Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Inona no atao hoe fanamasinana?

    Hevi-diso maro momba ny fanamasinana no mipoitra avy amin’ny fanaovana an-tsirambina na fitsipahana ny lalàn’Andriamanitra. Ankasitrahan’ny besinimaro ireo laha-kevitra ireo, izay sady diso amin’ny maha-fampianarana azy no mampididoza amin’ny vokany eo amin’ny fiainana.IFL 55.2

    Izao no ambaran’ny apôstôly Paoly: «Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo” - 1 Tes. 4:3. Ampianarin’ny Baiboly mazava tsara ny atao hoe fahamasinana sy ny fomba ahatrarana izany. Nivavaka ho an’ny mpianany ny Mpamonjy: «Manamasina azy amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana” - Jao. 17:17. Ary i Paoly dia nampianatra fa ny mpino dia «hohamasinin’ny Fanahy Masina” - Rôm. 15:16.IFL 55.3

    Inona no asan’ny Fanahy Masina? Nolazain’i Jesôsy tamin’ny mpianany hoe: «Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra» - Jao. 16:13. Ary hoy ny mpanao Salamo hoe: «marina ny lalànao» - Sal. 119:142. Ary satria «masina (...) sady marina no tsara» (Rôm. 7:12) ny lalàna, dia mazava ho azy fa ny toetra amam-panahy izay volavolain’ny fankatoavana an’io lalàna io dia ho masina. I Kristy no ohatra tanteraka manana izany toetra amam-panahy izany. Hoy Izy: «tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko”; «lzaho manao izay sitrany mandrakariva” - Jao. 15:10; 8:29. Tokony ho tahaka an’i Kristy ireo mpanaraka Azy - noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia hamolavola toetra amam-panahy mifandrindra amin’ny foto-kevitry ny lalàny masina izy. Izany no fanamasinana araka ny Baiboly.IFL 55.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents