Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiaikena ny fahotana

    Ny dingana voalohany eo amin’ny fampihavanana amin’Andriamanitra dia ny fiaikena ny fahotana. «Ny ota no fandikana ny lalàna.” «Ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota» - 1 Jao. 3:4; Rôm. 3:20. Mba hahitany ny mahameloka azy dia tsy maintsy misedra ny toetrany amin’ny alalan’ny fitaratr’Andriamanitra izay mampiseho ny fahatanterahan’ny toetra marina ka mahatonga azy ho afaka hahita ny kileman’ny tenany izy.IFL 53.1

    Mampiseho ny otany amin’ny olona ny lalàna, fa tsy mitondra fanafody hanasitranana izany. Manambara ny lalàna fa fahafatesana no anjaran’ny mpandika azy. Ny filazantsaran’i Kristy irery no mahay manafaka ny mpanota amin’ny fanamelohan’ny fahotana na ny fahalotoana avy aminy. Tsy maintsy mibebaka amin’Andriamanitra izy, satria nandika ny lalàny; tsy maintsy mino an’i Kristy izy, Ilay sorona nanavotra azy. Amin’izany fomba izany no ahazoany «famelana ny fahotana lasa” (jereo ny Rôm. 3:25) ka mahatonga azy ho zanak’Andriamanitra.IFL 53.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents