Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Finoana maharitra

    Ny andro feno fahoriana sy tebiteby eo anoloantsika dia hitaky finoana izay mahatanty hatrotrahana, fiandrasana ela sy hanoanana - finoana izay tsy ho reraka na dia voasedra mafy aza. Ny fandresen’i Jakôba dia manaporofo ny herin’ny fivavahana maharitra. Izay rehetra mifikitra amin’ny teny fikasan’Andriamanitra, tahaka ny nataony, dia hahomby tahaka ny nahombiazany koa. Ny mitolona amin’Andriamanitra - vitsy dia vitsy no mahalala izany! Rehefa manafotra ny mpitaraina ny onjan’ny famoizam-po, dia vitsy loatra no mifikitra amin’ny teny fikasan’Andriamanitra amin’ny finoana tsy mety ketraka.IFL 83.1

    Hisy toe-javatra mahatahotra manana endrika tsy fahita hiseho tsy ho ela eny amin’ny lanitra ho famantarana ny herin’ny demonia miasa manao fahagagana. Handeha hankany amin’ny mpanjakan’ny tany sy ho any amin’izao tontolo izao manontolo ireo fanahin’ny demonia, mba hampirisika azy ireo hiandany amin’i Satana eo amin’ny ady farany hataony amin’ny fitondrampanjakan’ny lanitra. Hisy olona hitsangana hilaza ny tenany ho Kristy mihitsy. Hanao fahagagana fanasitranana izy ka hilaza fa manana fanambarana avy any an-danitra nefa manohitra ny teny lazain’ny Soratra Masina.IFL 83.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents