Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 10 - Ny Fanavotana Lehibe

    Rehefa esorina tsy hiaro intsony ireo izay manaja ny lalàn’Andriamanitra ny lalàn’olombelona, dia hisy amin’ny tany samihafa fihetsiketsehana miaraka mba handringanana azy ireo. Rehefa manakaiky ny fotoana voatendry ao amin’ny didy, dia hioko ny vahoaka mba hamongotra io antoko ankahalaina io. Ho tapaka fa amin’ny alina iray voatendry no hanapotehana azy, ka hangina tanteraka ny feon’ny fisaratsarahana sy ny fanomezantsiny. Mitalaho ny fiarovan’Andriamanitra ny vahoakany miely patrana, ny sasany any anaty ala, any an-tendrombohitra, ny sasany any an-tranomaizina, raha, indreo, manodidina azy ny fahavalony mirongo fiadiana, ampirisihin’ny anjely ratsy, ka vonona hamita ilay fandringanana farany. Amin’io fotoana io, amin’ny ora farany indrindra, no hisalovanan’Andriamanitra hanafaka ny olom-boafidiny. Hoy i jehôvah: « Ary ny hira ataonao dia ho tahaka ny amin’ny alina fanamasinana ny andro firavoravoana; ary ny hafalian’ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha ho any an-tendrombohitr’i Jehovah, dia any amin’ny Vatolampin’ny Isiraely. Ary Jehovah hanandratra ny feon’ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ny sandriny amin’ny firehetan’ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy ” - Isa. 30:29,30.IFL 86.1

    Mirohotra ho amin’ny hazany ireo olona ratsy fanahy manao andiany; indro, misy haizina matevina noho ny haizin’ny alina mandrakotra ny tany. Dia misy avana, mamirapiratra amin’ny voninahitra avy amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, mamakivaky ny lanitra ary toa manodidina ny antokon’olona mivavaka rehetra. Tafajanona tampoka ireo vahoaka nisafoaka. Hadinony ny antony naharomotra azy tamin’ireo hovonoina. Amin-korohoro eo am-piandrasana izay hidona no ibanjinany ny mariky ny fanekena nataon’Andriamanitra ka maniry indrindra izy ho voaaro amin’ny famirapiratany mahery indrindra.IFL 86.2

    Injay feo mazava sy kanto ren’ny vahoakan’Andriamanitra manao hoe: « Miandrandrà.” Ary tahaka an’i Stefana, izay maritiora kristianina voalohany, dia mampifantoka ny masony amin’ny lanitra izy ireo ka mahita ny voninahitr’Andriamanitra sy ny Zanak’Olona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany. Jereo ny Asan’ny Apôstôly 7:55,56. Hitan’izy ireo eo amin’ny endriky ny maha-Andriamanitra Azy ny mariky ny fanetren-tenany; ary reny avy amin’ny vavany ilay fangatahana eo anatrehan’ny Ray sy ny anjely masina hoe: «Tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy ” - Jao. 17:24. Dia re ny feo mitory manao hoe: «lndreo izy! Indreo Izy! masina, tsy misy tsiny sady tsy misy loto. Nitandrina ny tenin’ny faharetako izy ireo .”IFL 87.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents