Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 33 - Ny Fahotan’ Ny Babylona

    Hitako fa hatramin’ny nanambaran’ny anjely faharoa ny fahalavoan’ireo fiangonana dia tsy nitsaha-nitombo ny fahalovany ( na ny faharatsiany) kanefa dia mitondra ny anarana hoe mpanara-dia an’I Kristy ihany. Sarotra dia sarotra ny manavaka azy ireo amin’izao tontolo izao. Maka andalan-teny ao anatin’ny Baiboly ireo mpitondra fivavahan’izy ireo kanefa tsy mitory afa-tsy zavatra izay mahafinaritra ny sofina izy ireo. Dia ireo izay sitraky ny fo momba an’izao zavatra noharina izao, ary tsy mahazo antsaina ny fahamarinana momba ny fitsarana izay ho avy tsy ho ela. Amin’ny ankapobeny dia nahafinaritra ireo ratsy fanahy ny endrika toa maneho fitiavambavaka kanefa tsy misy tena fahamasinana marina ka dia hanampy sy hanohana ny fivavahana tahak’izany izy ireo.HM58 70.6

    Hoy ny Anjely tamiko “Tsy misy afa-tsy ny fiadian’ny fahamarinana sy ny fiarovan-tena rehetra irery ihany no afaka handresy ary hitahiry ny fandresena ny herin’ ny maizina. Voaroambak’i Satana tanteraka ny fiangonana rehetra. Nanizingizina an’ireo zavatra hita sy lazaina ary ataon’ny olona izy ireo raha tokony ho ny fahamarinana maranitry Tenin’Andrimanitra. Hoy ny Anjely tamiko “Ny firahalahiana amin’ny izao tontolo izao sy ny fanahin’izao tontolo izao dia fifandrafiana amin’Andrimanitra. Raha ny fahamarinana izay ao anatin’ny fahatsorany sy ny heriny izay tao amin’ny Jesosy no entiny mba hanoherany ny fanahin’izao tontolo izao dia hamoha ny fanahin’ny fananjehana avy hatrany izany. Maro maro be mantsy amin’ ireo izay mihambo ho kristianina no tsy mahalala an’Andriamanitra mihitsy. Mbola tsy voaova ny toetry ny fo voa¬janahary, ary mbola mitoetra amin ny nofo sy ny fifandrafiana amin’ Andriamanitra ihany ny saina ara-nofo. Mpanompo mahatokin’ i Satana izy ireo na dia mitondra anarana hafa aza.HM58 70.7

    Hitako fa hatramin’ ny fotoana izay nialan’I Jesosy tamin’ny toerana masina ao amin’ ny Fitoerana Masina any an-danitra sy ny nidirany tao amin’ny efitra lamba faharoa dia navela toy ireo Jiosy ny fiangonana ary nofenoiny ireo vorona maloto sy mahatsiravina rehetra. Hitako ireo tsy fahamarinana lehibe sy ny faharatsiana tao am-piangonana kanefa dia mitono-tena ho kristianina izy ireo. Ny fanambarany ny fivavahany ary ireo fitalahoany dia fahavetavetana eo imason’Andriamanitra. Hoy ny anjely tamiko “tsy hahatsapana ny fanatrehan’ Andriamanitra ao anatin’ny fivorian’izy ireo. Ny fitiavan-tena, halatra ary ny famitahana no ampihariny sady tsy manameloka azy ireo akory ny feon’ ny fieritreretany. Ary ambonin’ireo ratsy rehetra ireo dia manary ny akanjony ny fivavahan’ izy ireo. Nasehony ahy ny fiavonavonan’ireo fiangonana anarany fotsiny.HM58 70.8

    Tsy tao an’eritreritr’ireo mambra ao aminy ny Andriamanitra, fa manjaka teo aminy kosa ny fisainana ara-nofo. Mampihaingo ny vatany mahantra sy mety maty izy ireo, ary avy eo, mijery amim-pahafinaretana sy amimpahafahampo ny tenany izy ireo. Nijery azy ireo tamim-pahatezerana I Jesosy sy ny Anjeliny. Hoy ny anjely tamiko: “Efa mipaka ny lanitra ny fiavonavonany sy ny fahotany efa voaomana ny anjarany. Efa ela no natorian’ny fahamarinana sy ny fitsarana fa hifoha tsy ho ela kosa ireo. Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly hoy Jehovah. Hotanterahiko ireo fandrahonana mampatahotra izay nolazain’ ny Anjely fahatelo ary hisotro ny fahatezeran’ Andriamanitra izy ireo. Niparitaka manerana ny tany rehetra ireo miaramila tsy voatanisa ireo anjely ratsy maro ary nivory miaraka tamin’ireo fiangonana sy ny vondrona mpivavaka ary mijery tamimpiravoana ireo vondron’ny mpivavaka ireo izy ireo satria rakotry ny heloka be vava sy tsy fahamarinana farany lehibe indrindra ny akanjon’ny fivavahana.HM58 70.9

    Ny lanitra manontolo dia mijery an-katezerana ny olombelona asan-tanan’Andriamanitra; manjary mitontongana hatrany amin’ny farany vetaveta indrindra ary napetrak’ireo olombelona mitovy aminy ihany tamin’ laharan’ireo voahary tsy mivoatra. Ary ireo mihambo ho mpianatr’Ilay Mpamonjy Malala izay nasehony hatrany ny famindram-pony raha nahita ny loza nanjo ny zanak’olombelona Izy dia niditra tamin’ity fisariadriakan’ny fo ao anatin’ny fahotana goavana sy mampidi-doza ity amin’ny fanaovana raharaha izay mahatonga ny fanandevozana ny fanahin’ny olona. Noraisin’ny anjely an-tsoratra avokoa ao anaty boky izany. Notehirizina tany an-danitra avokoa ireo ranomason’ny andevolahy sy andevovavy tia vavaka sy ireo ray reny zanaka rahalahy sy anabavy. Nentina nitety isam-bohitra tsirairay avy novidiana sy namidy ny fahorin’ny olombelona.HM58 71.1

    Hihazona ny fahatezerany Andriamanitra saingy tsy haharitra ela. Hirehitra amin’ ny vahoakany ny fahatezerany, ary indrindra amin’ireo vondrom-pivavahana izay niditra an-tsitrapo tao amin’ity fankatoavana ny raharaham-barotra momban’ny andevo mahatsiravina natao ity . ny fahamarinana tay izany, fanagejana torak’izany, fampijaliana tahaka an’izany no heverin’ny maro tsy an-kanavaka amin’ireo izay mitoton-tena ho mpianatr’I Kristy malemy fanahy. Ary maro amin’izy ireo no nahavita nanafay amim-pahafaham-po mahadikidiky, amin’ireny fahoriana tsy hoy lazaina rehetra ireny, kanefa dia mahasahy mivavaka amin’Andriamanitra. Famazivaziana lehibe tsy mahalala menatra izany ary dia faly de faly tokoa i Satana noho izany mikizaka an’i Jesosy sy ny Anjely amin’izany fifanoherana lehibe izany, ary hoy izy amin’ny fihobiana ratsy izay tsy izy :“Izao no mpanara-dia an’i Kristy “.HM58 71.2

    Mahalala ny fahoriana ireo martiora sy ny ranomasony izay mikoriana eo amin’ny takolany ireto olona mihambo ho kristianina ireto. Gaga izy ireo noho ny hamafin’ny fon’ny olona arakaraka ny anaovany habibiana toy izany amin’ireo mpiara-belona aminy kanefa mandritra izany fotoana izany koa, ireo izay misaina sy miteny toy izany dia mitana ireo namany ao anatin’ny fanandevozana koa. Ary tsy izay ihany; notapahiny ny fatoran’ny natiora ary nampahory ireo mitovy aminy amin-kasiahana isan’andro isan’andro izy ireo. Mahavita mampitondra fijaliana feno habibiana miaraka amin’ny fampahoriana henjana izy ireo izay azo ampitahaina tsara amin’ireo habibiana nampiharin’ireo mpomba ny Papa sy ireo Jentilisa amin’ireo mpanara-dia an’I Kristy. Hoy ny anjely tamiko: “ho moramora kokoa ireo sazy mahazo ireo mpomba ny papa sy ny jentilisa amin’ny andro fanatanterahana ny fitsaran’Andriamanitra noho ireo nahazo an’ireo karazan’olon ireo. Efa mitehika tamin’ny lanitra ny antsoantson’ireo izay nampahoriana sy mampijaliana, mitolagaga ireo anjely mandre ny fampahoriana amaizan’ny olombelona ny olona mitovy aminy, izay noforonina araka ny endrik’HM58 71.3

    Andriamanitra. Hoy ny anjely tamiko: ” ny anaran’ireo mpampijaly ireo dia voasoratra amin’ny rà, mitananbokovoko amin’ny soritsoritra sy voasafotry ny ranomasom-pahoriana mamaivain’ny fahoriana sy ny fiadian’aina. Tsy hitsahatra ny fahatezeran’Andriamanitra raha tsy efa nampisotro hatramin’ny farany ny kapaoka ny fahatezerany ity firenena ity mandra-pamaliany avo roa heny an’I Babylona; Mamalia azy arak’izay nataony ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy: ny kapaoka izay nofenoiny, dia fenoy indroa heny ho azy.HM58 71.4

    Hitako fa ny tompon’ireo andevo dia hampamoahina ny amin’ny fihazonana ao amin’ny tsy fahalalana ny fanahin’ny andevo ary koa ny fahotan’ilay andevo mitoetra ao ambonin’ny tompony. Tsy afaka ny handray ny andevo ho any an-danitra Andriamanitra izay voatazona tao anatin’ny tsy fahalalana sy ny fitotongana ka tsy mahalala na inona na inona mikasika an’Andriamanitra na ny Baiboly, tsy matahotra afa-tsy ny karavasin’ ny tompony ary hitany ho tafalatsaka amin’ny tantana farany ambany indrindra dia ny an’ny biby na ny olona adala. Izy anefa dia manao zavatra farany tsara indrindra ho azy dia izay azon’Andriamanitra be famindrampo atao: izy anefa manome fahafahana azy hitoetra amin’izay tsy mbola nisy azy na oviana na oviana. Ny Tompo, mifanohitra amin’izany, dia tsy maintsy iharan’ny loza fito farany, avy eo handray anjara amin’ny fitsanganana faharoa, ary hijaly ao amin’ny fahafatesana faharoa izay mahatahotra indrindra. Amin’ izay dia hitony ny fahatezeran’Andriamanitra.HM58 71.5

    Jereo Amosa 5-21; Romana 12: 18 ApokalypsyHM58 71.6

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents