Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 17 - Ilay Fihemorana Lehibe

    Nentina tany amin’ny fotoana izay nanenjehan’ireo mpanompo sampy jentilisa, tamin’ny fomba mahatsiravina ireo kristianina ary ny namonoan’izy ireo azy ireo aho. Nikorina tahaka ny riaka ny rà. Ireo mendri-kaja ireo manam-pahaizana ary ireo sarabambem-bahoaka dia samy novonoina tsy misy hafa tsy nisy indrafo. Ireo fianakaviana manan-karena dia nampahantraina satria tsy nety nandao ny fivavahany izy ireo. Na dia teo aza ireo fanenjehana sy ny fahoriana izay niaretan’ireo kristianina dia nitoetra ho tsy azo nohozongozonina izy ireo. Nitahiry ny fahadiovan’ ny fivavahany izy ireo. Hitako fa nihobim-pandresena I Satana noho ireo fahoriana nihatra tamin’ireo vahoakan’Andriamanitra. Nefa Andriamanitra nijery tamimpankasitrahana lehibe ireo maritiorany mahatoky sy ireo kristianina izay niaina tamin’izany fotoana mampatahotra izany dia notiavin’Andriamanitra manokana; satria vonona ny hijaly ho Azy izy ireo. Isaky ny fahoriana izay niaretan’izy ireo dia nampitombo ny valisoan’izy ireo any an-danitra. Kinanjo, na dia niravoravo aza I Satana noho ireo olo-masina nijaly dia tsy mbola afa-po tanteraka izy. Niriny mantsy ny hifehezany ny sain’izy ireo tahaka ny nataony tamin’ny vatany. Ireo fahoriana izay niaretan’ireo martiora ireo dia nitondra azy ireo hifandray ety dia ety tamin’Andriamanitra, sy nahatonga azy ireo nifankatia ary nitarika azy ireo, hatahotra tsy nisy toa azy na oviana na oviana ny hanao izay zavatra nampahatezitra an’ Andriamanitra. Nirian’I Satan ny hitarika azy ireo hanao zavatra izay hampalahelo an’Andriamanitra, ka ho veriny ny herin’izy ireo ny tanjany sy ny faharetan’izy ireo. Na dia teo aza ireo kristianina an’arivony maro izay novonoina ireo dia maro kosa no nirohotra mba hisolo ny toeran’izy ireo. Hitan’I Satana ary fa very olona izy satria na dia voatery niaritra fanenjehana sy fahafatesana aza ireo dia nifikitra tamin’I Jesosy Kristy ihany izy ireo mba ho tonga ho olon’ny fanjakany. Ka dia manao tetika mahomby kokoa noho ny teo izy ( Satana ) mba hanoherana ny fitondran’Andriamanitra sy hanonganany ny fiangonana. Notarihiny ireo mpanompo sampy jentilisa mba hanaiky ny sasany amin’ny finoana kristianina. Nanaiky am-pahibemaso izy ireo fa mino ny fanomboana sy ny fitsanganan’I Kristy tamin’ny maty, nefa tsy niaraka tamin’ny fiovam-po izany ary naniry ny hiray tamin’ireo mpianatr’I Jesosy izy ireo. O! izany ka loza mampatahotra ho an’ny fiangonana!. Fotoana nahatonga tebiteby ara-tsaina izany. Nieritreritra ny sasany fa raha manatona ireo mpanompo sampy ary mikambana amin’ireo ka nanaraka ny sasantsasany amin’ireo finoana kristianina dia fomba mety hitarihana azy ireo amin’ny fiovam-po izany. Tahak’ izany no nitadiavan’ i Satana hanimbana ny foto-pampianaran’ ny Baiboly. Ary farany dia nahita aho fa nitotongana ilay tanjona ambony kristianina ary ny jentilisa niray tamin’ny kristianina marina. Mpiankohoka tamin’ny sampy izy ireo taloha, ka na dia nanao azy ho kristianina aza izy ireo dia mbola nentiny niaraka taminy tao am-piangonana ihany ireo fanompoan-tsampiny. Tsy nanao izy afa-tsy ny nanova ieo zavatra momba ny fanompoan-tsampiny nosoloany an’ ireo sarin’ olo-masina, ary mitovy amin’ izany ny an’i Kristy sy ny an’ i Maria reniny. Arakaraky ny niraisan’ ny mpianatra tamin’ ireo, dia nihasimba ny fivavahana kristianina ary veriny ny fahadiovany sy ny hery izay nananany. Ny sasany koa nandà ny firaisana amin’izy ireo mba hahazoany mitahiry ny fahadiovany sy niankohoka tamin’Andriamanitra irery ihany. Tsy neken’izy ireo ny hiankohoka teo anoloan’ireo sarin’ireo zavatra mety ho endriky ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony na izay ety amin’ny tany ambany.HM58 41.4

    Nihobim-pandresena I Satana nohon’ny fahalavoan’ny maro tamin’ ny kristianina. Ary namporisihany ilay fiangonana lavo mba hanery ireo izay mitana ny fahadiovan’ny fivavahan’izy ireo, mba hifidy na hanaraka ny fivavahan’izy ireo sy ny fiankohofana amin’ny sarin-javatra na hovonoina ho faty. Nirehitra indray ny afon’ny fanenjehana ireo fiangonana marin’I Jesosy Kristy ary an-tapitrisany maro no novonoina tsy misy indrafo.HM58 41.5

    Indreto no naseho ahy novelarina tamiko tamin’ny fomba toy izao nanaraka izao izany: Nisy vondrona mpanompo sampy jentilisa lehibe iray nitanjozotra faneva mainty izay nisy sarin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Io vondrona io dia toa tezitra mafy sady feno habibiana. Dia naseho ahy indray, vondrona iray hafa izay nitondra faneva fotsy tsy misy pentipentina ary teo amboniny nisy soratra hoe: “Fahadiovana sy fahamasinana ho an’ny Tompo” Ny endrik’ ireo izay ao anatin’ io vondrona io dia mitaratra ny fahatokiana sy ny fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra masina. Hitako ireo mpanompo sampy jentilisa nanatona azy ireo ary dia nisy vonoan’olona betsaka tamin’izay. Maro ireo kristianina izay nitsonika teo anoloan’izy ireo tahaka ny oram-panala; fa ireo vondrona kristianina mahatoky ireo nifamihina mafy tao amin’ ny laharany niaraka hatrany ary nampiakatra avo hatrany ny fanevany. Arakaraky ny kristiana lavo, dia maro toy izany koa ireo mivondrona manodidina ny faneva nisolo ny toeran’ izy ireny.HM58 42.1

    Hitako ilay vondron’ny mpanompo sampy niaraka nifampila hevitra. Tsy nahomby izy ireo tamin’ny tetika izay nataony mba hahatonga ireo kristianina hanaraka azy, ka dia nanapa-kevitra hanao drafitra hafa izy ireo.HM58 42.2

    Hitako izy ireo nampidina ny fanevany ary nanatona ny vondron’ ny kristianina nijoro io, ary nanolotra soson-kevitra tamin’izy ireo. Tamin’ny voalohany dia nolavina an-kitsirano izany soso-kevitra izany. Avy teo dia nahita ilay vondrona kristianina nifampila hevitra niaraka aho. Nilaza ny sasany fa tokony hampidinina ny faneva’n izy ireo ka hanaiky ny tolo-kevitra mba hamonjena ny ainy; amin’ ny farany dia hihahery izy ireo ary hanandratra ny fanevany eo ampo-am-povoan’ ireo Jentilisa ireo. Ny sasany tsy naniry ny hahafoy fa naleony maty eo amim-panohanana ny fanevany toy izay hampidina azy. Hitako anefa fa maro be ireo izay nampidina ny trano lainy ka nikambana tamin’ ireo Jentilisa; nefa ireo izay nahatoky dia nandray ny azy indray ka dia nanondrotra azy indray. Hitako fa nialàna fatratra ny vondron’ ireo izay mitondra ny faneva tsy misy pentipentina mba hikambana amin’ ny Jentilisa mpanompo sampy ho eo amin’ ny faneva mainty, izay manenjika ireo mahatoky. Betsaka no novonoina. Nefa ilay faneva tsy misy pentipentina dia voahazona ambony foana, ary mpino maro no tsy mitsahatra mivory manodidina azy.HM58 42.3

    Hitako niara-nivory ilay vondron’ny mpanompo sampy. Tsy nahomby izy ireo tamin’ny fitaomana ireo kristianina mba handao ny finoany, ka dia nanapa-kevitra ny hanao tetika hafa indray ireo. Hitako nampidina ny fanevany izy ireo ary nanatona ilay vondrona kristianina mahatoky ka nanome soso-kevitra azy ireo. Tamin’ny voalohany dia nolaviny an-kitsirano ireo soso-keviny. Nony avy eo dia nahita ilay vondrona kristianina nifamory aho. Nilaza ny sasany fa tokony hampidina ny faneva izy ireo, ary hanaiky ny sosokevitra, mba hahavoavonjy ny ainy, ary amin’ny farany dia afaka ny hahazo hery izy ireo amin’ny fampiakarana ny fanevany miaraka amin’ireo mpanompo sampy jentilisa. Ny sasany kosa dia tsy te hanaiky izany plana izany fa nisafidy tamim-pahatokiana ny ho faty amin’ny fihazonana ny fanevany toy izay hampidina izany. Rehefa afaka izany dia nahita olona maro tamin’io vondrona kristianina io aho, nampidina faneva , ary niray tamin’ireo jentilisa; nandritra izay anefa dia nandray ilay faneva ireo nahatoky sy ireo nijoro ka nitondra izany ambony kokoa indray. Nahita olona maro tsy an-kijanona niala ny vondron’ireo nitondra ilay faneva madio aho ary nanatona ireo mpanompo sampy ka nikambana ho iray teo ambanin’ilay faneva mainty mba hanenjika ireo nitondra ilay faneva fotsy ary dia maro no novonoina. Kanefa dia voatazona ambony hatrany ilay faneva fotsy ary olona maro no nitsangana mba hivondrona manodidina izany.HM58 42.4

    Ny Jiosy izay nitarika voalohany ny haromotan’ny jentilisa tamin’I Jesosy dia tsy ho afa-mandositra. Tao amin’ny efitrano fitsarana dia niantsoantso ireto Jiosy romotra raha mbola nisalasala ny hanameloka an’I Jesosy I Pilato hoe: “Ho aminay sy ny zanakay anie ny rany!” Ny taranaky ny Jiosy no nanandrana ny fahatanterahan’ity ozona mahatahotra ity izay izy tenany ihany no nampidina izany teo amin’ny lohany. Ny jentilisa sy ireo izay milaza azy ho Kristianina dia mitovy amin’ny fahavalony. Ireo mihambo ho kristianina tamin’ kafanam-pony ho amin’ny hazo fijalian’I Kristy, satria nanombo an’I Jesosy ny Jiosy dia nihevitra fa ny fampijaliana mafy kokoa izay azony atao amin’izy ireo no hahafahany mampifaly tsaratsara kokoa an’Andriamanitra. Ka dia maro tamin’ireo Jiosy tsy mpino no novonoina ary ny sasany kosa nohazaina tetsy sy teroa ka nohelohina tamin’ny fomba maro isan-karazany.HM58 42.5

    Ho eo amin’izy ireo ny ran’I Kristy sy ny ran’ireo mpianatra izay nohelohiny ho faty tamin’ny fitsarana mahatahotra nolalovany. Hanaraka azy ireo hatrany ny fanozonan’Andriamanitra ary dia nataon’ireo jentilisa sy ireo izay milaza azy ho Kristianina fihomehezana izy ireo. Nankahalaina nandosirana sy nalam-baraka izy ireo toy ny hoe teo aminy ny sabatr’I Kaina. Nefa hitako, fa arovan’ Andriamanitra tsara ny vahoakany; izay nampieleziny eran’ ny tany rehetra mba hahitany fa izy ireo no fototry ny ozon’ Andriamanitra. Hitako fa Andriamanitra dia nandà ny Jiosy amin’ny maha-firenena azy; nefa amin’ izay maha-isam-batan’ olona, dia mbola afaka mibebaka indray izy ireo ary handrovitra ilay sarona izay manarona ny fony ary misakana azy ireo tsy hahafantatra ny Tenin’ Andriamanitra, amin’ izay dia hahita izy ireo fa tanteraka ny voalazan’ ny faminaniana ny momba azy ireo ka handray an’I Jesosy ho Mpamonjin’izao tontolo izao izy ireo ary hohitany ny fahotana lehiben’ny fireneny tamin’ny fandavana an’I Jesosy sy ny nanombohany Azy. Ka dia hiova fo ny tsirairay amin’ireo Jiosy; fa amin’ny maha-firenena azy kosa dia nandà an’Andriamanitra mandrakizay izy ireo.HM58 42.6

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents