Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hery Mifanandrina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizahan-takelaka

    Ala-sarona

    Misy hery anankiroa mifanandrina eto amin’ izao tontolo izao. Ary tsy teto ihany no nifanandrinan’ izy ireo, fa efa tany an-danitra koa, tany amin’ izay misy ny seza fiandrianan’ Andriamanitra mihitsy, tao amin’ ny foiben-toeram-pifehezana ny tontolo rehetra. Tafafindra tetý an-tany ny ady ; ary hatrany Edena ka mandrak’ ankehitriny dia tsy manam-pitsaharana izany.HM 7.1

    Tsy inona ireo hery ireo fa ny mazava sy ny maizina, ny marina sy ny fahadisoan-kevitra, ny fahamarinana sy ny fahotana, ny tsara sy ny ratsy, ny fiainana sy ny fahafatesana, Andriamanitra sy Satana.HM 7.2

    Ary isika, zanak’ olombelona, dia tsy mpitazana fotsiny amin’ izao ady izao, fa mandray anjara koa. Ny saha fiadiana dia tsy izao tontolo izao ihany, fa ny fontsika isam-batanolona koa.HM 7.3

    Ny mpanoratra, Ramatoa E —G. White, dia nanoratra boky miisa amam-polony maro. Ny iray amin’ ireny boky ireny, «Ny Dia ho eo amin’ i Kristy», dia efa tafahoatra ny zato ny fitenim-pirenena namoahana azy. Efa mivoaka amin’ ny teny malagasy ny bokiny mitondra ny lohateny hoe : «Tana-masoandron’ ny Fahasalamana». Ireny boky ireny dia mitory fahafantarana lalina ny Soratra Masina. fiainana ara-panahy velona sy mahavokatra avy amin’ ny fifaneraserana akaiky tamin’ i Kristy, ary koa «fahiratana» manokana izay nahatsinjovany, toy ny amin’ ny fahitana, izay ao am-badiky ny tantara sy ny zava-misy ankehitriny ary ny ho avy koa. Kanefa tsy mihataka na kely akory aza amin’ ny fampianaran’ ny Baiboly.HM 7.4

    Ato amin’ ity boky ity, dia mitondra ny mpamaky eo antampon’ ny tendrombohitra anankiray ny mpanoratra, izay ahatazanany an’ ireo hery roa ireo mifanandrina mandritra ny taonjato maro, hatramin’ ny taona faha-70 amin’ izao fanisana kristiana izao, izay nandravan’ ny Romana an’ i Jerosalema ka tafapaka hatramin’ ny vaninandro misy antsika ankehitriny. Tsinjo ireo taonjato nanenjehan’ ny amperora roman,a jentilisa ny fivavahana kristiana ka nampandriaka ny ran’ ny martioran’ i Jesosy — ra izay nanjary zezika mainka nampiroborobo ny finoana. Arahi-maso ny fidiran’ ny fiangonana tao amin’ ny haizin’ ny Andro Antenantenany. Tao anatin’ izany mamatonalina izany dia nanjary mpanenjika ilay fiangonana nenjehina teo aloha. Nangotraka ny fifanandrinana tamin’ ny andron’ ny Fanavaozam-pivavahana tamin’ ireo tany samihafa tany Eoropa, indrindra tany Frantsa. Nandà ny mazava ity firenena ity ka ny todin’ izany dia ny fisavoritahana nahatsiravina niseho tamin’ ny andron’ ny Horohoro.HM 7.5

    Dia miantefa amin’ ny fiposahan’ ny «andro moderna» ny fijerintsika : niforona ireo fikambanana samihafa nandefa iraka eran-tany hitory ny filazantsara; niorina koa ny Fikambanana Mampiely Baiboly tany Angletera; ary re nanakoako hatraiza hatraiza tany Eoropa, Azia, indrindra Amerika ny fanambarana fa manakaiky ny farany, izay nahatonga fifohazana lehibe. Nirongatra koa anefa ny hery ankilany ka teraka ny Spiritisma na ny filalaovana angatra, ary i Satana dia miady fo hanamaivana sy hanafoana ny didin’ Andriamanitra, indrindra ilay anankiray manondro Azy ho Mpamorona izao rehetra izao. Tsy mangina koa anefa Andriamanitra fa mandefa hafatra hotorina eran-tany, dia ny Filazantsara mandrakizay hitaomana izay rehetra mety handray an’ i Kristy sy hampiseho ny finoany amin’ ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra rehetra. Eo no hirehitra ny ady farany. Ho vaky roa izao tontolo izao ; ary ny olona tsirairay dia tsy maintsy hisafidy izay fahefana ara-panahy hekeny, ka amin’ izany no hanisiany lombo-kase izay ho anjarany mandrakizay. Manakaiky izany fara-tampony izany ny fifanandrinana. Kristy anefa no tsy maintsy mandresy ; ary handresy koa «izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky»(Apokalypsy 17 ; 14).HM 8.1

    Ny boky dia miafara amin’ ny fahitana be voninahitra ny fandresen’ ny fahamarinana sy ny fiorenan’ ny fanjakam-piadanana tsy ho rava intsony.HM 8.2

    Olona maro eran-tany no efa voataonan’ ny famakiana an’ ity boky ity ho eo an-tongotry ny Mpamonjy, Jesosy Kristy ; ary izany koa no fanirianay ombam-bavaka, ho anao mpamaky, noho ny fahasoavan’ Andriamanitra.HM 8.3

    Ny Mpandraharaha

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents