Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ao amin’ilay Tanàna Masina

    Ny fijerin’ireo tafika tsy hita isan’ny voaavotra dia mifantoka amin’i Jesôsy. Ny maso rehetra dia mibanjina ny voninahitr’llay manana «tarehy simba ka ohatra ny tsy tarehin’olombelona akory». Ny tanan’i Jesôsy mihitsy no mametraka ny satroboninahitra eo amin’ny lohan’ny mpandresy. Misy satroboninahitra ho an’ny tsirairay, voasoratra eo ny «anarany vaovao” (Apôk. 2:17) sy ny hoe «Masina ho an’i Jehovah». Tolorana ny sampan-drofian’ny mpandresy ny tanana tsirairay sy lokanga mamirapiratra. Amin’izay, rehefa manentana ny mozika ireo anjely mpibaiko, dia samy mitendry ny lokangany amim-pahakingana ny tanana rehetra, ka mamoaka feon-kira manga, milanto sy mirindra. Ary ny feo rehetra hisandratra haneho fankasitrahana ka hanao hoe: «ho an’izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy, ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay!” - Apôk. 1:5,6.IFL 93.1

    Manoloana ny vahoaka marobe voavonjy ny Tanàna Masina. Vohain’i Jesôsy midanadana ny varavarana; ka miditra ny firenena izay nitandrina ny fahamarinana. Re indray ilay feo kanto noho ny feon-kira tsy mbola ren’ny sofin’olombelona hatrizay hatrizay manao hoe: «Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” - Mat. 25:34.IFL 93.2

    Atolotr’i Kristy amin’ny Rainy ireo izay novidiny tamin’ny rany, ka hoy Izy hoe: «lndreto izaho sy ny zaza izay nomenao ahy». «Nitahiry (...) izay nomenao Ahy Aho». - Heb. 2:12; Jao. 17:12. Endrey izany haravoana! Ho hitan’ny Ray eny amin’ny voaavotra indray ilay endriny, voafafa ny sorotry ny fahotana sy ny fahalotoana! Efa mifandrindra indray amin’Andriamanitra ny maha-olombelona!IFL 93.3

    Ny fifalian’ny Mpamonjy dia ny mahita ireo fanahy voavonjy noho ny fahoriam-panahiny sy ny fietreny tody soa amin’ny fanjakan’ny voninahitra. Ary hanana anjara amin’ny fifaliany ny voaavotra eo am-pibanjinana ireo olon-tsambatra voavonjy noho ny asany sy ny fivavahany ary ny fandavan-tenany nentanimpitiavana. Fifaliana tsy azo tononina mameno ny fony, eo am-pijerena ireo voataonany ho an’i Kristy ka mahita fa ny anankiray dia nahazo olona hafa, ary ireo kosa nahazo hafa indray.IFL 94.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents