Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 31 - Ny Fieremana (Na Fahihirana)

    Nahita an’I Satana sy ny anjeliny nivory aho. Nandidy ny anjeliny izy mba hamelatra ny haratony indrindra ho an’ireo izay miandry ny fisehoan’I Kristy fanindroany ary ireo izay nitandrina ny didin’Andriamanitra rehetra. Niteny tamin’ny anjeliny i Satana fa renoky ny torimasony avokoa ny fiangonana ka hampitomboiny ny fahefany sy ireo fahagagany mandainga mba hahazoany mihazona azy ireo ao. Nefa hoy izy hankahalaintsika ny antokom-pivavahan’ireo mpitandrina ny Sabata. Tsy mitsahatra miasa manohitra antsika izy ireo, ary manaisotra amintsika ireo olon-tsika, ary tarihiny ho amin’ny fanajana ny lalàn’ Andriamanitra ireo, dia izay ankahalaintsika.HM58 67.1

    Mandehana, ataovy mamon’ny finahiana ireo izay manan-tany maro sy ireo mpanambola. Raha vitanareo ny mametraka ny fony amin’ireo zavatra ireo, dia ho azontsika sahady izy ireo, afaka manaraka ny finoana izay iriny izy ireo, fa izao fotsiny, ataovy izay hahatonga azy ireo hieritreritra bebe kokoa izay hahazoany vola noho ny fahombiazan’ny fanjakan’I Kristy, na ny fampielezana ny fahamarinana izay ankahalaintsika. Asehoy eo anatrehan’ireo vahoaka ireo amin’ny fahazavana farany manintona indrindra izao tontolo izao mba hahatonga azy ireo hitia sy hanao azy ho sampy. Tsy maintsy ataontsika izay hitazonana an’ireo fitaovana ho eo amin’ny laharantsika mba ho azontsika ampiasaina. Raha nihamaro ny vola sy ny fitaovana atokan’ireo mpianatr’i Kristy ho amin’ny asa fanompoany dia hihamaro ihany koa ny fanaratsiana ny fanjakantsika amin’ny alalala’ny fanesorana ireo olon-tsika. Ary koa raha manao fihaonana amin’ireo toerana isan-karazany izy ireo dia hampidi-doza ho antsika izany.HM58 67.2

    Noho izany dia tsy maintsy malina ianareo. Mamorona raha azo atao karazam-panaradia maro izay hampisavoritaka sy hampisafotofoto. Ravao ny fifakantaviam-pirahalahiana. Hakivio sy hareraho ireo mpitondra fivavahana satria hankahalaintsika izy ireo. Manehoa ireo fialatsiny rehetra azo inoana ho marina hoan’ireo manan-bola fandrao hanolotra ho an’ny asa izy ireo._Raha azonareo atao dia raiso an-tananana ny resaka ara-bola ary ataovy ao anatin’ny fahantrana sy fahoriana ireo mpitondra fivavahany. Hampahalemy ny zotom-pony sy ny fahavitrihany izany. Jadio aminy ny tany tsirairay eram-boan’ankihibe. Ataovy izay hahatonga ny fahaniratana sy ny fitiavana ny haren’ny tany hanjaka amin’ny toetran’izy ireo. Noho izany, rehefa mitoetra ela amin’ izany izy, dia hataony an-tsirambina ny famonjena sy ny fahasoavana. Ataovy manodidina azy ireo ny zavatra rehetra izay mety manintona, ary dia ho antsika tsy misy isalasalana izy ireo. Ary ho fanampin’ izany, tsy hoe azontsika antoka fotsiny fa ho voatanantsika izy ireo, fa kosa tsy handaitra amin’ ny hafa ny hery miasa mangina avy amin’ny toe-tsaina manome zavatra ny anakiray amin’ireo, dia apetraho ireo fandaminana mampimonomonona mba hahatonga azy ireo tsy halala-tanana.HM58 67.3

    Hitako fa nanatanteraka ny asany ara-dalàna i satana. Ary raha mamorona fivoriana ireo mpanompon’Andriamanitra, dia fantatr’iSatana sy ny anjeliny ny raharahany, ka dia mba manatratra eo koa izy ireo mba hanalemeny na hanafoanany ny asan’Andriamanitra, ary mametraka tsy tapaka fitaoman-dratsy ao am-pon’ny zanak’ Andriamanitra. Ny sasany entiny amin’ny lalana iray ny sasany amin’ny lalana anakiray hafa mandrakariva dia mahazo tombontsoa I Satana amin’ny toetra ratsin’ ireo rahalahy sy rahavavy izay mitady hanetsika ny fironana voajanahary ao aminy izay tokony hanenenany indrindra. Raha manana toe-tsaina tia tena sy mitsiriritra izy ireo dia mahafaly an’I Satana mihitsy ny mipetraka eo akaikin’ izy ireo ary noho izany amin’ny heriny rehetra no ikatsahany ny hitarika azy ireo hampiseho ireo fahotana mahafinaritra azy ireo. Afaka ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fahamarinana, marina izy, mampisindra ireo fitsiriritany sy ny fitiavan-tenany mandritra ny fotoana sasantsasany, nefa rehefa tsy mahazo fandresena tanteraka izy ireo, dia hatonin’i Satana indrindra amin’ny fotoana izay tsy maha eo ambany fisarihan’ny famonjena azy ireo, dia miditra i Satana ary mamongotra ao anatin’ ny tsirairay ilay foto-kevitra mendrika sy feno fahalalahan-tanana, ary hieritreritra izy ireo fa be loatra no takina aminy. Reraky ny fanaovana ny tsara izy ireo ary manadino ireo zavatra rehetra mikasika ilay sorona lehibe izay nataon’I Jesosy ho azy ireo mba hanavotana azy ireo amin’ny fahefan’i satana sy ny fahorian’ny tsy fananam-panantenana.HM58 67.4

    Nohararaotin’ i Satana ny fahihiran’i Jodasy sy ny foto-keviny feno fitiavan-tena ka nanosehany azy ho amin’ ny fimonomononana tamin’ilay menaka saro-bidy natokan’i Maria ho an’ny Jesosy. Nataon’i Jodasy ho fandamiam-poana lehibe izany, azo namidy iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo ny vidiny. Tsy miahy ny malahelo akory izy, fa mihevitra ity fanatitra feno fahalalan-tanana hafahafa izay natao ho an’i Jesosy ity. Nanombana ny tompony I Jodasy mba hamarotany Azy amin’ny vola madinika vitsivitsy fotsiny ihany. Ary hitako fa misy sasany tamin’ireo izay mihambo ho miandry ny Tompo no mitovy amin’i Jodasy. Satana no manapaka azy ireo, saingy takona aminy izany, tsy misy na sombina fahihirana na fitiavan-tena izay azon’Andriamanitra ankasitrahana. Halany izany ny fananarana ary ary ataony tsinontsinona ny vavaka fangatahan’ireo izay manana izany toetra izany. Satria hitan’i Satana fa fohy ny androny, dia tarihiny izy ireo mba ho tia-tena hatrany hatrany sy hitsiriritra hatrany hatrany, ary avy eo dia mifaly izy mahita azy ireo voafatotra amin’ny tenan’izy ireo samirery, mihirim-belona sy tia-tena. Raha mba azo nosokafana mantsy ny mason’ireo olona ireo, dia hahita an’ i Satana mihobim-pandresena noho ny amin’ izy ireo sy mihomehy ny fahadalan’ ireo izay manaiky ny soso-keviny sy miditra ao anatin’ny fandriny.HM58 68.1

    Rehefa avy eo dia raisin’I Satana sy ny anjeliny an-tsoratra avokoa ireo fihetsin’dratsy sy feno fitsiriritan’ireo olona ireo ka asehony an’I Jesosy sy ireo anjely masina izany, ary hoy izy amim-peom-panarabiana hoe “Ireto no mpanaradia an’i Kristy !. Efa miomana ny hafindra izy ireo! Raisin’ny Satana an-tsoratra ny fiovandàlan’izy ireo, ary nony avy eo dia ampitahainy amin’teny ao amin’ ny Baiboly, amin’ireo andalàn-teny izay manameloka antsikirano izany zavatra izany, ary avy eo dia asehony izany mba hanelingelina ireo anjelin’ny lanitra, ary hoy izy: “Ireto izany ireo mpanara-dia an’I Kristy sy ny teniny! Ireto no voan’ny fahafoizan-tena sy ny fanavotana izay nataon’I Kristy! Amin’ny alahelo no hiodina’ireo anjely izany rehetra izany. Takian’Andriamanitra ny hanaovan’ireo vahoakany tsy an-kijanona ny anjarany, koa rehefa reraky ny manao soa sy mahalala-tanana izy ireo, dia ho reraka ny amin’izy ireo koa Izy. Hitako fa nampalahelo an’Andriamanitra tokoa ny fampisehoana fitiavan-tena na dia kely foana aza, izay nataon’ireo mihambo ho vahoakany, satria Jesosy dia tsy nitandro na dia ny ainy sarobidy aza ho an’izy ireo. Ny olona izay tia tena sy mpitsiriritra dia manalavitra ny lalana marina. Toa an’I Jodasy, izay mivarotra ny Tompony, ka namarotra ireo fitsipika tsara sy ireo foto-kevitra mendrika sy feno fahalalahan-tanana ho takalon’ny tombontsoa kelin’ny tany. Izy ireo dia hesorina tsy ho amin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ ny alalan’ny sivana. Ireo izay te hahazo ny lanitra dia tsy maintsy mihazona ireo fitsipiky ny lanitra amin’ny heriny rehetra izay ananany. Tokony hampiseho asa fanaovan-tsoa ho solon’ny fanahy malazon’ny fitiavan-tena, ary ny fotoana mety rehetra dia tokony hararaotina hifanaovan-tsoa sy hanandratana sy hampiharana hatrany hatrany ireo fitsipiky ny lanitra. Naseho ahy fa I Kristy no ohatra tanteraka. Tsy nisy fitiavan-tena fa fanaovan-tsoa tsy mila tambiny no nanamarika ny fiainany. Nomeny tombony tsy tapaka ny porofon’ireo fitiavana.HM58 68.2

    Jereo Marka 14:3-11; Lioka 12:15-40; Kolosiana 3:5-16; 1 Jaona 2:15-17.HM58 68.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents