Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 21 - Ny Firaisan’ Ny Fiangonana Amin’ Izao Tontolo Izao

    Taorian’izay dia nivory I Satana sy ireo anjeliny nandinika izay fandresena rehetra azony. Marina fa nisy sasan-tsasany tamin’ireo fanahy osa no tsy navelany hanaraka ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny tahotra ny ho faty; kanefa maro kosa , eny fa na dia ireo fanahy farany osa indrindra aza no nandray ny fahamarinana teo dia niala tamin’izy ireo teo no ho eo ihany ny tahotra, sy ny hasarotan-kenatr’izy ireo, ary satria nanatrimaso ny fahafatesan’ireo rahalahiny izy ireo , ary nahita ny fahatokiany sy ny faharetany , dia nahalala avy tamin’izany izy ireo fa Andriamanitra sy ireo anjeliny dia nanampy azy ireo hatrany mba haharitra izany fampijaliana izany, ka dia nitombo avofolo heny ny fahasahiana sy tsy fananan-tahotr’ izy ireo. Koa raha nantsoina mba hanolotra ny ainy izy ireo dia mbola nitazona ny finoany hatrany tamim-paharetana syamimpahatokiana nampitolagaga, ka nahatonga eny fa na dia ireo mpamono azy ireo hangovitra teo am-pahitana izany.HM58 49.1

    Tapa-kevitra I Satana sy ny anjeliny fa nisy fomba mahomby kokoa mba hanapotehina ny fanahy ary fomba mety hahazoam-pahombiazana kokoa. Na dia nantsoina ho amin’ ny fahoriana aza ireo kristianina, ny fijoroany ho mahatoky , ary ny fanantenana mamirapiratra izay nampirisik’azy ireo dia nahatonga an’ireo izay nalemy indrindra handroso hery , ary nahatonga azy ireo ho afaka hiatrika ireo fampijaliana sy ny lelafon’ atonta hitay dia tsy mahakivy azy ireo. Naka tahaka ny fitondran-tena mendrikaja izay nananan’I Kristy izy ireo tamin’Izy niseho teo anatrehan’ireo mpamono Azy; ka dia maro no resy lahatry ny fahamarinana tamin’ny fahitany ny tsy fiovan’izy ireo sy ny voninahitr’Andriamanitra izay nipetraka teo amin’izy ireo.HM58 49.2

    Ary amin’ izany dia nanapa-kevitra i Satana fa ho moramora no fomba hampiasainy. Efa nanimba ny fotopianaran’ny Baiboly izy, ka dia niorimpaka lalina tokoa ny lovan-tsofina izay nahavery ireo olona amantapitrisany maro. Nesoriny ny fomba halany ary nanapa-kevitra izy ny nanolo-tsaina ireo mpiara-miasa aminy mba tsy hanao ireo fanenjehana mahatsiravina ireny intsony, fa kosa hitarika ny fiangonana mba hitolona, tsy ho amin’ny finoana izay nomena ireo olo-masina fahiny, fany hanarahany ireo karazam-pivavahan’ ny lovantsofina isan-karazany. Rehefa azony ny fiangonana ka nanaiky ny handray ny fankasitrahana sy ny voninahitr’izao tontolo izao , amin’ny fiheveran-diso fa hahazoan’izy ireo tombontsoa izany, kanefa dia fiantombohany manary ny fankasitrahan’Andriamanitra azy izany. Ka dia nanary miandalana ny fahefany ny fiangonana , satria niodina tsy nanambara ny tena fahamarinana mahitsy izay nanaisotra tsy ho ao anatiny ireo izay tia ny fahafinaretana sy ireo naman’izao tontolo izao.HM58 49.3

    Ary amin’ izany dia tsy vahoaka nitokana sy niavaka intsony ny fiangonana izay niavaka sy nitokana tokoa tamin’ny fotoanan’ny afon’ny fanenjehana nirehitra taminy. Fa dia nahoana loatra re no nihamatroka ilay tena volamena? Nahoana no niova ilay volamena farany tsara indrindra? Hitako fa raha mbola nihazona hatrany ilay toetrany manokana masina sy niavaka izay nananany ny fiangonana ilay herin’ny Fanahy Masina izay nomena an’ireo mpianatra dia mba nomena azy ireo koa. Dia ho sitrana ny marary, hovoaroaka ny devoly, ary dia ho nahery ny fiangonana ary tahotra ho an’ireo fahavalony.HM58 49.4

    Hitako fa vondron’olona maro be no nilaza azy ho nanaiky ny anaran’I Kristy, nefa tsy nahalala azy ireo ho toy ny azy akory Andriamanitra. Tsy nahafinaritra Azy akory na tamin’inona na tamin’inona izy ireo. Toa mitafy ny toetran’ny mpivavaka I Satana ary maniry indrindra izy ny mba hieritreretan’ireo vahoaka koa fa Kristianina izy ireo. Tsy mampaninona azy akory ny mahafantatra fa mpino an’ I Jesosy, sy ny nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana , ary ny fitsanganany tamin’ny maty , izy ireo . Satana sy anjely dia mino tanteraka koa an’izany rehetra izany ary mangovitra. Kanefa raha tsy miteraka asa tsara izany finoana izany, ary mitarika ireo izay manaiky izany haka tahaka ny fiainana feno fandavan-tenan’I Kristy dia tsy ho voaelingelin’ I Satana izy, satria mitafy ny anarana Kristianina fotsiny ihany izy ireo , kanefa ny fon’izy ireo dia mbola nitoetra ho ara-nofo hatrany, ka dia azony ampiasainy tsara kokoa amin’ny asany, noho ny hoe tsy nanao fanekem-pinoana mihitsy izy ireo. Afenin’izy ireo ao ambanin’ilay anarana hoe Kristianina ny haratsian’izy ireo. Mbola nandeha amin’ny toetra tsy nohamasinina izy ireo, sy tsy mbola nandresy ireo filandratsiny ka izany no hararaotin’ ireo tsy mpino ny fanamafisana ny tsy fahatokiany ny Anaran’ I Kristy, tahak’ izany koa ireo izay mandeha amin’ ny fivavahana madio sady tsy misy loto. Ireo mpitondra fivavahana dia mitory zavatra mahafinaritra izay mandokadoka ireo Kristianina ara-nofo. Izany indrindra no tena irin’ i Satana. Tsy sahin’izy ireo ny mitory an’I Jesosy sy ireo fahamarinana maranitra izay ao anatin’ny Baiboly; satria raha manao izany izy ireo dia tsy hihaino azy, ireo Kristianina anarany fotsiny ireo. Maro amin’izy ireo no manankarena be, ka tsy maintsy tazonina ao am-piangonana , eny fa na dia tsy mendrika ho ao intsony noho ny satana sy ny anjeliny aza. Natao ho tiam-bahoaka sy ho mendrika hohajaina eo imason’izao tontolo izao ny fivavahan’I Jesosy. Nolazaina tamin’ireo vahoaka fa ireo izay manao azy ho mpivavaka dia hohajain’ny rehetra be be kokoa. Mifanohitra tanteraka amin’ny fampianaran’I Kristy izay fampianarana rehetra izany. Ny fotompampianarany sy ny an’izao tontolo izao dia tsy hifanaraka velively. Ireo rehetra izay nanaraka an’ I Kristy dia tsy maintsy mandà an’ izao tontolo izao. Avy tamin’I Satana sy ny anjely ireo fampianarana mandrobo ireo. Nanamboatra planina izy ireo mba harahin’ireo Kristianina anarany fotsiny izany. Nitambatra tamin’ny fiangonana ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo mpanota. Nampianarina ireo angano mahafinaritra ary noraisina tamim-pankasitrahana izany. Fa raha notoriana tamin’ny fahadiovany izany fahamarinana izany dia nandroaka haingana ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo mpanota an-karihary tsy hiray amin’ ny fiangonana izany. Fa tsy nisy ny fisamihafana teo amin’ireo izay nihambo ho mpanara-dia an’I Kristy sy izao tontolo izao. Hitako fa raha nesorina teo an’ireo mambran’ny Eglizy ilay sarona lainga, dia hiseho ireo tsy fahamarinana, faharabiana ary ny fahalovana, ka dia hiantso azy ireo amin’ny tena anarany tsy amim-pihambahambana ireo Zanak’Andriamanitra farany saro-kenatra indrindra hoe: “Zanaky ny Devoly rainareo, satria ny asany no ataon’izy ireo. Naharikoriko an’I Jesosy sy ny anjelin’ny lanitra manontolo ny nijery an’io sehatra io; kanefa Andriamanitra dia nanana hafatra masina sy nanan-danja ho an’ny fiangonana. Koa, raha noraisiny izany dia hitondra fanavaozana lehibe ho an’ny fiangonana , ka hamelona indray ilay fijoroana vavolombelona velona izay handroaka ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo mpanota ary hitondra indray ny fiangonana eo amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra.HM58 49.5

    Jereo Isaia 30:8-21; Jakoba 2:19; Apokalypsy toko 3.HM58 49.6

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents