Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanamasinana araka ny Baiboly

    Mahafaoka ny tena manontolo - ny saina, ny fanahy ary ny vatana - ny fanamasinana (Jereo ny 1 Tes. 5:23). Asaina manolotra ny tenany «ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra» (Rôm. 12:1) ny Kristianina. Ny fomba amam-panao rehetra izay mampihena ny hery ara-batana na ara-tsaina dia mahatonga ny olona tsy ho afaka hanompo ny Mpamorona azy. Ireo izay tia an’Andriamanitra amin’ny fony rehetra dia hiezaka mandrakariva ny hitondra ny hery rehetra eo amin’ny tenany hifandrindra amin’ireo lalàna izay hampitombo ny fahazoany hanao ny sitrapony. Tsy hanao izay hampahaosa na handoto ny fanatitra entiny ho an’ny Rainy izay any an-danitra amin’ny tsy fahononana na fanaranampo amin’ny filàna izy.IFL 58.2

    Ny fanomezana fahafaham-po ny fironana hanota dia mahadonto ary mamono ny fandrenesana eo amin’ny ara-tsaina sy ara-panahy, koa tsy mandaitra afa-tsy kely foana amin’ny fo ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fanahiny. «Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra» - 2 Kôr. 7:1.IFL 58.3

    Firifiry amin’ireo milaza azy ho Kristianina no manambany ny toetra maha-olombelona araka ny endrik’Andriamanitra azy amin’ny alalan’ny hatendan-kanina, ny fisotroan-divay, ary ny fahafinaretana voarara. Ary matetika loatra ny fiangonana no mampirisika ny ratsy mba hoenti-mameno ny tahirim-bolany izay tsy vitan’ny fitiavana an’i Kristy ny hameno azy noho izy marefo loatra. Moa ve i Jesôsy, raha miditra ny fiangonana amin’izao vanin’andro izao ka mahita ny lanonambe atao ao amin’ny anaran’ny fivavahana, tsy handroaka ireo mpanazimba ny zava-masina ireo, tahaka ny nandroahany ireo mpanakalo vola hivoaka ny tempoly?IFL 59.1

    «Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? ka tsy tompon’ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo, sy amin’ny fanahinareo, izay an’Andriamanitra» - 1 Kôr. 6:19,20. Izay manana ny tenany ho tempolin’ny Fanahy Masina dia tsy hanao izany ho andevon’ny fahazarana manimba. Ny heriny dia an’i Kristy. An’i Jehôvah ny fananany. Ahoana no ahafahany mandanilany foana io harena napetraka taminy io?IFL 59.2

    Isan-taona dia mandany vola tsy toko tsy forohana amin’ny fanaranam-po tsy mahasoa sady manimba ireo izay misora-tena ho Kristianina. Robaina amin’ny fahafolon-karena sy ny fanatitra Andriamanitra, nefa bebe kokoa izay levonina eo ambony alitaran’ny filàna ambany manimba noho izay omeny hoentimanampy ny mahantra na hoenti-manohana ny filazantsara. Raha izay rehetra milaza ny tenany ho mpanaraka an’i Kristy no tena nohamasinina marina, dia tsy ho lanilany foana ho amin’ny fanaranam-po tsy misy antony sy manimba ny fananany, fa harotsaka ao amin’ny tahirin’i Jehôvah. Hanome ohatra eo amin’ny fahalalana onony sy ny fahafoizan-tena ny Kristianina. Amin’izay dia ho fahazavana ho an’izao tontolo izao izy.IFL 59.3

    «Ny filan’ny nofo sy ny filan ‘ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao” - 1 Jao. 2:16, no mifehy ny ankamaroan’ny olona. Fa ireo mpanaraka an’i Kristy kosa dia iantefan’ny antso ho amin’ny fahamasinana: «Mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio». Hoy ny teny fikasan’Andriamanitra ho an’ireo izay mahafeno ny fepetra: «Ary Izaho dia handray anareo, ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanakolahy sy ho zanakovavy, hoy Jehovah Tsitoha» - 2 Kôr. 6:17,18.IFL 59.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents