Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fitiavana Mandresy - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 54—Ny Samaritana tsara fanahy

    Ny tantaran’ ny Samaritana tsara fanahy 1Mifototra amin’ny Lio 10 : 25-37 no entin’ i Kristy manazava ny toetry ny tena fivavahana. Asehony fa tsy rafitra, na fanekem-pinoana, na fombam-pivavahana izany, fa fanatanterahana asam-pitiavana amin’ ny fitondrana ny soa lehibe indrindra ho an’ ny hafa, amin’ ny hatsaram-po tena izy.IFM 533.1

    Raha nampianatra ny vahoaka Kristy, dia «indro, misy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’ i Jesosy hoe : Mpampianatra Ò, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay ?» Sady nitaintaina no liana dia liana ny vahoaka nivory marobe niandry ny valiny. Nihevitra ny mpisorona sy ny raby fa hamandrika an’ i Kristy tamin’ ny namporisihany an’ ilay mpahay lalàna nametraka an’ io fanontaniana io. Nefa tsy niditra tamin’ ny adi-hevitra ny Mpamonjy. Ny nametraka ny fanontaniana ihany no nangatahiny ny valiny. «Inona no voasoratra ao amin’ ny lalàna ?» hoy Izy ; «Manao ahoana ny famakinao azy ?» Niampanga an’ i Jesosy koa ny Jiosy ho nanamaivana ny lalàna nomena tao Sinay ; nefa nahompany teo amin’ ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra ny momba ny famonjena.IFM 533.2

    Hoy ilay mpahay lalàna : «Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra ; ary tiava. ny namanao tahaka ny tenanao». Hoy Jesosy taminy : «Marina ny navalinao ; ataovy izany, dia ho velona hianao».IFM 533.3

    Tsy afa-po tamin’ ny hevitra notanan’ ny Fariseo sy ny asa nataony ilay mpahay lalàna. Efa nianatra ny Soratra Masina izy sady nanam-paniriana ny hahalala ny dikany marina. Niankinan’ ny aina izany zavatra izany ho azy, ka nanontany tamin’ ny fo madio izy hoe : «Inona no hataoko ?» Raha namaly ny momba ny fitakian’ ny lalàna izy, dia nodinganiny avokoa ireo didy miavosa momba ny fanompoam-pivavahana sy ny fombam-pivavahana. Nolazainy fa tsy misy tombambidiny ireny, fa nasehony kosa ireo foto-kevitra roa lehibe izay iantonan’ ny lalàna sy ny mpaminany. Io valinteny io, izay nankasitrahan’ i Kristy, dia nametraka ny Mpamonjy teo amin’ ny toerana tsara teo imason’ ny raby. Tsy afaka nanameloka Azy izy tamin’ ny nanamafisany izay naroson’ ilay mpanazava ny lalàna.IFM 534.1

    «Ataovy izany, dia ho velona hianao», hoy Jesosy. Nasehony ho toy ny zavatra iray tsy mivaky avy amin’ Andriamanitra ny lalàna, ary tamin’ io lesona io dia nampianatra Izy fa tsy azo atao ny mitandrina fitsipika iray, ka handika ny anankiray ; foto-kevitra iray ihany mantsy no manerana azy rehetra. Ny fankatoavana ny lalana manontolo no hanapaka ny ho avin’ ny olombelona. Ny fitiavana an’ Andriamanitra ambony indrindra sy ny fitiavana ny olona tsy miangatra no foto-kevitra tokony hiasa ao amin’ ny fiainana.IFM 534.2

    Nahita ny tenany ho mpandika lalàna ilay mpahay lalàna. Nandresy lahatra azy ny tenin’ i Kristy nikaroka ny tao am-pony. Tsy nampihariny ny fahamarinan’ ny lalàna, izay nolazainy fa azony. Tsy naneho fitiavana tamin’ ny mpiara-belona taminy izy. Notakiana fibebahana izy ; tsy nibebaka anefa izy, fa niezaka ny hanamarintena. Tsy nanaiky ny marina izy, fa naleony niezaka hampiseho ny mahasarotra ny hanatanterahana ny lalàna. Tamin’ izany dia nanantena izy sady hiala amin’ ny faharesen-dahatra no hamerina ny voninahitry ny tenany eo imason’ ny vahoaka. Nasehon’ ny tenin’ ny Mpamonjy fa tsy nilaina ny fanontaniana napetrany, satria azony natao ihany ny namaly izany. Koa nametraka fanontaniana hafa izy, ka nanao hoe : «Iza no namako ?»IFM 534.3

    Niteraka adi-hevitra tsy nisy farany io fanontaniana io teo amin’ ny Jiosy. Tsy nisalasalany ny amin’ ny jentilisa sy ny Samaritana, vahiny sy fahavalo ireo. Nefa tokony hisy fanavahana hatao ve teo anivon’ ny vahoakan’ ny firenen’ izy ireo, sady teo anivon’ ny saranga samihafa eo amin’ ny fiaraha-monina ? Iza no tokony heverin’ ny mpisorona, ny raby, ny loholona ho namana ? Nandany ny fiainany teo amin’ ireo fanompoam-pivavahana nifandimbindimby izy mba hanadiovany ny tenany. Ny fifampikasohana amin’ ireny vahoaka tsy manam-pahalalana sy tsy miraika ireny, araka ny nampianaran’ izy ireo, dia hahatonga fahalotoana izay hitaky ezaka mandreraka ny fanadiovana azy. Tokony heveriny ho namana ve ny «tsy madio» ?IFM 534.4

    Nolavin’ i Jesosy indray ny hiditra amin’ ny adi-hevitra. Tsy niampanga ny fitiavam-bavaka diso toerana teo amin’ ireo izay niandry ny hanameloka Azy Izy. Fa tantara tsotra no nentiny nanangana sary teo anatrehan’ ny mpihaino Azy, mampiseho ny fitosaky ny fitiavana teraka avy any an-danitra, hany ka nanohina ny fo rehetra Izy, ka nitarika ilay mpahay lalàna hiaiky marina.IFM 535.1

    Ny fomba nampisava ny haizina, dia ny fandraisana ny fahazavana. Ny fomba tsara indrindra ifandraisana amin’ ny hevi-diso dia ny fanehoana ny marina. Ny fanambarana ny fitiavan’ Andriamanitra no mampiharihary ny fahasimban’ ny fo mifototra amin’ ny «izaho» sy ny fahotana ao aminy.IFM 535.2

    , «Nisy lehilahy anankiray, hoy Jesosy, nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ ny jiolahy, dia nendahiny ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty. Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’ izany lalana izany ; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy. Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo ; dia nahita azy, nefa nandalo koa». Tsy zavatra nosaintsainina fotsiny izany, fa tena nitranga tokoa, ary fantatra araka izay nanehoana azy. Ny mpisorona sy ny levita izay niala ka nivily lalana dia teo anivon’ ny olona izay nihaino ny tenin’ i Kristy.IFM 535.3

    Raha mandeha avy any Jerosalema ho any Jeriko ny olona dia tsy maintsy mandeha mamaky ampahany amin’ ny efitr’ i Jodia. Midina mankao amin’ ny hantsana mangina, anaty vatolampy ny lalana, izay feno mpangalatra, ary matetika no ahitana herisetra izany. Teo no nisy namely ilay mpandeha, norobaina izay rehetra sarobidy teny aminy, noratraina sy nokapohiny izy, ary navela teo antsisin-dalana teo efa saiky maty. Raha nitsitra teo toy izany izy, dia tonga teo amin’ izany lalana izany ny mpisorona. Notopazany maso fotsiny ilay lehilahy maratra. Niseho indray ilay Levita. Liana te-hahalala izay nitranga, niondrika izy nijery ilay mijaly. Resy lahatra ny amin’ izay tokony hataony izy ; tsy adidy mahafinaritra anefa izany. Niriny ny tsy nandehanany tamin’ io lalana io, dia tsy ho nilainy ny hahita ity olona maratra ity. Nampanaiky ny tenany izy fa tsy mikasika azy izao.IFM 535.4

    Samy nanana asa masina ireo olona ireo, ary milaza ny tenany ho mpivaofy ny Soratra Masina. Anisan’ ny antokon’ olona nofidina manokana mba ho solontenan’ Andriamanitra eo amin’ ny vahoaka izy ireo. Tokony ho olona «mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania»2He. 5 : 2, izy ireo, mba ahazoany mitarika olona hahazo ny fitiavan’ Andriamanitra lehibe ho an’ ny taranak’ olombelona. Ny asa izay nantsoina ataony dia ilay efa nosoratan’ i Jesosy ho asan’ ny tenany raha hoy Izy hoe : «Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafalý amin’ ny malahelo Izy, naniraka Ahy hitory fandefasana ho an’ ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ ny jamba, hanafaka izay nampahoriana»3Lio. 4 : 18.IFM 536.1

    Mijery ny fahorian’ ny fianakavian’ Andriamanitra eto an-tany ny anjelin’ ny lanitra, ary omanina hiara-miasa amin’ olona izy mba hanamaivana ny fahoriana sy ny fijaliana. Ny fitondran’ Andriamanitra no nahatonga ilay mpisorona sy ilay Levita teo amin’ ny lalana nisy ilay maratra mijaly mitsitra, mba hahitany ny filàny famindrampo sy fanampiana. Ny lanitra manontolo no niandry hijery raha ho voatohina ny fon’ ireto olona ireto noho ny fangorahana ny fahorian’ olombelona. Ny Mpamonjy no Ilay nampianatra ny Hebreo tany an-efitra ; avy teo amin’ ny andri-rahona sy ny andri-afo no efa nampianarany lesona hafa noho izay efa noraisin’ ny vahoaka ankehitriny avy tamin’ ny mpisorona sy ny mpampianatra teo aminy. Ny famindrampo nomanin’ ny lalàna dia nihitatra hatramin’ ny biby ambany dia ambany aza, izay tsy afaka manambara izay iriny sy ny fijaliany. Nisy baiko nomena an’ i Mosesy ho an’ ny zanak’ Isiraely ny amin’ izany : «Raha hitanao mania ny ombin’ ny fahavalonao, na ny borikiny, dia havereno any aminy mihitsy izany. Raha hitanao ny borikin’ izay mankahala anao mihonaka ao ambanin’ ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa» 4Eks. 23 : 4, 5. Ilay olona noratrain’ ny mpangalatra koa, dia nasehon’ i Jesosy ho toy ny manjo amin’ ny rahalahy ao anaty fahoriana. Tokony ho voahet.sika bebe kokoa manao ahoana ny fony noho ny fangorahana azy mihoatra noho ny biby mpitondra entana ! Nomena azy tamin’ ny alalan’ i Mosesy ny hafatra milaza fa Jehovah no Andriamaniny, «Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny». Noho izany, mibaiko Izy hoe : «Tiava ny vahiny» ho tianao tahaka ny tenanao «izy»5Deo. 10 : 17-19. lev. 19 : 34.IFM 536.2

    Hoy i Joba hoe : «Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano ; fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana». Ary rehefa tonga tao Sodoma ireo anjely anankiroa naka ny endrik’ olona, dia niankohoka tamin’ ny tany i Lota ka nanao hoe : «Mba mivilia, ianareo, tompoko, ho ato an-tranon’ ny mpanomponareo, ka mandria anio alina» 6Joba. 31 : 32 : Gen. 19 : 20. Nahazatra ny mpisorona sy ny Levita ireny lesona ireny, nefa tsy nampihariny tao amin’ ny fiainany andavanandro. Notezaina tao amin’ ny sekolin’ ny fivavahana diso toerana teo amin’ ny firenena izy, ka nanjary tia tena, teri-saina, sy mamepetra. Rehefa mijery ilay maratra izy ireo, dia tsy hainy nolazaina na mpiray firenena taminy izy io na tsia. Noheveriny fa mety ho anisan’ ny Samaritana izy, ka nilaozany.IFM 537.1

    Teo amin’ ny fihetsika nataony, araka izay nitantaran’ i Kristy azy, dia tsy nahita na inona na inona izay nifanohitra tamin’ izay efa nampianarina mikasika ny fitakian’ ny lalàna ilay mpahay lalàna. Nisy toe-javatra hafa niseho anefa :IFM 537.2

    Nisy Samaritana iray, nandritra ny dia izay nataony, tonga teo amin’ izay nisy ilay olona nijaly, ka rehefa nahita azy, dia nalahelo azy. Tsy nanontany izy na Jiosy na Jentilisa io vahiny io. Raha Jiosy izy, dia fantatr’ ilay Samaritana tsara fa, raha nifanakalo ny toerana, dia ho nororany ny tavany, ka nilaozany sy nataony tsinontsinona izy. Tsy nisalasala izy anefa na dia izany aza. Tsy noheveriny ny amin’ ny tenany izay mety ho tandindomin-doza, ho tratry ny herisetra raha mitaredretra eo amin’ io toerana io. Ampy azy ny nahita fa nisy olombelona sahirana sy nijaly teo anatrehany. Nalany ny fitafiany mba handrakofany azy. Ny diloilo sy ny divay nomaniny hoentiny eny an-dalana no nampiasainy hitsaboana sy hanamaivanana an-dralehilahy naratra. Nakariny teo amin’ ny bibiny izy, dia nandeha moramora nanao dia miadana, mba tsy ho voahetsiketsika ilay vahiny, ka hampitombo ny fijaliany izany. Nentiny tany amin’ ny tranom-bahiny, ka nokarakarainy nandritra ny alina, nambenany tamim-pitiavana. Nony maraina, rehefa nihatsara ilay marary dia sahy nanohy ny diany ilay Samaritana. Alohan’ ny nanaovany izany anefa, dia napetrany hokarakarain’ ilay tompon’ ny tranom-bahiny izy, naloany ny lany ary nametraka vola ho azy izy, tsy afa-po tamin’ izany ihany izy, fa nanomana izay mbola mety hilainy ka hoy izy tamin’ ilay tompon-trano hoe : «Tsaboy izy ; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra ireto dia honerako, rehefa miverina aho».IFM 537.3

    Vita ny tantara, nampifantoka ny masony tamin’ ilay mpahay lalàna Jesosy, ary indray mitopi-maso dia toa namakiany izay tao amin’ ny fanahiny, ka hoy izy hoe : «Iza moa amin’ izy telo lahy no ataonao ho naman’ ilay azon’ ny jiolahy ?»IFM 538.1

    Na dia izao aza dia tsy nety niteny hoe Samaritana, ilay mpahay lalàna, ka hoy ny navaliny» hoe : «Ilay niantra azy». Hoy Jesosy : «Mandehana ka manaova toy izany koa».IFM 538.2

    Voavaly araka ny marina izany ilay fanontaniana manao hoe : «Iza no namako?» Nasehon’ i Kristy fa ny namantsika dia tsy izay iray fiangonana na iray finoana amintsika ihany. Tsy mikasika firazanana na volon-koditra na saranga izany. Ny namantsika dia ny olona rehetra izay. mila ny fanampiantsika. Ny namantsika dia ny fanahy rehetra izay noratraina sy nokapohin’ ilay fahavalo. Ny namantsika dia izay rehetra fananan’ Andriamanitra.IFM 538.3

    Ny tantaran’ ilay Samaritana tsara fanahy, dia naneho an-tsary an’ i Jesosy sy ny asany. Nofitahina, nokapohina, norobaina sy novonoin’ i Satana ny olona ka navela ho faty ; nangoraka ny toerana mampahantra antsika anefa ny Mpamonjy. Nilaozany ny voninahiny mba hahatongavany hamonjy antsika. Hitany isika fa efa ho faty ary noraisiny ho andraikitra ny momba antsika. Nitsabo ny ferintsika Izy. Notafiany tamin’ ny akanjom-pahamarinany isika. Nanokatra fialofana azo antoka ho antsika Izy, ka nanomana izay rehetra ilaintsika ho andraikiny. Maty mba hanavotra antsika Izy. Nanondro ny ohatra nomeny Izy raha niteny tamin’ ny mpanaraka Azy hoe : «Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo». «Aoka ho tahaka ny ,nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa»7Jao. 15 : 17 ; 13 : 34.IFM 538.4

    Ny fanontaniana napetrak’ ilay mpahay lalana dia hoe : «Inona no ataoko ?» Ary Jesosy, izay nanaiky fa ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny olona no fitambaran’ ny fahamarinana, dia namaly hoe : «Ataovy izany, dia ho velona hianao». Efa nankatò ny baikon’ ny fo malemy fanahy sy be fitiavana ilay Samaritana tsara fanahy, ary tamin’ izany dia nasehony fa mpankatò ny lalàna ny tenany. Nibaiko ilay mpahay lalàna hoe Kristy : «Mandehana, ka mba manaova toy izany koa». Manao, fa tsy miteny fotsiny, no antenaina eo amin’ ny zanak’ Andriamanitra. «Izay milaza fa mitoetra ao Aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa»81 Jao. 2 : 6..IFM 538.5

    Io lesona io dia tsy latsa-danja ankehitriny, noho ny fony izay nambaran’ i Jesosy teto amin’ izao tontolo izao. Efa saiky namono ny afon’ ny fitiavana ny fitiavan-tena sy ny fombafomba mangatsiaka, ka nampanjavona ireo fahasoavana izay tokony hitondra hanitra eo amin’ ny toetra amam-panahy. Betsaka amin’ ireo izay mitonona amin’ ny anarany no tsy mahita eo imasony intsony fa maneho an’ i Kristy ny kristiana. Raha tsy misy fahafoizan-tena iainana hanasoa ny hafa, eo amin’ ny faritry ny fianakaviana, eo amin’ ny mpifanolobodirindrina, eo amin’ ny fiangonana, ary na aiza na aiza misy antsika, ary na toy inona na toy inona filazantsika amin’ izany, dia tsy kristiana isika.IFM 539.1

    Namatotra ny tombon-tsoany amin’ ny an’ ny taranak’ olombelona Kristy, ka mangataka antsika Izy ho tonga iray Aminy ho famonjena ny taranak’ olombelona. «Efa nandray maimaimpoana hianareo, hoy Izy, koa manomeza maimaimpoana» 9Mat. 10 : 8. Ny fahotana no lehibe indrindra amin’ ny ratsy ary anjarantsika ny mangoraka sy manampy ny mpanota. Betsaka ny mirenireny ary mahatsiaro ny fahamenarany sy ny hadalany. Mosarena teny fampaherezana izy. Mijery ny fahadisoany sy ny tsy mety nataony izy, mandrapahatonga azy ho saiky voatariky ny fahamoizam-po. Tsy tokony hataontsika an-tsirambina ireny fanahy ireny. Raha kristiana isika, dia tsy hivily ho amin’ ny lalan-kafa, na hanalavitra araka izay azo atao ireo izay mila indrindra ny fanampiantsika. Rehefa mahita olombelona mijaly isika, na noho ny fahoriana, na noho ny fahotana, tsy hiteny na oviana na oviana isika hoe : Tsy mikasika ahy izao.IFM 539.2

    «Atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ ny fahamorana izy» 10Gal. 6 : 1. Atoseho hiverina amin’ ny alalan’ ny finoana sy ny fivavahana ny herin’ ny fahavalo. Manaova teny mitory finoana sy herim-po izay ho balisama manasitrana ho an’ ny voakapoka sy noratraina. Betsaka, eny betsaka no reraka sy kivy teo amin’ ny tolona goavana eo amin’ ny fiainana, nefa nisy teny iray nitondra famporisihana tamim-pahalemem-panahy ho nampahery azy handresy. Tsy tokony handalo fotsiny mihitsy amin’ ny fanahy mijaly isika ka tsy hiezaka hizara aminy ny fampiononana izay ampiononan’ Andriamanitra antsika.IFM 539.3

    Izany rehetra izany dia tsy inona fa fanatanterahana ny fotokevitry ny lalàna, — dia ny foto-kevitra izay hazavaina ao amin’ ny tantaran’ ny Samaritana tsara fanahy, ka naseho teo amin’ ny fiainan’ i Jesosy. Manambara ny tena dikan’ ny lalàna ny toetra amam-panahiny, ary mampiseho antsika ny tena dikan’ ny hoe tia ny namantsika tahaka ny tenantsika. Ary rehefa maneho famindrampo, fahalemem-panahy sy fitiavana amin’ ny olona rehetra ny zanak’ Andriamanitra, dia vavolombelon’ ny lanitra izy. Mijoro ho vavolombelona izy mampiseho fa «tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy» 11Sal. 19 : 7. Ary na iza na iza no diso ka tsy mampiseho io fitiavana io dia mandika ny lalàna izay lazainy fa hajainy. Ny toe-panahy izay asehontsika amin’ ny rahalahintsika mantsy, dia manambara ny toe-tsaintsika amin’ Andriamanitra. Ny fitiavan’ Andriamanitra ao am-po no hany loharanom-pitiavana mankany amin’ ny namantsika : «Raha misy manao hoe : Tia an’ Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy ; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, ataony ahoana no fitia an’ Andriamanitra Izay tsy hitany ?» Ry malala, «raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany»121 Jao. 4 : 20; 12.IFM 539.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents