Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 41 - Ny Fahafatesana Faharoa

    Nihazakazaka teo afovoan’ny vahoakany i Satana ka nitady izay hamporisihany azy ireo mba hihetsika. Nefa Andriamanitra nandrotsaka afo avy tany an-danitra, ary ny lehibe amin’ny olombelona, ny mahery, ny manankarena sy ny mahantra dia samy levona avokoa. Hitako fa ny sasany tamin’izy ireo dia malaky levona ary ny hafa kosa mijaly elaela kokoa. Voaheloka araka ny asa izay nataony raha mbola tao amin’ny tenany izy ireo.HM58 80.1

    Ny sasany dia holevonina anatin’ny andro maromaro ary arakaraka ny mbola hisian’ny faritra tsy levona amin’ny tenany no hahatsapany ny fijaliany. Hoy ny anjely “Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina mandra -pahalevona ny atoma farany kely indrindra.HM58 80.2

    Fa i Satana sy ny anjeliny kosa hijaly ela. Tsy hitondra ny lanjan’ny fahotany sy ny fanamelohana ny fahotany fotsiny ihany izy, fa koa ny fahotan’ireo vahoaka voavotra dia hapetraka eo aminy; ary tsy maintsy hijaly nohon’ny fahaverezana ireo fanahy nohon’ny nataony izy. Rehefa afak’izany dia hitako fa levona I Satana sy ireo vahoaka ratsy fanahy rehetra ka dia afa-po ny fahamarinan’Andriamanitra. Ary ny antokan’ andian’Anjely rehetra sy ireo olo-masina voavotra rehetra nilaza tamin’ny feo avo hoe: “Amena” !HM58 80.3

    Hoy ny Anjely tamiko : Satana no fakany ary ny zanany no sampany. Ankehitriny dia efa levona avokoa na ny fakany na ny sampany. Maty tamin’ny fahafatesana mandrakizay izy ireo. Tsy hatsangana intsony ireo ka dia hanana tontolo voadio Andriamanitra. Rehefa afaka izany dia nijery aho, ka nahita ilay afo izay nandevona ny ratsy fanahy; nandoro ireo fakofako ka nanadio ny tany. Nijery indray aho ka nahita ny tany voadio. Tsy nisy na dia famantarana farany kely indrindra aza momba ny ozona. Ny velaran’ny tany izay potika sy nisamboavoara fahiny dia indro fa tonga lemaka lehibe midadasika ankehitriny. Nadio avokoa ny tontolon’ Andriamanitra iray manontolo ary tapitra mandrakizay ilay fifandirana lehibe. Ny zavatra rehetra izay nifantohan ny masontsika dia nahafinaritra sy masina avokoa. Ary ny vahoaka voavotra rehetra, na antitra na tanora na lehibe na kely, nanipy ny satroboninahiny mamirapiratra teo an-tongotr’ Ilay Mpanavotra azy, ka niondrika mba hiankohoka eo anatrehany sy niankohoka tamin’Ilay velona mandrakizay, mandrakizay.HM58 80.4

    Ny tany vaovao ao anatin’ny fahatsarany rehetra, sy ny voninahiny rehetra, no ho lova mandrakizay ho an’ny voavotra. Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibeazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ny Avo indrindra, izay hanana izany mandrakizay mandrakizay.HM58 80.5

    Jereo Isaia 6:24; Daniela 7: 26-27 ; Apokalypsy 20: 9-15 ; 21:1; 22:3HM58 80.6

    *****

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents