Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 1 - Ny Fahalavoan’ I Satana

    Nasehon’i Tompo ahy fa taloha Satana dia anjely manan-kaja iray tany an-danitra, izay teo akaikin’I Jesosy Kristy. Nalefaka ny fiteniny ary naneho fifaliana tahaka ireo anjely hafa rehetra ny endriny. Lehibe sady feno ny handriny, ary nampiseho ny tsilo-tsaina goavana ananany izany. Lavorary ny endriny fahiny. Nanana fitondrantena mihaja sy miendrik’andriana izy. Ary hitako fa, raha niteny tamin’ny Zanany Andriamanitra: “Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika”, dia nialona an’i Jesosy i Satana. Naniry ny mba hakàna ny heviny mantsy izy, tamin’ny famoronana ny olona; ary satria tsy teo izy ka dia feno fitsiriritana, fialonana ary fankahalana izy. Naniry ny ho faratampony tany an-danitra izy, akaikin’Andriamanitra, ary hahazo ny haja ambony indrindra. Hatramin’io fotoana io dia nilamina ny tany an-danitra manontolo, nirindra ary nisy ny fileferana tanteraka tamin’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra.HM58 11.1

    Tena fahotana farany izay lehibe indrindra ny nikomy tamin’ny fandaminana sy ny sitrapon’Andriamanitra. Toa ohatry ny tao anaty fikorontanana ny lanitra manontolo. Nalahatra toy ny antoko miaramila ireo anjely ary nisy anjely lehibeny mpibaiko iray isaky ny antokony teo alohan’izy ireo. Voahetsiketsika ny anjely rehetra.Satana izay fatra-paniry voninahitra ho an’ ny tenany ary tsy mba naniry ny hilefitra amin’ ny fahefan’ i Jesosy. Ary ny sasany tamin’ireo anjely dia nanaraka an’i Satana tamin’ny fikomiany, fa ny sasany kosa niady mafy ho an’ny voninahitra sy ny fahendren’Andriamanitra tamin’ny fanomezana fahefana an’ilay Zanany lahy. Ary dia nisy ny fifandirana teo amin’ireo anjely. Satana sy ireo mpanara-dia azy, ireo izay naniry nanandrana ny hanova ny fanjakan’Andriamanitra, naniry ny hahafantatra ny fahendreny tsy azo fantarina mikasika ny nametrahany ny fikasany tamin’ny fanandratana an’I Jesosy, ary nanomezany azy izao hery sy fahefana tsy voafetra izao. Nikomy ny fahefan’ ilay Zanak’Andriamanitra ireo, ary ny anjely rehetra dia nanapa-kevitra fa hiseho eo anatrehan’ny Ray, mba tsy hisalasalana ny momba ny raharahan’izy ireo. Ary dia tapaka tamin’izay fa I Satana dia roahina hiala any an-danitra, ary ireo anjely rehetra izay niaraka tamin’i Satana tamin’ny fikomana dia tokony horoahina miaraka aminy. Vokatr’ izay dia nisy ady tany an-danitra. Ireo anjely no nalaina tamin’izany ady izany; Satana dia naniry ny handresy ilay Zanak’Andriamanitra, sy ireo izay nilefitra toe ambanin’ny Sitrapony. Kanjo, ireo anjely tsara sy marina no nanjaka, ary Satana sy ireo mpanana-dia azy, dia noroahina niala tany an-danitra.HM58 11.2

    Taorian’ny nandroahina an’I Satana hiala tany an-danitra, sy ireo izay niara-nazera taminy, dia nahatsapa izy ireo fa veriny ho mandrakizay ny fahadiovany rehetra sy ny voninahiny; nony avy teo dia nanenina izy ireo, ary naniry ny haverina amin’ny laoniny any an-danitra indray. Naniry haka ny toerany teo aloha izy, na izay toerana mety hanendrena azy. Nolavina anefa izany, ny lanitra dia tsy tokony hipetraka amin’ny toerana mampidi-doza. Ny lanitra nanontolo no nety ho potika raha navela hiverina izy; izy no niandohan’ny fahotana, ary ny voan’ny fikomiana no tao anatiny. Nahazo namana mpanara-dia azy Satana, dia ireo izay nankasitraka ny fikomiana niaraka taminy. Nanenina izy sy ireo mpanaraka azy, nitomany ary niangavy ny mba handraisana azy ireo indray amin’ny fankasitrahan’ Andriamanitra; nefa tsia, ny fahotan’izy ireo, ny fankahalan’izy ireo, ny fitsiriritan’izy ireo sy ny fialonany, dia goavana loatra ka tsy azon’Andriamanitra natao ny namafa izany. Tsy maintsy handray ny famaizana farany izy ireo.HM58 11.3

    Rehefa tonga saina tanteraka I Satana fa tsy nisy hevitra intsony ny hahazoany sitraka amin’ Andriamanitra, dia teo no nanomboka nivoaka an-karihary ny hafetseny sy ny fankahalany. Nivory izy sy ireo anjeliny, ary ny tetik’asa dia voarafitra fa hiasa hatrany hanohitra ny fanjakan’Andriamanitra. Raha napetraka tao amin’ilay zaridaina mahafinaritra be Adama sy Eva, Satana dia nanao drafitra mba hanimbana azy ireo. Ary dia nisy ny fivoriana izay natao niaraka tamin’ireo anjely ratsy. Tsy misy hevitra mihitsy ho an’ireto mpivady ireto ny tsy higohana ny fifaliana raha nankato an’Andriamanitra izy ireo. Satana dia tsy afaka nampiasa ny heriny tamin’izy ireo raha tsy hoe tsy nankatò an’Andriamanitra aloha izy ireo, ary miala eo amin’ny fahasoavany. Tsy maintsy nanao tetik’asa maro ary ry zareo mba hitondrana an’ireto mpivady any amin’ny tsy fankatoavana ary dia hanameloka ny fijerin’Andriamanitra ireo ary dia ho voatondra eo ambanin’ny fitaoman’I Satana sy ireo anjely mivantana indrindra. Ary dia tapaka tamin’ izay fa Satana dia tokony hanao endrika hafa ary hampiseho tombotsoa amin’ny olona . Izy dia tokony hampiditra tsimoramora ny fanoherana ny fahamarinan’Andriamanitra, tokony hanorina fisalasalana amin’izay tian’Andriamanitra lazaina sy izay lazainy, manarak’izay dia, hamporisika ny fahalianan-kizahan’izy ireo, ary hitondra azy ireo amin’ny fikarohana ny drafitr’Andriamanitra izay tsy azo takarina, izay nahavoaheloka an’I Satana, ary noho izay antony izany no nameperana azy ny momba ny hazon’ny fahalalana.HM58 11.4

    Jereo Isaia 14:12-20; Ezekiela 28:1-13; Apokalypsy 12: 79HM58 11.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents