Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy ho voarebireby ny vahoakan’Andriamanitra

    Tsy ho voarebireby anefa ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny fampianaran’io kristy sandoka io. Hitso-drano ny mpiankohoka amin’ny bibidia sy ny sariny izy, dia ilay antokon’olona ambaran’ny Baiboly indrindra fa handrotsahana ny fahatezeran’Andriamanitra tsy miharoharo zavatra.IFL 84.2

    Ankoatra izany, dia tsy havela haka tahaka ny fomba iavian’i Kristy i Satana. Efa nampitandrina ny vahoakany ny amin’ny fitaka mikasika an’io ny Mpamonjy: “Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny (...) Ary amin’izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an’efitra Izy, aza mankany hianareo; Indro, ao amin’ny efi-trano Izy, aza mino. Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona“Mat. 24:24-27; (jereo koa ny Mat. 25:31; Apôk. 1:7; 1 Tes. 4:16,17). Io fiaviany io dia tsy azo alain-tahaka. Ho fantatra eran-tany izany - ary izao tontolo izao manontolo no indray hanatri-maso izany.IFL 84.3

    Izay nazoto nianatra ny Soratra Masina ihany, ary izay nandray ny fitiavana ny fahamarinana ihany no ho voaaro amin’ny fitaka mahery vaika izay hamabo an’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’ny teny vavolombelona ao amin’ny Baiboly no hamantarany an’ilay mpamitaka miova endrika. Moa ve tafaorina mafy eo amin’ny tenin’Andriamanitra ny vahoakany ka tsy hilefitra na dia amin’izay voaporofon’ny retsi-pandreny mazava aza? Moa ve hifikitra amin’ny Baiboly irery ihany izy rehefa tonga ny fotoantsarotra toy izany?IFL 85.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents