia nanota tamin’ ny Mpanao sady Mpanavotra azy. Koa dia entina eo anatrehan’ Ilay Mpanalalana tokana sady marina izany, dia eo amin’ Hay Mpisoronabentsika “izay efa nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanota ”, sady miara-mitondra ny fahalementsika 3Jak. 5:16”, ka mahay manadio antsika amin’ ny pentimpahotana rehetra.NK 35.3

    Izay tsy mampietry ny fanahiny teo anatrehan’ Andriamanitra raha niaiky ny helony, dia tsy mbola nahatanteraka ny toetra voalohany indrindra tokony handraisana azy. Raha tsy tsaroantsika tsara fa tsy misy anenenana ny nanaovana izany fibebahana izany, raha tsy niaiky ny fahotantsika tamin’ ny alahelom-panahy sy ny fangorakoraham-po isika, ka narikoriko ny faharatsiantsika. dia tsy mbola nitady marina ny famelan-keloka isika tsy akory ary raha tsy mbola nilady isika dia tsy mbola nahita ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra. Ny anton’ ny tsy nahazoantsika ny famelana ny helotsika tamin’ ny lasa dia ny tsy fetezantsika nanambany ny fontsika, ka nanaiky izay lazain’ ny tenin’ ny fahamarinana. Toro-hevitra mazava tsara no omena ny amin’ izany. Ny fiaiken-keloka, na am-pahibemaso, na amin’ ny manging na. dia tsy maintsy ho vokatry ny fo sady aseho mazava. Tsy tery hanao izany anefa ny mpanota. Tsy tokony hatao amin’ ny tsy fiheverana sy ny tsy fitandremana izany, na tokony hanerena ny olona izay mbola tsy mahalala ny toetra maharikoriko ananan’ ny fahotana. Ny fiaiken-keloka izay mivoaka avy ao anatin’ ny fo tokoa no mety ho tonga ao amin’ Ilay Andriamanitry ny famindrampo tsy voafetra, fa hoy ny mpanao Salamo hoe :NK 35.4

    “Akaikin’ izay manana fo mangorakoraka Jehovah,
    Ary mamonjy izay torotoro fanahy 1 Sal.34:18”.
    NK 36.1

    Ny tena fiaiken-keloka marina dia mandrakariva fiovantoetra sy fitsorana amin’ ilay fahotana nahavoa indrindra. Angamba fahotana tokony ho entina eo anatrehan’ Andriamanitra irery ihany izany na angamba fanailntohinana tokony hekena amin’ ilay olona nasian-dratsy; na angamba fahadisoana tamin’ ny be sy ny maro, ka tokony hekena am-pahibemaso. Nefa ny fiaiken-keloka rehetra, na toy inona, na toy inona, dia tsy tokony hatao anjoanjo, na fao-be fa tokony ho potsirina amin’ ny masom-boavahiny, dia fiaikena ilay tena fahotana indrindra izay nahadiso anao.NK 36.2

    Niala tamin’ Andriamanitra ny Zanak’ Israely tamin’ ny andron’ i Samoela. Voan’ ny valim-pahotany izy, ka he ny nanjo azy : Very ny finoany an’ Andriamanitra, very ny fahalalany ny hery sy fahendren’ Andriamanitra izay manapaka ny firenena, very ny fianteherana tamin’ ny fahaizan’ Andriamanitra hiaro sy hiady ho azy. Niala tamin’ Ilay Mpanjakan’ ny tany aman-danitra izy, ka naniry mba ho tapahin’ ny mpanjakan’ ny tany, tahaka ny firenena hafa manodidina azy. Koa talohan’ ny nahitany fiadanana, dia nanao izao fiaiken-keloka izao izy, ka niteny hoe: “ha efa nanao izao ratsy izao izahay ho fanampin’ ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka. 2Sam.12:19” Ny fahotana izay tsaroany fa nahavoa azy indrindra no tsy maintsy niaikeny. Nampahory ny fanahiny ny tsy fahakasitrahana, ka nampisaraka azy tamin Andriamanitra.NK 36.3

    Tsy eken’ Andriamanitra, na oviana na oviana, ny fiaikenkeloka. raha tsy arahin’ ny fibebahana marina sy fihatsarantoetra. Tsy maintsy misy fiovana mazava tsara amin’ ny toepiainana ary tsy maintsy esorina izay rehetra mampalahelo an’ Andriamanitra. Izany no ho vokatry ny alahelo marina noho ny ota. Ny zavatra tsy maintsy ataontsika dia aseho mazava eo anatrehantsika hoe : “Misasà hianareo, diovy ny tenanareo,
    Esory tsy ho eo anoloan’ ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahura, fa aza manao ratsy;
    Mianara hanao ny tsara,
    Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory,
    Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin ny mpitondratena 1Isa. 1:16,17”. “Raha....ny ratsy fanahy....mamerina ny natao tsatoka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona, ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty 2Ezek.33:14,15”. Ary raha milaza ny asan’ ny fibebahana Paoly, dia hoy izy hoe : “Fa, indro, izany nampalahelovana araka an’ Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana tao aminareo ! eny, fialan-tsiny manao ahoana ! fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana ! zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy natao manao ahoana ! Tamin’ izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’ izany raharaha izany hianareo 32 Kor. 7:11”.
    NK 36.4

    Rehefa matin’ ny ota ny fahalalana ara-panahy, dia tsy fantatry ny mpanao ratsy intsony ny kileman’ ny fitondrantenany, sady tsy azony an-tsaina ny halehiben’ ny ratsy nataony. Ary raha tsy mety manaiky ny herin’ ny Fanahy Masina izay mahay mampibebaka azy izy, dia hiraikitra amin’ ny fahotana ihany noho ny hajambam-panahiny. Ka dia tonga tsy marina sady tsy izy ny fiaikeny heloka. Izay fitsorana noho ny hadisoany dia ampiany fanamarinan-tena ho fanalan-tsiny ny nataony, ka lazainy fa raha tsy noho izao sy izao, dia tsy ho nanao ity na io izay naniniana azy izy.NK 37.1

    Menatra sady natahotra Adama sy Eva raha nihinana ilay voankazo nandrarana. Ny eritreritra tao an-tsainy tamin’ ny voalohany dia ny hiala tsiny amin’ ny fahotany, ka ho afaka amin’ ny didim-pitsarana mahatsiravina hamono azy. Koa rehefa nanontany an’ i Adama ny amin’ ny fahotany Andriamanitra dia namaly sady nanolaka tamin’ Andriamanitra sy ny vadiny izy, ka nanao hoe: “Ny vehivavy izay nomenao ahy ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho”. Ary ravehivavy kosa indray nanolaka tamin’ ny menarana, ka nanao hoe : “Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho4Gen. 3:12,13”. Nahoana re no nanao ny menarana hianao è ? Nahoana re no navelanao hiditra an’ i Edena izy è ? Izany no hevitra mifono ao anatin’ ny fialan-tsiny nataony noho ny fahotany, dia ny mitana an’ Andriamanitra ho manan-tsiny noho ny nahalavoany tamin’ ny fakampanahy. Niandoha tao amin’ ny rain’ ny lainga ny fanamarinan-tena, ka dia mbola velon-tarazo amin’ izay rehetra terak’ i Adama, na lahy, na vavy. Tsy mba vokatry ny Fanahy Masina, ka tsy ankasitrahan’ Andriamanitra ny fiaikenkeloka toy izany. Ny tena fibebahana marina dia ny mitarika ny olona hivesatra ny heloky ny tenany, ka hiaiky izany marina amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Tabaka ilay Farantsa mahantra, tsy nety niandrandra ny lanitra akory, ka nanao boe : “Andriamanitra ó, mamindrà fo amiko mpanota”. Ary hohamarinina izay miaiky ny belony, satria ny ran’ i Jeso no hifona ho an’ ny fanahy mibebaka.NK 37.2

    Izay lazain’ ny Tenin’ Andriamanitra bo tena fibebabana indrindra sy fanetren-tena marina dia ny mampiseho toepanahy miaiky beloka izay tsy misy fialan-tsiny, na fanamarinantena. Tsy nitady hiaro tena Paoly, fa asebony amin’ ny tareby mahamainty azy indrindra ny fahotany, sady tsy beveriny akory izay hilaza ny helony ho kely. Hoy izy : “Maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin’ ny lohan’ ny mpisorona aho ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho. Ary nampijaly azy matetika tao amin’ ny Synagoga rehetra aho, ka nanery azy hiteny ratsy ary satria very saina tamin’ ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjaka azy hatramin’ ny tanàna any ivelany koa aza 1 Asa. 26:10.11”. Tsy nampisalasala azy akory ny nilaza hoe : “Tonga tety ambonin’ tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ ireny izaho no lohany 2 2Tim. 1:15.”NK 38.1

    Ny fo torotoro sy mangorakoraka ary voafolaky ny tena fibebahana marina no mankasitraka ny fitiavan’ Andriamanitra azy sy ny hasaro-bidin’ i Kalvary ary tabaka ny zanaka miaiky ny helony eo anatrehan’ ny ray be fitiavana, dia ho toy izany koa no hitondran’ ny mpibebaka marina ny fahotany eo anatrehan’ Andriamanitra. Fa voasoratra hoe: “Raha miaiky ny fahotantsika isika. dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho alaka amin ny tsi-fahamarinana rehetra 31Jao. 1:9”.NK 38.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents