Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Lalàn’ny fahafahana

    Maro ireo mpampianatra ara-pivavahana no manizingizina fa nanafoana ny lalàna tamin’ny fahafatesany i Kristy. Misy mampiseho izany ho toy ny zioga mavesatra, ary ho setrin’ny fanandevozan’ny lalàna dia asongadiny ny fahafahana iainana eo amin’ny filazantsara.IFL 51.3

    Tsy toy izany anefa no fomba fijerin’ireo mpaminany sy ireo apôstôly ny lalàna masin’Andriamanitra. Hoy i Davida: «Ary handeha amin’ny malalaka aho fa ny didinao no tadiaviko» - Sal. 119:45. Ny apôstôly Jakôba dia nilaza ny Didy Folo ho «lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana” - Jak. 1:25. Ary ny mpanoratra ny Apôkalipsy dia manonona fitahiana ho an’izay «mankatò ny didiny, (dikan-teny anglisy KJV) mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna» - Apôk. 22:14.IFL 52.1

    Raha azo natao ny nanova na nanafoana ny lalàna dia tsy ho nilaina ny nahafatesan’i Kristy hamonjy ny olona ho afaka amin’ny sazin’ny fahotana. Tonga ny Zanak’Andriamanitra «hahalehibe ny lalàna sy hahabe voninahitra azy» - Isa. 42:21. Hoy Izy: «Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna (...); mandrapahafoan’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy foana akory amin’ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza» - Mat. 5:17,18. Ary izao no ambarany mikasika ny tenany: «Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako, ary ny lalànao no ato anatiko» - Sal. 40:8.IFL 52.2

    Tsy azo ovàna ny lalàn’Andriamanitra, izay fanambarana ny toetra amam-panahin’llay nanao azy. Andriamanitra dia fitiavana, ary ny lalàny dia fitiavana. «Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna” - Rôm. 13:10. Hoy ny mpanao Salamo: «Marina ny lalànao; marina ny didinao rehetra» - Sal. 119:142,172. Ary hoy ny ambaran’ny apôstôly Paoly: «ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara» - Rôm. 7:12. Ny lalàna toy izany dia tsy maintsy maharitra tahaka Ilay nanao azy.IFL 52.3

    Asan’ny fiovam-po sy ny fanamasinana ny mampihavana ny olona amin’Andriamanitra amin’ny hitondrany azy hifanaraka amin’ireo foto-kevitry ny lalàny. Tamin’ny voalohany dia tanteraka ny olona teo amin’ny fifandrindrany tamin’ny lalàn’Andriamanitra. Nampisaraka azy tamin’ny Mpanao azy anefa ny fahotana. Niady tamin’ny lalàn’Andriamanitra ny fony. «Fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo, fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany» - Rôm. 8:7. Nefa «toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanani-lahy Tokana”, mba ho vita fihavanana amin’Andriamanitra ny olona, tafaverina indray hifandrindra amin’ny Mpanao azy. Io fiovana io no fahateraham-baovao, izay nolazain’i Jesosy fa izay tsy manana izany «dia tsy mahazo mahita ny fanjakan ‘Andriamanitra ” - Jao. 3:16,3.IFL 52.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents