Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 25 - Voaseho An-Tsary Ny Fihetsehana Advantista

    Nahita vondron’olona maromaro aho izay toa voafatotra miaraka tamin’ny tady. Maro koa tamin’ireo no tao anatin’ny fahamaizinana tanteraka. Nahitsy teo ambonin’ny tany ny mason’izy ireo ary toa tsy misy fifandraisana mihitsy teo amin’izy ireo sy Jesosy. Nahita olona maromaro niavaka aho izay niparitaka tany anatin’ ireo vondron’ olona teo nanana endrika feno hazavana , ary nibanjina ny lanitra ny mason’izy ireo. Nisy ireo tara-pahazavana avy amin’I Jesosy, toy ny tara-pahazavan’ny masoandro nomena azy ireo. Nandidy ahy mba hijery amim-pitandremana fatratra ilay anjely iray, ka dia nahita anjely iray hafa aho izay niahy ny tsirairay tamin’ireo izay nanana ilay tara-pahazavana, ary raha mbola nanodidina ireo izay tao anatin’ny haizina ireo anjely ratsy. Nahare feon’anjely niantso aho nanao hoe: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy fa ho tonga ny andro fitsarany”HM58 55.4

    Nitoetra tamin’ireo vondrona ireo ilay hazavana be voninahitra , mba hanazava ireo rehetra izay nandray izany. Nandray ilay hazavana ny sasany tamin’ireo izay nitoetra tao anatin’ny fahamaizinana ka dia mifaly ; Ny sasany kosa tsy nanohitra an’ io hazavana avy any an-danitra io, ary nilaza fa famitahana fotsiny io mba hahatonga azy ireo ho very. Niala lavitra azy ireo ilay hazavana ka dia navela tao anatin’ny haizina izy ireo. Ireo izay nandray ilay hazavana avy any an-danitra dia nanombana izany ambony dia ambony ka nankamamy fatratra ilay fitomboan’ ilay hazavana sarobidy izay narotsaka tamin’izy ireo. Nazava sy namiratra ny hafaliana ny tarehin’izy ireo, nandritra ny fotoana izay nanatodihany ny masony tamin’I Jesosy tamimpahalianana lehibe, ary heno ho nirindra niaraka tamin’ny feon’ilay anjely sy feon’izy ireo : “Matahora an’Andriamanitra; ka omeo voninahitra Izy fa tonga any andro fitsarany”.HM58 55.5

    Rehefa nampanakoako izany hafatra izany izy ireo, dia hitako ireo izay tao anatin’ny haizina fa nanosika mafy azy ireo tamin’ny tehezany sy tamin’ny sorony. Noho izany, maro tamin’ireo izay nanombana an’ ilay hazavana masina no nanapaka ireo tady izay namatotra azy ireo, ary nihataka niala tamin’ ireo vondrona ireo. Ary satria maro ireo izay nanapaka ireo tady izay namatotra azy ireo , dia nandalo tamin’izany ireo olona izay mpikambana tao amin’ireo vondrona isan-karazany, izay nohajain’izy ireo tokoa, ny sasany nanao teny nahafinaritra, fa ny sasany kosa mijery azy ireo tamim-pahatezerana ka nanao fihetsika mandrahona: nanamafy ireo tady izay efa nihanalemy, ary nilaza tsy an-kijanona hoe: “Miaraka amintsika Andriamanitra”. Mitoetra ao anaty hazavana isika. Manana ny fahamarinana isika. Nanontany aho hoe: iza moa ireo olona ireo. Dia nolazaina ahy fa ireo dia mpitondra fivavahana sy lohany teo amin’ ireo izay nandà ilay hazavana ho an’ny tenany manokana, ka tsy tiany koa ny handraisan’ny hafa izany.HM58 55.6

    Hitako ireo izay nankamamy ilay hazavana nibanjina tamim-pahalianana sy tamim-pamiranana mafana, izay nanantena an’I Jesosy ho avy ka handray azy ireo ho any Aminy.Tsy tapitapitr’izay dia nisy rahona nandrakotra ireo izay nifaly tamin’ilay hazavana, ka dia hita nisoritra teny amin’ny tarehiny ny fahasahiranan-tsaina. Nanontany ny hevitr’ilay rahona aho. Naseho ahy fa ny fahadisoam-panantenan’izy ireo izany. Lasa ny fotoana izay niandrasan’izy ireo ny Mpamonjiny nefa tsy tonga I Jesosy. Manoloana an’ ireo hahakiviany izay nitoetra tao amin’izy ireo ka ireo olona izay notanisaiko teo aloha kosa, dia ireo mpitondra fivavahana sy mpitarika, nifaly. Fandresena lehibe no azon’ireo izay nandà ilay hazavana, ary tamin’izay dia nihobim-pandresena nanodidina azy ireo koa I Satana sy ny anjely ratsiny.HM58 55.7

    Rehefa afaka izany, dia nahare feon’anjely hafa iray indray aho nanao hoe: “Rava, Rava, Babylona” Namirapiratra tamin’ireo kivy ireo ny hazavana iray, ary tamim-paniriana fatratra ny fisehoan’ i Jesosy, nibanjinan’ ny tany ambony ny mason’izy ireo. Indrisy tamin’I Kristy. Taorian’izay dia nahita anjely maromaro aho niresaka tamin’ilay anjely faharoa izay niantsoantso “Rava, Rava!Babylona”, dia nikambana tamin’ ireo izy ka nampiakatra ny feony niaraka tamin’ilay anjely faharoa ireo anjely, ary niantsoantso hoe: “Indry ny mpampakatra ! mivoaka mba hitsena Azy !” Toa nahenika ny tany rehetra ilay feo miraondraonan’ireo anjely: Namirapirapiratra nanodidina ireo izay nankamamy ny hazavana izay natolotra azy ireo, ny hazavana nanjelanjelatra sy be voninahitra iray. Namirapiratry ny voninahitra lavorary ny tavan’izy ireo, ka dia nikambana tamin’ireo anjely izy ireo tamin’ilay fiantsoana “Indry, ny mpampakatra!. Ary raha nampiakatra ilay antso tamim-pirindrana tamin’ireo vondrona maro isan-karazany izy ireo, dia natosik’ireo izay nandà ilay hazavana ireo kristianina ireo, ary tamin’ny fijery feno fahatezerana no nanaovany tsinotsinona sy namazivaziany azy ireo. Namelatra ny elany anefa ireo anjelin’Andriamanitra mba handrakotra ireo voaenjika, raha nikatsaka ny hanamafy ilay haizina nanodidina azy ireo sy nitondra azy ireo mba handa ilay hazavana avy any an-danitra i Satana sy ireo anjeliny.HM58 56.1

    Nony afaka izay, dia nahare feo nilaza tamin’ireo izay natositosika sy natao ho fihomehezana aho nanao hoe: “Koa mivoaha eo aminy hianareo, ary aza manendry izay zavatra tsy madio.” Mba ho fankatoavana an’ izany feo izany, dia maro ireo olona izay nanapaka ireo tady izay namatotra azy ireo, tamin’ ireo mpanenjika azy, ary nandao ireo izay tao anaty haizina izy ireo, ka niray tamin’ireo mahatoky izay efa nanapaka ny tady taloha, sy efa nahazo fahafahana ary niray feo tamim-karavoana izy ireo. Ary nahare feombavaka mafana sy feno fitiavana izay nasandratr’ireo olom-bitsy izay nijanona niaraka tamin’ireo vondrona izay nitoetra tao anaty haizina aho. Nandalo nanodidina ireo vondrona isan-karazany ireo mpitondra fivavahana sy ireo mpitarika ny olona ary dia vaomaika nanamafy ny famatoran’ ireo tady hatrany izy ireo. Nefa mbola reko hatrany ireo feom-bavaka mafana ireo. Rehefa afak’izany , dia hitako ireo izay nivavaka nananty ny tanany mba hitady vonjy tamin’ilay vondrona iray afaka, izay nifaly tao amin’Andriamanitra. Satria nijery tamin-kafaliam-po ny lanitra izy ireo, dia izao no valin-teny avy tany sady nanondro azy ireo ny lanitra: “Mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraka aminy”. Dia nahita ireo olona samy nitolona mafy tsirairay ho amin’ny fahafahana aho; ka nony farany dia nanapaka ireo tady izay namatotra azy ireo izy ireo, sady nanohitra ireo ezaka rehetra izay natao hanamafisana ny faneren’ ireo tady izy ireo ary tsy nihaino ireo filazana izay naverimberina hoe: “Miaraka amintsika Andriamanitra, manana ny fahamarinana isika”.HM58 56.2

    Nanohy ny fialana tamin’ireo vondrona izay tao anatin’ny haizina ireo olona, ka nanatona ireo vondrona afaka izay toa nipetraka tao amin’ilay toerana malalaka nasandratra ambonin’ny tany. Nibanjina ny lanitra ny fijeriny ary nitoetra tao aminy ny voninahitr’Andriamanitra, ka dia nihira fiderana an’Andriamanitra izy ireo. Niray izy ireo ary toa voarakotry ny hazavan’ny lanitra. Nanodidina ity vondrona ity dia nisy ireo izay tonga nohon’ny fisarihan’ilay hazavana fotsiny ihany kanefa tsy miray tanteraka tamin’ilay vondrona. Nibanjina ny lanitra tamim-pahalianana fatratra ireo rehetra izay nankamamy ilay hazavana nanazava an’izy ireo. Nijery azy ireo tamim-pankasitrahana mamy I Jesosy. Niandry ny fahatongavan’I Jesosy izy ireo, ary naniry fatratra ny fisehoany. Tsy nisy na dia iray tamin’ny fijerin’ izy ireo nitaredretra tety ambonin’ ny tany. Hitako nanarona an’ireo izay niandry ireo indray ny rahona. Ary hitako izy ireo, nampitodika ireo masony valaka ho eo amin’ny tany. Nanontany ny anton’izao fiovana izao aho. Dia hoy ilay anjely namako, diso fanantenana indray izy ireo teo amin’ny fiandrasany. Mbola tsy afaka ny ho avy ety ambonin’ny tany I Jesosy. Mbola tsy maintsy hiaritra noho ny amin’I Jesosy sy hiaritra fisedrana lehibe kokoa izy ireo. Tsy maintsy miala amin’ireo fahadisoana sy lova-tsofina noraisina avy tamin’ny olombelona izy ireo, ary hitodika tanteraka amin’Andriamanitra sy ny Teniny. Tsy maintsy ho diovina sy hofotsiana ary hosedraina izy ireo. “Ireo izay mandresy amin’ io fizahantoetra mangidy io no hahazo ny fandresena mandrakizay”.HM58 56.3

    Tsy tonga teto an-tany araka izay nandraisan’ireo vondron’olona faly azy, izay niandry an’I Jesosy, mba hanadio ny Fitoerana Masina amin’ny alalan’ny fanadiovana ny tany amin’ny afo. Hitako fa marina ny fikajian’izy ireo vanim-potoana ara-paminaniana. Nifarana tamin’ny 1844 ilay fotoana ara-paminaniana. Ny fahadisoan’izy ireo dia ny tsy fahalalana ny atao hoe Fitoerana Masina, sy ny fomba fanadiovana azy. Niditra tao amin’ny Fitoerana Masina indrindra tokoa I Jesosy mba hanadio ny Fitoerana Masina amin’ny andro farany. Nojereko indray ilay vondrona mpiandry diso fanantenana, nanjombona ny fijery azy ireo. Nandinika tamim-pitandremana ireo porofon’ny finoany izy ireo, ary nanaraka an-tsipiriany ireo kajy mikasika ireo vanim-potoana ara-paminaniana nefa tsy nahitany fahadisoana izany. Tapitra ny fotoana, nefa aiza ary ilay Mpamonjin’izy ireo?. Very ny Mpamonjiny.HM58 56.4

    Naseho ahy ny fahadisoam-panantenan’ny mpianatra raha tonga tao am-pasana izy ireo kanefa tsy nahita ny fatin’I Jesosy. Hoy I Maria : “Nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy”. Nilaza tamin’ireo mpianatra sahiran-tsaina ny anjely fa efa nitsangana ny Tompony ary nandeha nialoha azy ireo any Galilia.HM58 56.5

    Hitako fa mitovy amin’ izany koa raha nijery an’ireo diso fanantenana tamim-pangoraham-po lalina I Jesosy, dia naniraka ny anjeliny hitarika ny sainy mba hahitan’izy ireo Azy ka hanarahany Azy na taiza na taiza nisy Azy. Nasehony azy ireo mba hahalalany fa tsy Fitoerana Masina ny tany; saingy tsy maintsy niditra tao amin’ilay Fitoerana Masina indrindra any an-danitra Izy mba hanadiovany izany; sy hanaovany ny asampanavotana manokana ho an’olony sy mba handraisany ny fanjakan’ny Rainy, dia hiverina eto an-tany indray Izy ka haka azy ireo hitoetra miaraka Aminy mandrakizay. Maneho tsara ny fahadisoam-panantenan’ireo izay niandry ny Tompony tamin’ny1844 ny fahadisoam-panantenan’ny mpianatra.HM58 57.1

    Nentina niverina tamin’ny fotoana izay nitaingenan’ an’I Jesosy boriky tamim-pandresena niditra an’ny Jerosalema aho. Ireo mpianatra ireo, tao anatin’ ny haravoam-pony dia nino fa efa haka ny fanjakana Izy ary hanjaka toy ny mpanjaka amin’izao fiainana izao. Nanaraka ny mpanjakany izy ireo niaraka tamin’izany fanantenana ambony izany. Notapahin’izy ireo ny sampam-kazon’ny rofia tsara tarehy, ary nanaisotra ny lambany, ary tamin-jotom-po mahafinaritra no namelarany an’ ireo rehetra ireo teny an-dalany. Ary ny sasany nialoha, azy ireo hafa koa nanaraka dia miantso hoe: “Hosana ho an’ny Zanak’I Davida!. Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’I Jehovah!, Hosana any amin’ny avo indrindra!”. Nahasosotra an’ ireo Fariseo izany fihetsiketsehana izany, ka niriny ny handraran’I Jesosy ny mpianany mba hangina. Nefa hoy Izy taminy: “Raha mangina ireo dia ny vato no hiantsoantso.”Tsy maintsy tanteraka ilay faminanian’i Zakaria 9: 9, kanefa hitako ireo mpianatra voatendry ho amin’ilay fahadisoam-panantenana mangidy. Andro vitsivitsy taorian’izay anefa, dia nanaraka an’I Jesosy ho an’ny Kalvary izy ireo, ary nahita Azy naratra, sy nofantsihana teo ambony hazo fijaliana mahatsiravina. Nanatri-maso ny fiadian’ ny ainy sy nitondra Azy tao am-pasana izy ireo. Nanjomboon’alahelo ny fony. Tsy tanteraka araka ny nieritreretan’izy ireo ny fanantenany. Maty niaraka tamin’I Jesosy ny fanantenan’izy ireo. Nefa rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy, dia niseho tamin’ireo mpianany nalahelo, dia velona indray ny fanantenan’izy ireo. Very ny Mpamonjiny; nefa hitan’izy ireo indray.HM58 57.2

    Hitako fa ny fahadisoam-panantenan’ireo izay nino ny fiavian’ny Tompo tamin’ny 1844 dia tsy nitovy tamin’ilay fahadisoam-panantenanan’ireo mpianatra. Tanteraka tamin’ireo hafatry ny anjely voalohany sy faharoa ny faminaniana. Nomena tamin’ny fotoana mety izany ary nanatanteraka ny asa izay nirin’Andriamanitra hataony izy ireo.HM58 57.3

    Jereo Daniela 8:14; Matio 21:4-16; 25:6 ; Marka 16:6-7 ;Lioka 13:35-40; Jaona 14:1-3; 20:13 ; 2Korotianina6:17; Apokalypsy 10:8-11;HM58 57.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents