Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny filazalazana ny mombamomba ny mpanoratra Ellen Gould White, 1827-1915

    Mpianatr’i Kristy mahafatrapo, Ellen dia mpivavaka tao amin’ny “Methodist” hatramin’ny faha fito ambiny folo taona. Voaroaka tsy ho isan’ny mpikambana izy noho ny firesahany sy ny finoany ny fiavian’i Jesosy tsy ho ela tamin’ny 1843.HM58 3.1

    Taorian’ny nandavan’ireo olona roa lahy ny adidy izay napetrak’ Andriamanitra tamin’izy ireo, izay vao nanome fahitana sy hafatra entina amin’ny izao tontolo izao, an’i Ellen Gould White Andriamanitra. Maro ireo andalanteny sy boky izay nosoratany , izay manome fananarana sy fampaherezana. Rehefa avy nandray fahazavana mikasika ny hafatry ny fahasalamana izy, dia lasa mpanohana mafy ny momba ny fahasalamana ary mamporisika ny fisakafoanana mitovy ny tany amboalohany , tao amin’ny Saha Edena, ny fifadiana ireo zavatra manimba ary ny fahalalana onony amin’ny zavatra rehetra.HM58 3.2

    Ramatoa White dia tsy nanao ny tenany ho “mpaminany” mihitsy, nefa na dia izany aza, dia tsy olana taminy ny fanantsoan’ireo sasany azy an’izany , fa raha anontaniana izy, dia “mpilaza hafatra” no fiheverany ny tenany.HM58 3.3

    Amin’izany valin-teny izany, dia naneho izy fa ny asany dia ny manao fanavaozana ara-pahasalamana, fiantsoana amin’ny fibebahana ny fahotana, ary manohana ny fihetsiketsehana izay “manamboatra ny tapaka”, tafiditra ao koa ireo asa maro noho ireo izay fanaon’ny mpaminany andavanandro, dia ny filazàna ny momba ny zavatra ho avy araka ny fahitan’Andriamanitra azy. Namorona boky fianarana soratra Masina maro be koa izy, tsongaina manokana amin’izany “Ny Dia ho eo amin’I Kristy” izay anisan’ireo boky fantam-bahoaka indrindra nosoratany. Fa ity boky ity kosa no hamakafakany “Ny ady lehibe izay ifanaovan’i Kristy sy ny anjeliny amin’i Satana mabamin’ny anjeliny” izay tena lehibe indrindra amin’ny boky izay nosoratany.HM58 3.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents