Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny asa fara tampony ataony

    Ho fara tampony amin’ny asa famitahana lehibe dia i Satana mihitsy no hiseho vatana hilaza ny tenany ho Kristy. Efa ela no niandrasan’ny fiangonana ny fiavian’ny Mpamonjy ho fanatanterahana ny fanantenany. Izao dia asehon’ilay mpamitaka lehibe fa tonga i Kristy. Hiseho amin’ny olona amin’ny toerana samihafa eto an-tany ho toy ny anankiray mitafy voninahitra manjelanjelatra mahajambena i Satana, mova tsy ny Zanak’Andriamanitra araka ny ilazan’i Jaona Azy ao amin’ny Apôkalipsy. (Apôk. 1:13-15).IFL 83.3

    Manoatra lavitra noho izay efa hitan’ny mason’olombelona ny voninahitra izay manodidina azy. Manakoako eran’ny lanitra ny antsom-pandresena manao hoe: ” Tonga i Kristy! Tonga i Kristy!” Miankohoka mivavaka aminy ny olona, ary izy kosa manandratra ny tanany sady mitso-drano azy, tahaka ny nataon’i Kristy tamin’ny mpianany fony Izy tetý an-tany. Malefaka nefa miritsodritsoka toa feon-kira mahafinaritra ny feony. Teny malefaka mitory famindrampo no entiny milaza indray ny sasantsasany amin’ireo fahamarinana izay efa nambaran’ny Mpamonjy. Manasitrana ny aretin’ny olona koa izy, ary eo ampakana tahaka ny toetran’i Kristy dia mihambo ho efa nanova ny Sabata ho Alahady izy. Ambarany fa ireo izay mikiry hanamasina ny andro fahafito dia miteny ratsy ny anarany. Io no tena famitahana goavana indrindra, mila tsy ho hay toherina mihitsy. Vahoaka marobe no babon’ireny fitaka maharendrika ireny ka miteny hoe: “Ity lehilahy ity no herin’Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.“Asa. 8:10.IFL 84.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents