Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay

    Rehefa handao ny mpianany i Jesôsy dia tsy nilaza taminy Izy fa vetivety dia ho any Aminy izy ireo. «Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho”, hoy Izy. «Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko» - Jao. 14:2,3. Nolazain’i Paoly taty aoriana fa «ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka Aminy ho eny amin ‘ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika”, ary ampiany hoe: «Koa dia mifampionòna hianareo amin’izany teny izany» -1 Tes. 4:16-18. Ho tapaka ny fatoran’ny fasana amin’ny fiavian’ny Tompo ka hitsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay “izay maty ao amin’i Kristy“.IFL 40.2

    Ny rehetra dia tsy maintsy hotsaraina araka izay voasoratra ao amin’ny boky ary hovaliana araka ny asany. Tsy amin’ny andro ahafatesana tsy akory no hisehoan’io fitsarana io. «lzy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana” - Sal. 37:10. «lndro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra» - Oba. 16.IFL 40.3

    Fa raha efa miriaria amin’ny fahasambaran’ny lanitra ny maty na miolanolana ao amin’ny lelafon’ny helo, inona indray no ilàna fitsarana ho avy? Mety ho azon’ny olon-tsotra ny tenin’Andriamanitra. Fa inona kosa no fahendrena na fahamarinana mety ho hitan’ny olona mazava saina sy tso-po amin’ny fampianarana maro mpanaraka? Moa ve ny olo-marina handray ny teny fiderana azy manao hoe: «Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky (...) midira amin’ny fifalian’ny Tomponao», kanefa efa nitoetra nandritra ny fotoana ela teo anatrehany izy ireo? Ary ny ratsy fanahy indray kosa, moa ve hantsoina avy any amin’ny toerana fampijaliana azy mba handray didim-pitsarana avy amin’ilay Mpitsara hoe: «Mialà amiko, hianareo izay voaozona, ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay? »Mat. 25:21,41.IFL 40.4

    Ny laha-kevitra momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy dia anisan’ireo fampianaran-diso izay nindramin’i Rôma tamin’ny fanompoan-tsampy. Nosokajin’i Martin Lotera izy io ho anisan’ireo angano mahatsiravina izay anisan’ny antontam-pakon’i Rôma - E. Petavel, The Problem of Immortality, t. 255. Ny Baiboly dia mampianatra fa matory ny maty mandra-pahatongan’ny fitsanganana amin’ny maty.IFL 41.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents