Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Manandratra ny fahefan’olombelona

    Tazan’i Kristy mialoha tamin’ny mason’ny faminaniana ny asa fanandratana ny fahefan’olombelona hifehy ny feon’ny fieritreretana, izay fanetribe efa nahazo ny fiangonana hatrizay. Ary noraketina ny fanamelohany mampahatahotra ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, sy ny fampitandremany ny vahoaka tsy hanaraka ireo mpitarika jamba ireo mba ho fananarana ny taranaka ho avy.IFL 64.1

    Atokan’ny Eglizin’i Rôma ho an’ny eveka sy ny pretra samirery ny zo hanazava ny Soratra Masina. Na dia natolotry ny Fanavaozana ara-pivavahana ny olona rehetra aza ny Soratra Masina, dia tena mbola foto-kevitra tsy misy hafa amin’izany notazonin’i Rôma izany ihany no misakana ny olona marobe ao amin’ny fiangonana Prôtestanta tsy handinika ny Baiboly ho an’ny tenany. Toroana izy hanaiky ny fampianaran’ny Soratra Masina araka ny fanazavan’ny fiangonana an’izany, koa dia misy ny olona an’arivony tsy sahy mandray na inona na inona izay na dia abaribarin’ny Soratra Masina aza ka mifanohitra amin’ny fanekempinoany.IFL 64.2

    Maro no vonona ny hanankina ny fiambenana ny fanahiny amin’ny mpitondra fivavahana. Lalovany fotsiny, ary zara raha hitany ny fampianaran’ny Mpamonjy. Kanefa moa ve tsy mety diso ny mpitandrina? Ahoana no ahazoantsika mametraka ny fanahintsika hotarihiny raha tsy fantatsika avy amin’ny tenin’Andriamanitra fa mpitondra fahazavana izy ireo? Ny tsy fananana ny fahasahiana ilaina mba hialana amin’ny lala-masaka izoran’izao tontolo izao dia mitarika ny maro hanara-dia ny manampahaizana. Hitany fa aseho mazava ao amin’ny Baiboly ny fahamarinana ho amin’izao andro izao, ary tsapany ny herin’ny Fanahy Masina manampy ny fitoriana izany; nefa dia avelany hampiamboho ny tenany tsy hijery ny fahazavana ny fanoherana ataon’ireo mpitondra fivavahana. An’arivony ny olona gejainy amin’ny alalan’ny rohim-pihavanana amin’ireo fahavalon’ny hazo fijalian’i Kristy. Na toy inona na toy inona anefa toetran’io famatorona io, na amin’ny ray aman-dreny na amin’ny zanaka, na amin’ny vady, na eo amin’ny fiaraha-monina, ary tsy manana herim-po na fahaleovan-tena ampy hoenti-mankatò izay fantany marina fa adidy tokony hotontosainy ireo fanahy voatana eo ambanin’ny fanapahany.IFL 64.3

    Betsaka no milaza fa tsy mampaninona izay inoana rehefa manao ny marina eo amin’ny fiainana. Nefa ny finoana no mamolavola ny fiainana. Raha azontsika fantarina ny fahazavana sy fahamarinana, kanefa tsy hararaotintsika ny tombontsoa ananantsika handre sy hahita, dia tahaka ny mitsipaka izany isika; misafidy ny haizina isika fa tsy ny fahazavana.IFL 65.1

    Tsy manala tsiny ny hevi-diso na ny fahotana ny tsy fahalalana, rehefa azo atao tsara ny hahalala ny sitrapon’Andriamanitra. Misy olona manao dia lavitra tonga amin’ny toerana misy lalana maro misampantsampana ary eo ny takela-by manondro izay itondrany ny tsirairay. Raha tsy mijery tsara ny fanoroan-dalana izy fa mandeha amin’ny lalana izay toa tsara aminy fotsiny, na dia ataony amim-pahatsoram-po aza izany, dia tsy isalasalana fa ho diso lalana tokoa izy.IFL 65.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents