Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 36 - Ny Andro Fahorian ‘ I Jakoba

    Hitako ireo olo-masina nandao ny tanan-dehibe sy vohitra ka nivondrona ho antoko miaraka ary mipetraka tany amin’ny toerana farany mitoka monina indrindra. Anjely no namatsy sakafo sy rano ho azy ireo kanefa ireo ratsy fanahy dia nijalian’ny hanohanana sy hetaheta. Rehefa afaka izany dia hitako ireo mpitarika teto ambony ny tany nivory niaraka, ary i Satana sy ny anjely nisahiran-tsaina manodidina azy ireo. Nahita taratasy antsoratra aho namparitaka teny amin’ny toerana isan-karazany teto ambonin’ny tany nanome baiko fa raha tsy mandao ny Sabata ireo olona masina ka mitandrina ny andro voalohany amin’ny herinandrodia avela amin’ny fahafahana izy ireo, aorian’ny fotoana fohy, fanamelonana ho faty.HM58 74.4

    Kanefa tao anatin’izany fitsapana izany dia tony dia tony ireo olo-masina mahatoky an’Andriamanitra ary mihazona mafy ny fampanantenana fa hamboarina ho azy ireo ny lalana fandosirana. Eo amin’ny toerana sasany mialoha ny fotoana hanatanterahana ny fandrahonana an-tsoratra dia hihazakazaka ho eo amin’ny olomasina ny ratsy fanahy mba hamono azy ireo; kanefa niady ho azy ireo ny anjely izay nanana endrik’ olona mpiady. Nirian’I Satana ny hahazo tombontsoa amin’ny fanimbana ireo olo-masinan’ny Avo Indrindra; nandidy ny anjeliny anefa I Jesosy mba hiambina azy ireo satria tian’Andriamanitra ny hanomezana voninahitra ho azy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekena amin’ireo izay mitandrina ny lalàny eo imason’ireo jentilisa manodidina azy ireo ary tian’I Jesosy koa ny hanomezana voninahitra Azy amin’ny alalan’ny famindrana any an-danitra sady tsy hahita fahafatesana ireo mpiandry mahatoky izay niandry azy tao anatin’ny fotoana maharitra.HM58 74.5

    Vetivety dia nahita ny olo-masina niaritra tebitebin-tsaina lehibe aho. Toa voahodidin’ireo mponin’ ny tany ratsy fanahy izy ireo. Toa miray tetika hanohitra azy ireo rehetra. Nanomboka natahotra ny sasany sao mba efa nandao azy ireo Andriamanitra ka hanolotra azy ireo ho eo an-tanan’ny ratsy fanahy. Kanefa raha azo nosokafana ny masony mba hahitany tenany voahodidin’ny anjelin’ Andriamanitra izy ireo. Nanarak’ izany dia tonga ireo ratsy fanahy maro vinitra, avy eo, anjely ratsy maro tsy tambo isaina, manosika ny ratsy fanahy mba hamono ny olo-masina. Kanefa raha nanandrana ny nanatona ny vahoakan’Andriamanitra izy ireo dia tsy maintsy mandalo eo amin’ity Anjely masina sy mahery ity aloha ry zareo kanefa tsy azo atao izany. Nandidy azy ireo ny anjelin’Andriamanitra mba hihataka; dia nandroaka ihany koa ireo anjely ratsy izay mifanety manodidina azy ireo.HM58 74.6

    Tena oram-pahoriana mahatsiravina sy nampatahotra tokoa ho an’ny olo-masina izany. Miantso andro aman’alina ny an’Andriamanitra izy ireo mba hanafak azy. Raha amin’ny fijery maha-olombelona aloha dia tsy misy azo atao mihitsy mba hahafahany. Efa manomboka mihombim-pandresena ny ratsy fanahy dia miantsoantso hoe ” Fa nahoana no tsy manafaka anareo avy eo an-tananay ny Andriamanitrareo ? Fa nahoana no tsy miakatra any an-danitra ianareo mba hanavotana ny ainareo? Fa tsy noraharahain’ireo olo-masina ireo akory ny tenin’ izy ireo. Nitolona tamin’Andrimanitra tahaka an’I Jakoba izy ireo. Naniry ny hanafaka azy ireo ny anjely, kanefa tsy maintsy miandry kelikely aloha izy ireo, tsy maintsy misotro ny kapoaka ary hatao batisa amin’io batisa io izy ireo. Ireo Anjely mahatoky tamin’ny asa nampanaovina azy, dia nanohy ny fanarahamasony hatrany. Efa kely sisa dia tonga ilay fotoana izay hampisehoan’Andriamanitra heriny lehibe sy hanafahany azy ireo amin-boninahitra.HM58 75.1

    Tsy hamela ny anarany ho afa-baraka eo am-povoan’ny jentilisa Andriamanitra. Mba ho voninahitry ny anarany dia hanafaka ny tsirairay tamin’ireo izay niandry Azy amim-paharetana Izy dia izay manana ny anarana voasoratra ao amin’ny boky.HM58 75.2

    Nampahatsiahivina ahy i Noa lehilahy mahatoky. Rehefa nilatsaka ny orana ka tonga ny safo-drano. Niditra tao anatin’ny sambo fiara i Noa sy ny fianakaviany ary nakaton’Andriamanitra tao izy ireo. Nampitandrina tamimpahatokiana ny mpiara-belona taminy taloha i Noa, nandritra izay anefa dia namazivazy sy nanao fihomehezana azy izy ireo. Rehefa nirotsaka betsaka teto ambonin’ny tany ny rano ary nilentika tsirairay ny olona dia nahita ilay sambo fiara izay nataon’izy ireo fihomehezana nisosa am-pilaminana teo ambonin’ny rano niaro an’ireo mahatoky dia i Noa sy ny fianakaviany.HM58 75.3

    Ary noho izany dia hitako ireo vahoakan’Andriamanitra izay nampitandrina an’izao tontolo izao amin’ny fahatezerana ho avy, dia hafahana tsy misy hafa amin’izany koa. Nampitandrina tamim-pahatokiana ny mponin’ny tany izy ireo, ary Andriamanitra tsy hamela ireo ratsy fanahy haninba ireo izay miandry ny famindrana, sy ireo izay tsy miankohoka eo anatrehan’ilay didin’ny bibidia , na mandray ny mariny. Hitako fa raha navela hamono ireo olo-marina ny ratsy fanahy dia ho heniky ny hafaliana i Satana sy ny miaramila ratsiny, ary ireo rehetra mankahala an’Andriamanitra. Ary, O ! fotoam-pandresena manao ahoana loatra re ho an’ny fiandrianan’i Satana, ny ahazoany fandresena amin’ny tolona farany izay ataony amin’ireo izay niandry hatramin’ny ela ny fisehoan’Ilay nivavahan’izy ireo!. Ireo izay mamazivazy ny hevitr’ireo olo-marina fa hiakatra, dia hahita ny fiahian’Andriamanitra ny vahoakany, sy ny fanafahana azy ireo, be voninahitra.HM58 75.4

    Rehefa mandositra ny tanan-dehibe sy ny vohitra ireo olo-masina dia nanenjika azy mba hamono ireo masina dia nanenjika azy ireo ny ratsy fanahy. Izay nanangana ny sabany mba hamono ireo masina izy ireo nefa potipotika ireny sabatra izay nampiasain’izy ireo ireny, ary niraraka, ka tsy nanan-kery intsony tahaka ny mololo. Niaro ireo olo-marina ny anjelin’Andriamanitra, satria niantso andro aman’alina ho amin’ny fanafahana izy ireo. Niakatra hatrany an-tsofin Andriamanitra ny antsoantsony.HM58 75.5

    Jereo Genesisy toko 6&7 ; 32 :24-28; Salamo toko 21 ; Matio 20 :23 ; Apokalypsy 13 :11-17HM58 75.6

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents