Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 26 - Fanehoana An-Tsary Hafa

    Nasehony ahy ny tombon-tsoa rehetra izay entin’ ny lanitra amin’ ny asa tanterahiny ety ambonin’ ny tany. Naniraka ilay anjely mahery sy matanjaka I Jesosy mba hidina sy hampitandrina ny mponin’ny tany mba hiomana ho amin’ny fiaviany fanindroany. Hitako ilay anjely manan-kery fa nandao ny fanatrehan’I Jesosy tany an-danitra. Ary nandeha nialoha làlana azy ilay hazavana mamirapiratra sy be voninahitra. Dia nolazaina tamiko fa hanazava ny tany amin’ny voninahiny sy hampitandrina ny olona amin’ny fahatezeran’HM58 57.5

    Andriamanitra amin’ny ho avy no asa nanirahana azy. Maro no nandray ilay hazavana. Ny sasany toa maotina be, ary ny hafa kosa faly sy ravo. Narotsaka tamin’ny rehetra ilay hazavana, nefa na dia izany aza ny sasany dia tonga noho ilay fisarihan’ilay hazavana fotsiny ihany fa tsy nandray izany tao am-po. Fa ireo rehetra izay nandray izany dia nampitodika ny tavany hijery ny lanitra, ka hanome voninahitra an’Andriamanitra. Maro koa anefa ireo izay vonton-katezerana be. Nikambatra tamin’ilay ratsy ireo mpitondra fivavahana sy ny vahoaka, ka nanohitra mafy ilay hazavana izay narotsak’ilay anjely mahery. Fa ireo rehetra izay nandray izany kosa, niala tamin’izao tontolo izao, ary nifandray am-po tokoa.HM58 57.6

    Sahirana tokoa I Satana sy ny anjeliny tamin’ny fitadiavana fomba hitarihana ny sain’ny maro raha azony atao tsy handray ilay hazavana. Tavela tao anatin’ny haizina ireo vondrona tsy nandray izany. Hitako ilay anjely nijery tamim-pahalianana lalina ireo izay nihambo ho vahoakan’Andriamanitra mba handray antsoratra ny toetra izay nasehony satria efa naseho azy ireo ilay hafatry ny lanitra. Ary satria maro tamin’ireo izay nihambo ho tia an’I Jesosy no nandà ilay hafatrin’ny lanitra, tamim-panarabiana sy fihomehezana ary fankahalana, dia indro, anjely iray izay nanana boky teo an-tanany nandray an-tsoratra ireo fihetsika mahamenatra ireo. Rakotry ny hatezerana ny lanitra manontolo raha nahita fa nataon’ireo izay nihambo ho mpanaraka Azy tsinontsinona I Jesosy.HM58 57.7

    Hitako ny fahadisoam-panantenana nandraman’ ireo izay, feno fahatokiana, niandry ny Tompony kanjo tsy nahita Azy. Fikasan’Andriamanitra ny manafina ny ho avy sy nitondra ny vahoakany ho amin’ny fanapahan-kevitra. Raha tsy teo ilay fanondroana daty voafetra ny amin’ ny hiavian’ i Kristy dia tsy tanteraka ilay asa izay nokasain’Andriamanitra. Nampino ny olona rehetra i Satana fa tsy maintsy mijery ny ho avy lavitra any izy mba hahitany ireo zava-dehibe hiseho mikasika ny fitsarana ary ny fiafaran’ ny andropahasoavana. Tena ilaina izany ny mitondra ny olona hiomana faingana ho amin’ io fiavian’ i Kristy io.HM58 58.1

    Dila ilay fotoana, dia indro fa niray tamin’ireo izay nanamavo ilay hafatra avy any an-danitra ireo izay tsy nandray tamin’ny fahafenoany ny hazavan’ilay anjely, ka nanao fihomehezana ireo diso fanantenana. Hitako nivory niaraka tamin’I Jesosy ireo anjely tany an-danitra. Voatsikaritr’izy ireo fipetrak’ireo izay mihambo ho mpanara-dia an’I Kristy. Ny fandalovan’ilay fotoana voatondro no nisedrana sy naneho ny tena toetrany; maro tamin’ireo izay nolanjaina tamin’ny mizana, no hita fa indro latsa-danja. Nanambara tamin’ny feo avo izy rehetra fa Kristianina, nefa tsy nanaraka an’I Jesosy ny ankamaroan’izy ireo. Nihobim-pandresena I Satana mahita ny toetr’ireo nihambo ho mpanara-dia an’I Kristy. Nanao izay nahalatsaka azy ireo tao anaty haratony izy; ary nitarika ny ankamaroan’ ireo niala tamin’ ny làla-mahitsy, ary dia nanandrana hiakatra ho any andanitra tamin’ ny lalan-kafa. Hitan’ireo anjely, ireo madio sy masina nikambana daholo tamin’ireo mpanota tao Ziona sy ireo mpihatsaravelatsihy tia an’izao tontolo izao. Niahy nanokana ireo tia marina an’I Jesosy izy ireo, kinanjo, ireo voangoly ireo namindra tamin’ ireo masina.HM58 58.2

    Ireo izay nanana fo nirehitry ny faniriana lalina mba hijery an’I Jesosy dia nosakanan’ireo nihambo ho rahalahiny tsy hiresakany Aminy sy ny fiaviany. Hitan’ ireo anjely avokoa ireo toe-javatra-niseho rehetra, ka dia onena tamin’ilay sisa izay nitia ny fisehoan’I Jesosy izy ireo.HM58 58.3

    Nirahina mba hidina teto an-tany indray ilay anjely mahery hafa. Nametraka soratra teo an-tanany I Jesosy, ary nony tonga teto an-tany izy dia niantso hoe: “Rava! Rava! Babylona!”. Rehefa afaka izany dia hitako ireo diso fanantenana nijery tamim-pifaliana indray ary nanandratra ny masony tany an-danitra, mba hitady tamimpinoana sy fanantenana ny fisehoan’ny Tompony. Nefa maro no toa hita nijanona tamin’ny toetra adala tahaka azy ireo rehefa natory; tamin’ izay fotoana izay dia nahita ny soritr’ireo alahelo lalina teo amin’ny endrik’izy ireo aho. Ireo diso fanantenana dia nahita tao anaty Baiboly fa tao anatin’ilay fe-potoam-pahatarana izy ireo, ary tsy maintsy miandry amim-paharetana ny fahatanterahan’ilay faminaniana. Porofo mitovy amin’izany no nitarika azy ireo hiandry ny Tompony tamin’ny 1843, sady nitondra azy ireo ankehitriny ho amin’ ny fiandrasana Azy tamin’ny taona 1844. Ary tamin’ izany fotoana izany dia hitako fa ny ankabetsahan’ ireo dia tsy nanana intsony ilay hery izay nanamarika ny finoany tamin’ ny taona 1843. Nampihena ny finoany ny fahadisoam-panantenana izay nahazo azy ireo.HM58 58.4

    Ary satria niray tamin’ilay antson’ilay anjely faharoa ireo diso fanantenana dia nijery tamim-pahalianana lalina indrindra azy ireo,ny mponin’ny lanitra ary nanamarika ny vokatr’ilay hafatra. Hitan’ireo anjely ireo izay nitondra ny anarana hoe Kristianina nivadika nanaraby sy nihomehy ireo diso fanantenana : Mbola tsy nandeha niakatra foana ve ianareo?, izany no teny nivoaka avy tao imolotr’ireo mpamazivazy! Ary dia nosoratan’ ny anjely anakiray izany rehetra izany. Nilaza tamiko ilay anjely: “mamazivazy an’Andriamanitra izy ireo.” Nampahatsiahiviny ahy ny fotoana izay namindrana an’I Elia tany an-danitra. Nilatsaka teo an-tsorok’ i Elisa ny kapaotiny ( an’ I Elia ).ary tamin’ izay ireo zatovo ratsy fanahy izay nianatra avy tamin’ ireo ray amandreniny ny mamazivazy an’ ilay lehilahin’ Andriamanitra, dia nanaraka an’ I Elisa ary naneso azy nanao hoe: “Miakara ry ilay sola; miakara ry ilay sola!.” Namazivazy an’Andriamanitra izy ireo, ka dia nomelohina ho vokatry ny nataony izy ireo. Ary noho izany dia ireo rehetra izay nanaratsy sy nanao vazivazy ilay fiakaran’ireo olo-masina dia hovangian’ireo lozan’ Andriamanitra ary hahatsapa fa tsy zavatra madinika ny famezivezena an’Anandriamanitra.HM58 58.5

    Nirahin’Andriamanitra ireo anjely hanidina haingana mba hamelona sy hanamafy indray ny finoan’ ireo vahoakany izay efa nihozongozona; ary hanomana azy ireo hahafantatra ilay hafatry ny anjely faharoa sy ilay fiovana nanan-danja izay hatao any an-danitra tsy ho ela. Hitako ireo anjely nandray hery lehibe sy hazavana avy amin’i Jesosy, ary nanidina faingana tety an-tany mba hanatanteraka ilay iraka nampanaovina azy ireo dia ny hanampy ilay anjely faharoa tamin’ny asany. Namirapiratra teo amin’ireo vahoakan’Andriamanitra ilay hazavana lehibe rehefa niantsoantso hoe ireo anjely “Indry, ny mpampakatra, mivoaha mba hitsena azy!” Nony afaka izany dia nahita ireo diso fanantenana nitsangana aho, ary niaraka tamim-pirindrana tamin’ilay anjely, nanambara hoe: “Indry, ny mpampakatra, mivoaha mba hitsena Azy!” Ary ny hazavan’ ilay anjely nampisava ny haizina hatraiza hatraiza. Nikely aina hisakana an’ io fahazavana io tsy hiparitaka ary koa mba tsy hahatanteraka ireo vokatra andrandraina i Satana sy ireo anjeliny. Nifanditra tamin’ireo anjelin’Andriamanitra izy ireo ary nilaza taminy fa nofitahin’Andriamanitra ny vahoaka, ary noho izany ireo hazavana sy ny herin’izy ireo, dia tsy hahatonga velively ny olona hino fa hiverina indray I Jesosy.HM58 58.6

    Nefa na dia eo aza ireo ezaka ataon’ i Satana mba hampiviliana ny fanahy tsy ho amin’ ny fahazavana, dia nanohy ny asany hatrany ireo anjelin’Andriamanitra. Ireo izay nandray ny fahazavana dia hita ho toa sambatra. Nanohy nijery ny lanitra izy ireo, ary niandry ilay fisehoan’I Jesosy. Ny sasany kosa dia tao anatin’ny fanahiana lehibe; nitomany izy ireo ary nivavaka. Toa nampifantoka ny masony tamin’ny tenany manokana izy ireo ka tsy sahy niandrandra.HM58 58.7

    Namakivaky ilay haizina hialoha amin’izy ireo ilay hazavana sarobidy avy any an-danitra, ary ireo masony, izay nifantoka tamim-pamoizam-po tamin’ny tenany manokana, dia nanjary nibanjina ny lanitra, nandritra izay dia fankasitrahana sy fifaliana masina no niseho teo amin’ny tarehin’ny tsirairay. Nijery tamim-pankasitrahana ireo olo-nahatoky niandry Azy I Jesosy sy ireo antokon’ny miaramilan’anjely.HM58 59.1

    Ireo izay nandà sy nanohitra ilay hazavan’ilay hafatry ny anjely voalohany, dia tsy nahazo ilay hazavan’ilay faharoa, sady tsy afa-nanararaotra ilay hery sy voninahitra izay nanaraka ilay hafatra: “Indry tamy ny mpampakatra, mivoaha mba hitsena Azy.” Niodina tamin’izy ireo tamin-katezerana I Jesosy satria nanao tsinontsinona sy nandà Azy izy ireo. Ireo izay nandray ny hafatra dia nohodidina tamin’ny rahon’ny voninahitra. Niandry niari-tory sy nivavaka izy ireo mba hahafafantatra ny sitrapon’Andriamanitra. Natahotra tokoa ny hampalahelo an’Andriamanitra izy ireo. Nahita an’I Satana sy ny anjeliny aho, nitady izay hanafenany an’ ity hazavan’ Andriamanitra ity hiala ny vahaokan’Andriamanitra izy ireo; nefa arakaraka ny fahelan’ireo niandry Azy no nankamamy izany an’ilay hazavana, sy ny nampifantohany ny masony niala tamin’ny tany ho amin’I Jesosy, dia tsy nanana fahefana ny hanaisotra ilay fahazavana sarobidy taminy intsony I Satana. Naharomotra an’I Satana sy ny anjeliny ilay hafatra nomena avy any an-danitra, ary nitondra an’ ireo izay nihambo ho tia an’I Jesosy kanefa nanao tsinontsinona ny fiaviany, ary maneso ireo zanak’ Andriamanitra mahatoky. Noraisin’ilay anjely an-tsoratra anefa ireo fitenenan-dratsy rehetra, ireo fanaovana tsinontsinona rehetra, ireo fanararaotana rehetra izay azony avy tamin’ireo nihambo ho rahalahiny ireo.HM58 59.2

    Maro be tokoa ireo nanandratra ny feony hiantso hoe: “Indry tamy ny mpampakatra, mivoaha mba hitsena Azy” ka mamelà ireo rahalahiny izay tsy tia ny fisehoan’i Jesosy, ary tsy namela azy ireo haharitra amin’ ilay fanindroany faharoa. Nahita an’I Jesosy nampitodika ny tavany tamin’ ireo izay nandà sy nanao tsinontsinona ny fiaviany aho, ary rehefa avy teo dia, nandidy ny anjeliny Izy mba hitondra ireo vahoakany hivoaka hiala amin’ireo tsy madio, raha tsy izany dia ho voaloto izy ireo. Afaka sy niray ireo rehetra izay nankato ireo hafatra. Namirapiratra tamin’izy ireo ilay hazavana masina sy mahafinaritra. Namoy izao tontolo izao ireo, nandrovitra ny fitiavany hiala amin’izay zavatra ety ambany, ary nanao sorona ireo zava-tsoany teto an-tany. Nandao ny haren’ny taniny izy ireo ary nampifantoka ireo fijeriny feno tebiteby tamin’ny lanitra, niandry sy nahita Ilay Mpanafaka malalany. Nanjelajelatra tamin’ny endrik’izy ireo ilay hazavana masina izay nilaza ny hafaliana sy fiadanana nanjaka tao anatiny. Nandidy ireo anjeliny I Jesosy mba handeha hampahery azy ireo satria efa akaiky ny fotoan’ny fisedrana azy ireo. Hitako fa tsy mbola voasedra araka ny tokony ho izy ireo izay niandry ny Tompony. Mbola tsy afaka tamin’ireo fahadisoana izy ireo. Ary hitako ny famindrampon’Andriamanitra sy ny fahatsarany tamin’ny nandefasany ilay fampitandremana ho an’ny mponin’ny tany ary tamin’ny namerimberenany ireo hafatra mba hitondra azy ireo hatrany amin’ilay fandrosoana andro, mba hitarika azy ireo handinika am-pitandremana ho an’ny tenany ny Tenin’HM58 59.3

    Andriamanitra, mba hahafahany miala samirery amin’ ireo fahadisoana izay nentin’ireo jentilisa sy ireo mpomba ny papa . Tamin’ny alalan’ireo hafatra ireo no nitondran’Andriamanitra ireo vahoakany nivoaka amin’izay toerana izay hahafahan’izy ireo miasa ho an’ny tenany amin-kery bebe kokoa sy hahazaoan’izy ireo mitandrina ireo didy rehetra.HM58 59.4

    Jereo 2 Mpanjaka 2: 11-25; Daniela 8:14; Habakoka 2:1-4; Matio 25:6; Apokalypsy 14:8; 18:1-5.HM58 59.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents