Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mahafantatra ny fanambaran’ny Soratra Masina

    Haka ny endriky ny havana aman-tsakaiza ireo fanahin’ny demonia ireo ka hanohina ny fitiavantsika mamy indrindra ary hanao fahagagana. Tsy maintsy vonona isika hanohitra ireny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly izay milaza fa ny maty dia tsy mahalala na inona na inona, ary ny angatra izany dia fanahin’ny demonia.IFL 47.5

    Ho voafitaka sy ho resy izay rehetra tsy manana ny finoana mafy orina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Miasa amin’ny fahagagana mandainga rehetra i Satana ary hitombo hatrany ihany ny fitaka ataony. Kanefa izay mitady aminny fony rehetra hahalala ny fahamarinana ka miezaka hanadio ny fanahiny amin’ny alalan’ny fankatoavana, dia hahita fiarovana azo antoka ao amin’Ilay Andriamanitry ny fahamarinana. Aleon’Andriamanitra mandefa ny anjely rehetra any an-danitra hiaro ny vahoakany toy izay hamela ny fanahy iray izay matoky Azy ho resin’i Satana. Izay matoky tena ka mikiribiby tsy mety mibebaka fa miantehitra amin’ny hoe tsy misy famaizana hihatra amin’ny mpanota; izay niala tamin’ny fahamarinana nomanin’ny lanitra ho fiarovana ny marina amin’ny androm-pahoriana, dia hanaiky ny fiarovan’ny lainga atolotr’i Satana ho solon’izany, dia ny fihamboana mamitaka ataon’ny filalaovana angatra.IFL 47.6

    Zimbazimbain’ny mpanaraby ireo fanambarana miezinezina ao amin’ny Soratra Masina mikasika ny drafitry ny famonjena ary ny famaliana hihatra amin’izay mitsipaka ny fahamarinana. Miseho ho mangoraka ireo olona lazainy fa malemy sady tery saina ary minomino foana mba hankatò izay tadiavin’Andriamanitra araka ny lalàny izy. Efa nitolo-batana manontolo tamin’ny mpaka fanahy ireo mpanaraby, efa tafaray amin’ny fomba ety dia ety taminy, ary efa vonto tanteraka amin’ny fanahiny, hany ka tsy manan-kery sady tsy manam-paniriana hiala amin’ny fandrika voavelatra intsony.IFL 48.1

    Napetrak’i Satana teo amin’ny toky nomeny an’i Eva tao Edena ny fanoneran’ny asany hoe «Tsy ho faty tsy akory hianareo». «Amin’ny andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy» - Gen. 3:4,5. Ny fitaka fara tampony atony dia ho tanteraka amin’ny andro farany sisa. Hoy ny mpaminany: «Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona (...) fanahin’ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ny mpanjaka amin ‘izao tontolo izao mba hanangona azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben Andriamanitra Tsitoha» - Apôk. 16:13,14.IFL 48.2

    Afa-tsy izay voaaron’ny tenin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny finoana ny teniny, dia ho voafaoka ho ao amin ny laharany izao tontolo izao manontolo hanaraka ny fitaka ataony. Sondriana sy renoka ny vahoaka noho izany fiadanana mampidi-doza izany, ary tsy hifoha raha tsy hirotsaka ny fahatezeran’Andriamanitra.IFL 48.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents