Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fifandraisana voarara

    Ankoatra izany, dia noraran’Andriamanitra mafy izay rehetra lazaina fa fifandraisana amin’ny fanahin’ireo efa maty. Fa ny natao hoe «zavatra manindry”, izay niantsoana ireo mpamangy avy any an-koatra, dia lazain’ny Baiboly fa «fanahin’ny demonia». Vakio ny Nom. 25:1-3; Sal. 106:28; 1 Kôr. 10:20; Apôk. 16:14. Norarana mafy dia mafy ny fifandraisana amin’izy ireny ka nomelohina ho faty izay nanao izany. (Jereo ny Lev. 19:31; 20:27). Efa tafatsofoka hatrany amin’ny fikambanan’ny mpahay «siansa”, tafabosesika hatrany ampiangonana, ankasitrahana ao amin’ny antenimiera mpanao lalàna, ary na dia hatrany amin’ny lapan’ny mpanjaka aza izany fiantsoana avelo izany. Tsy inona tsy akory io fitaka goavana dia goavana io fa fifohazan’ny sikidy, izay nomelohina fahiny ka miseho amin’ny endrika vaovao.IFL 45.2

    Amin’ny filazany fa any an-danitra ny olona, dia ambaran’i Satana amin’izao tontolo izao fa: «Tsy mampaninona na mino na tsy mino an’Andriamanitra sy ny Baiboly ianareo; miveloma araka izay tianareo; fa ny lanitra no ho fonenanareo». Izao anefa no voalazan’ny Tenin’Andriamanitra: «Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina!” - Isa. 5:20.IFL 45.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents