Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy finoana eo anatrehan’ny Baiboly

    Ireo fampianaran-diso eo anivon’ny fiangonana kristianina dia manaisotra ireo tsatoka napetraky ny tenin’Andriamanitra. Vitsy ny olona no mijanona tsy mitsipaka afa-tsy fahamarinana iray ihany. Ny ankabeazan’ny olona dia manilika tsikelikely hatrany hatrany ireo foto-kevitry ny fahamarinana, mandra-pahatongany ho tena tsy mpino mihitsy.IFL 27.3

    Ireo hevi-dison’ny teôlôjia ankafizin’ny be sy ny maro dia nitarika fanahy sesehena ho amin’ny toe-tsaina fatra-pisalasala ny amin’ny zavatra rehetra. Tsy azony atao ny hanaiky foto-pinoana manao tsinontsinona izay heveriny ho fahamarinana sy famindrampo ary fahalemem-panahy. Satria aseho ho fampianaran’ny Soratra Masina ireo dia laviny ny handray ny Baiboly ho tenin’Andriamanitra.IFL 27.4

    Heverina fa tsy azo itokisana ny tenin’Andriamanitra noho izy manakiana sy manameloka ny fahotana. Miezaka handrava ny fahefany ireo izay tsy te hankatò ny fitakiany. Tsy vitsy no manjary tsy mpino mba hanamarinany ny tenany noho ny fanaovany antsirambina ny adidiny. Ny sasany indray, tia loatra ny fahafinaretana ka tsy te hanao na inona na inona izay mitaky fahafoizan-tena, dia miezaka ny hampahalaza ny tenany ho manana fahendrena ambony kokoa izy amin’ny fitsikerany ny Baiboly.IFL 27.5

    Maro ny olona no mahatsapa fa mariky ny fahambonian-toetra ny fiandaniana amin’ny tsy finoana sy ny fisalasalana ary ny tsy fahatokiana amin’Andriamanitra. Nefa fahatokian-tena sy avonavona no ho hita ao ambanin’ny toa fahatsoram-po isalorany. Misy betsaka no finaritra mahita zavatra ao amin’ny Soratra Masina hoenti-manahirana ny sain’ny hafa. Misy avy hatrany dia mitsikera sy misaina amin’ny fomba diso noho ny fitiavany adihevitra fotsiny. Kanefa rehefa manambara ampahibemaso ny tsy finoany izy, dia tafaray amin’izay tsy tia vavaka.IFL 28.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents