Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tari-dalana ny Baiboly manontolo

    Na oviana na oviana andinihana ny Soratra Masina ka tsy amin’ny toe-tsaina entanim-bavaka sy azo ampianarina no anaovana izany, dia ho voaolana tsy ho amin’ny tena dikany ireo toko sy andininy tsotra indrindra. Tokony homena ny vahoaka araka izay fivakiny ny Baiboly manontolo.IFL 24.3

    Nomen’Andriamanitra ny teny azo antoky ny faminaniana; ny anjely, ary i Kristy mihitsy aza, no tonga nampahafantatra an’i Daniela sy i Jaona ny zavatra «tsy maintsy ho tonga faingana» - Apôk. 1:1. Ireo zava-dehibe mikasika ny famonjena antsika ireo dia tsy nambara tamin’ny fomba hahavery hevitra sy handiso lalana izay tena mikatsaka marina tokoa ny fahamarinana. Mazava ho an’izay rehetra mandinika izany amin’ny fo mivavaka ny tenin’Andriamanitra.IFL 24.4

    Ny antsoantso milaza «fahalalahan-tsaina” dia manajamba ny olona tsy hahita ny fitaky ny fahavalony. Mahomby izy eo amin’ny fanoloana ny Baiboly amin’ny hevi-dravin’olombelona; ailikilika ny lalàn’Andriamanitra, ka amin’izay ny fiangonana dia eo ambanin’ny fanandevozan’ny fahotana, na dia milaza ny tenany ho afaka aza.IFL 24.5

    Navelan’Andriamanitra hitosaka amin’izao tontolo izao ny fahazavana vokatr’ireo zava-baovao hitan’ny siansa. Nefa na dia ny saina maranitra indrindra aza, raha tsy tarihin’ny tenin’Andriamanitra, dia manjary mitonantonana eo amin’ny fiezahany hanadihady ny fifandraisan’ny siansa sy ny fanambarana.IFL 25.1

    Sombintsombiny sady tsy tanteraka ny fahalalan’ny olombelona; noho izany dia maro no tsy afaka mampifandrindra ny fomba fijeriny ny siansa amin’ny fanambaran’ny Soratra Masina. Betsaka ny olona no mandray laha-kevitra tsotra fotsiny ho tena zava-misy aratsiansa, ary heveriny fa tokony hosedraina «amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy” -1 Tim. 6:20, ny tenin’Andriamanitra. Ary satria tsy hainy hazavaina amin’ny alalan’ny lalàna voa-janahary ny Mpamorona sy ny asany, dia raisiny ho tsy azo inoana ny tantara lazain’ny Baiboly. Ireo izay misalasala ny amin’ny fahamarinan’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao dia matetika no manao dingana lavidavitra kokoa ka misalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra. Navotsony ny vatofantsika namaharany ka dia avela hiapokapoka eny amin’ny harambaton’ny tsy finoana izy ireo.IFL 25.2

    Sangan’asa famitahan’i Satana ny hitana ny sain’ny olona handinika sy haminavina izay tsy nampahafantarin’Andriamanitra. Nanjary sorena i Losifera noho ny tsy nanambarana taminy ireo zava-miafina rehetra momba ny fikasan’Andriamanitra, ka tsy noraharahainy izay nambara. Ankehitriny dia mitady ny hamonto ny sain’ny olona amin’ny toe-tsaina toy izany izy ka hitaona azy koa tsy hiraharaha ny baiko mivantana nomen’Andriamanitra.IFL 25.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents