Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 40 - Ny Fitsanganana Faharoa

    Rehefa afak’izany dia nandao ny tanàna I Jesosy sy ny andian’anjely masina rehetra ary ireo masina voavotra rehetra. Nanodidina an’I Jesosy ireo anjely masina sady manatitra Azy tamin’ny lalany ary nanaraka ny andian’ireo masina voavotra. Nony avy eo dia niantso tamin’ny voninahitra mahatahotra, ireo ratsy fanahy maty mba hivoaka i Jesosy ary raha nivoaka izy ireo dia ilay vatana malemy sy farofy izay nidinany tany ampasana iny ihany no nisehoany. Fampisehoana manao ahoana loatra re! Toetra manao ahoana loatra re ! Tamin’ny fitsanganana voalohany dia nifoha tao anatin’ny fahatsaran’ny tsi-fahafatesana mandrakizay ny rehetra fa tamin’ ilay faharoa kosa dia ny mariky ny ozona no hita tamin’ny ratsy fanahy rehetra. Koa dia niaranitsangana avokoa ny mpanjakan’ny tany sy ny mpanankarena ny malemy ny manampahaizana sy ny tsy mahay. Nahita ny Zanak’olona avokoa ny rehetra ary ireo olona izay nanao tsinontsinona sy nanao fihomehezana an’i Jesosy sy mikapoka Azy tamin’ny volotara ary nametraka ilay satro-tsilo teo amin’ny handriny masina, dia hahita Azy amin’ny fiandrianany rehetra amin’ny maha Mpanjaka Azy. Ireo izay nandrora Azy tamin’ny oran’ ny fijaliany izay nolalovany, ankehitriny dia hihodina ireo ka hiala ny fijeriny maranitra sy hiala ny famirapiratry ny endriny. Ireo izay nandetika ny fantsika tamin’ny tanany sy ny tongony, ankehitriny dia nahita ireo holatry ny nanombohana Azy. Ireo izay nandefona ny lanivoany dia mahita ny holatry ny habibiana izay nataony tamin ‘ny vatany. Ary fantatr’ izy ireo ankehitriny fa izy Ilay iray izay nohomboany sy nataony ho fihomezana fony Izy niady aina tao anaty fijaliana. Ary ankehitriny dia manao feo fitarainana lavareny izy ireo, ary mandositra mba hiafina noho ny fanatrehan’ny Mpanjakan’ny mpnajaka sy Tompon’ny tompo.HM58 79.1

    Nitady ny hiery tao anaty vatolampy ny rehetra ary hiaro ny tenany amin’ny voninahitra mahatahotra dia . Ilay nataony tsinotsinona fahizay. Nony avy eo dia levona noho ny fahoriana, manoloana ny fiandrianany sy ny famirapiratan’ny voninahiny, dia niara nanandratra ny feony tamin’ ny feo samy hafa mahatahotra izy ireo nanao hoe: “Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah!.”HM58 79.2

    Rehefa afaka izany dia nandeha indray tao amin’ilay tanàna i Jesosy sy ny anjely masina izay narahin’ireo masina rehetra. Ny fitarainana mangidy sy ny fitolokoan’ ireo ratsy fanahy voaheloka dia nameno ny habakabaka. Nony avy eo dia nahita an’i Satana nanomboka indray ny asany aho. Nandeha ary nivezivezy teo amin’ireo olony izy ka nampahery ireo malemy ny kely hery ary avy eo dia nilaza taminy izy fa nahery tokoa izy sy ny anjeliny. Nony avy eo dia nasehony ireo an alina tsy tambo isaina izay nitsangana. Tamin’izany dia nisy ireo mpiady malaza sy mpanjaka izay havanana tokoa tamin’ny fitarihana ady sy nahazo fanjakana maro .Tao koa ireo olona goavam-be manan-kery, sy ireo olona maro izay mahery fo tokoa ka tsy mba resy mihitsy tamin’ny ady izay nataony. Tao koa i Napoleon be hambon’po sy mpiavonavona izay nampangovitra fanjakana maro raha vao manatona. Tao koa ireo olona ambony hahavo, sy ireo nanana fitondran-tena ambony sy feno avonavona izay resy tan’ady. Tsy afa-po hatrany fa te-handresy an’ady izy ireo. Koa raha mivoaka avy tao am-pasany izy ireo, dia hanohy indray ny fizotry ny eritreriny izay nitsahatra tamin’ny fahafatesany. Mbola manana ilay fanahy mitovy izay te-handresy izay manapaka azy ireo tamin’ny fahalavoany hatrany izy ireo. Nivory niaraka tamin’ny anjeliny i Satana ary nony avy teo niaraka tamin’ireo mpanjakany sy ireo olona manan-kery sy mpampiaiky an’ ady. Rehefa afak’izany dia nijery ireo miaramila midadasika izy dia milaza tamin’izy ireo fa kely sy malemy ny vondrona ao amin’ilay tanàna, noho izany dia afaka maka ilay tanàna izy ireo, sy handroaka ny mponina ao anatiny ka hanana ny hareny sy ny voninahiny rehetra.HM58 79.3

    Nahomby i Satana tamin’ny famitahana azy ireo ka dia indreo fa manomboka miomana ho amin’ilay ady avy hatrany ny rehetra. Nanamboatra fitaovam-piadiana maro isan-karazany izy ireo satria moa nisy olona kinga maro tao anatin’ireo vahoaka midadasika ireo. Ary rehefa avy eo, dia i Satana no teo amin’ny lohany ka dia nandroso ny vahoaka. Mpanjaka sy mpiantafika maro no nanaraka haingana taorian’i Satana ary ny vahoaka kosa nanaraka tao aoriana ary nanao vondrona maro. Ny vondrona rehetra dia samy nanana mpitarika avokoa, ary notandrovany tokoa ny filaminana raha nandeha teo amin’ilay tany misaona izy ireo ho any amin’ilay Tanàna masina.HM58 79.4

    Nohidian’ i Jesosy ireo vavahadin’ ilay Tanàna ka nanodidina izany ireo miaramila midadasiky ny ratsy fanahy ary nifandahatra toy ny ataon’ny mpiady. Nanomana izao karazana fitaovana piadiana rehetra izao izy ireo tamin’ny fiandrasana fa hisy ady masiaka hatao. Nifandamina nanodidina ny tanana izy ireo. Tamin’izay dia niakatra teny an-tampon’ny mandan’ilay tanana i Jesosy sy ny antoko sy andian’ anjely rehetra izay nanao satroboninahitra manjelajelatra teo amin’ny lohany ary ireo olona marina rehetra izay nisatroboninahitra mamirapiratra. Niteny tamim-mpiandrianana i Jesosy ka nanao hoe: “Jereo ry mpanota, ny valisoan’ ireo marina! Ary jereonareo ry hianareo izay navotako ny famaizana ireo ratsy fanahy!” Nijery ilay vondrona be voninahitra izay teo ambonin’ny mandan’ ilay tanana ireo vahaoka betsaka. Ary raha nanatri-maso ny fanjelajelatry ny satro-boninahitra izay naneho ny endrik’i Jesosy sy nahita ilay voninahitra sy ny fiandrianana tsy hay lazaina izay hanan’Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka ny Tompon’ny tompo izy ireo, dia nihena ny herimpony. Namely azy ireo ny eritreriny ny amin’ilay harena sy voninahitra izay nariany, ary tsapany ankehitriny fa ny fahafatesana no tambin’ ny ota. Hitan’ izy ireo ilay vondrona miravoravo sy masina izay notsinontsinoaviny nitafy voninahitra sy haja ary tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay ary nandritr’izany kosa dia tany ivelan’ny tanàna izy ireo niaraka tamin’ireo zavatra rehetra mety azo atao tsinontsinona sy ireo zava-betaveta rehetra.HM58 79.5

    Jereo Matio 23: 29 Apokalypsy 6:15 -16 ; 20 : 7-9 22 : 12-15HM58 79.6

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents