Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tonga ny fanafahana!

    Amin’ny mamatonalina Andriamanitra no maneho ny heriny hanafaka ny olony. Miposaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny. Mifandimby haingana dia haingana ny famantarana sy ny fahagagana. Raiki-tahotra sy zendana ny ratsy fanahy mijery, fa ny tsara fanahy kosa mibanjina ny antoka nomena hanafahana azy. Eo anivon’ny lanitra misafotofoto dia misy faritra mazava mamirapiratry ny voninahitra tsy hay lazaina ary re avy ao ny feon’Andriamanitra, tahaka ny feon’ny ranobe, manao hoe: « Vita” - Apôk. 16:17.IFL 87.2

    Mihovitrovitra ny lanitra sy ny tany eo am-pandrenesana io feo io. Misy horohorontany mafy sy lehibe «izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ny olona tety an-tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany» - Apôk. 16:18. Ary mipariaka ombieny ombieny ny silatsilaky ny vatolampy. Misafoaka ny ranomasina. Re ny fimamamaman’ny tafio-drivotra mitovy amin’ny feon’ny demonia. Triatriatra ny vohon’ny tany. Toa mikoro hatramin’ny fanorenany. Ny seranan-tsambo izay nanjary tahaka an’i Sôdôma noho ny haratsian-toetrany dia voasaron’ny rano misafoaka. Tsaroana eo anatrehan’Andriamanitra i Babilôna lehibe «mba homena azy ny kapoaky ny divain’ny firehetan’ny fahatezerany”. Nisy havandra vaventy manao ny asa fandravany (and. 19,21). Voaravona amin’ny tany ireo tanàna feno rehareha indrindra eto an-tany. Ireo lapa mamirapiratra izay tsy nandalan’ny olo-malaza teto amin’izao tontolo izao ny hareny ho voninahitry ny tenany, dia rava ka mirodana eo imasony. Mivava ny rindrin’ny tranomaizina, ary ny vahoakan’Andriamanitra izay nogadrana noho ny finoany dia afaka.IFL 87.3

    Misokatra ny fasana, ary «maro amin’ireo izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha, ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay» - Dan. 12:7. Ireo «izay nandefona Azy» (Apôk. 1:7) kosa, ireo izay nanaraby an’i Kristy teo am-pialana aina sy nanao Azy ho fihomehezana, mbamin’ireo mpanohitra nahery vaika indrindra ny fahamarinana sy ny vahoakan’Andriamanitra, dia hatsangana hibanjina Azy eo amin’ny voninahiny sy hahita ny voninahitra hatafy izay nahatoky sy nankatò. Dan. 12:2; Apôk. 1:7.IFL 88.1

    Misy tselatry ny fahatezerana mihelatra avy amin’ny lanitra ka manarona ny tany amin’ny lelafo. Mafy lavitra noho ny kotrobaratra mirefodrefotra no injay feo re, mifono zava-miafina sy mampihorohoro, milaza ny hanjo ny ratsy fanahy. Ireo izay nanao vava mihoapampana, feno fireharehana sy fihantsiana sahisahy, ary nibitaka ery tamin’ny halozany tamin’ny vahoakan’ Andriamanitra mitandrina ny didiny, indro ankehitriny fa mipararetry ny tahotra. Raiki-tahotra ny demonia ka mangovitra eo anatrehan’ny heriny, ary ny olona kosa mitalaho famindrampo noho ny tahotra mahatsiravina.IFL 88.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents