Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 11 - Fandresen’ny Fitiavana

    Amin’ny fiafaran’ny arivo taona (Apôk. 20:1-6), dia hiverina indray eto an-tany i Kristy, hotronin’ny tafiky ny voaavotra ary arahin’ny andian’anjely. Midina amin’ny fiandrianana mahatahotra sy manetriketrika Izy sady mibaiko ny ratsy fanahy maty hitsangana mba handray ny anjarany. Mivoaka izy ireo ka toy ny tafika marobe, tsy hita isa tahaka ny fasika eny amin’ny ranomasina, mitondra ny mariky ny aretina sy ny fahafatesana. Akory ny fahasamihafany amin’ireo izay nitsangana tamin’ny fitsanganana voalohany!IFL 99.1

    Ny maso rehetra eo amin’io vahoaka marobe io dia mibanjina ny voninahitry ny Zanak’Andriamanitra. Miara-miredona ny tafiky ny ratsy fanahy miantso mafy hoe: «lsaorana anie izay avy amin’ny anaran’ny Tompo!” - Mat. 23:39. Tsy ny fitiavana no mahatonga azy ireo hiteny izany fa ny herin’ny fahamarinana no manery ny molony hanambara ireo teny ireo, na dia tsy sitrany aza. Araka ny toetra nidinan’ny ratsy fanahy tany am-pasana ihany no hivoahany avy ao, dia ny mbola handrafy an’i Kristy sy hikomy ihany. Tsy hisy intsony androm-pahasoavana izay hanotofany ny lesoka tamin’ny fiainany |Asan’ny ApôstôlyIFL 99.2

    Hoy ny mpaminany: «Ary amin’izany andro izany ny tongony hijoro eo anTendrombohitra Oliva, (...), ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany (...) ka hisy lohasaha lehibe” - Zak. 14:4. Rehefa midina avy any an-danitra Jerosalema Vaovao izay sady kanto no mamirapiratra, dia hapetraka eo amin’ny toerana efa nodiovina sady voaomana handray azy, ka hiditra ao amin’ny Tanàna Masina i Kristy miaraka amin’ny vahoakany sy ny anjeliny.IFL 99.3

    Raha mbola nesorina taminy ny heriny ka voasakana tsy hanao ny asa famitahana ny andrian’ny haizina, dia oriory izy sady kivy; nefa kosa rehefa mitsangana amin’ny maty ny ratsy fanahy ka hitany ireto vahoaka marobe miandany aminy, dia velona indray ny fanantenany, ka tapa-kevitra izy fa tsy hitsoaka amin’ity goavana ity. Halahany eo ambany fanevany ny tafiky ny olom-bery rehetra ka amin’ny alalan’ireo no hilofosany hanatanteraka ny tetik’ady novolavolainy. Nanaiky ny hotarihin’ilay lehiben’ny mpikomy izy. Toy ny efa fanaony, hatrany am-boalohany anefa, dia tsy miseho mivantana ho i Satana ilay fahavalo. Mihambo ho andriana tompon’izao tontolo izao araka ny hitsiny izy, ary tsy an-drariny no nakana an-keriny ny fananany taminy. Miseho ho toy ny mpanavotra izy amin’ireo mpanompony voafitaka, ary nanome toky azy izy fa ny heriny no namoaka azy ireo avy ao am-pasany, Mampahatanjaka ny malemy izy ary mahatonga ny rehetra hanana ny toe-tsainy sy herim-pony. Feno hafalian-demonia izy raha manondro ireto vahoaka alinalina tsy tambo isaina izay nitsangana tamin’ny maty, ary ambarany fa amin’ny maha-mpitarika azy dia azony atao tokoa ny hanafaka ny tanàna ary haka indray ny seza fiandrianany sy ny fanjakany.IFL 99.4

    Ao amin’ireo vahoaka marobe ireo dia misy olona avy amin’ilay taranaka ela velona talohan’ny safodrano; misy olona avo ranjanana sy ngezalahy ara-tsaina; misy olona nanao asa kanto nitalanjonana ka nahataona an’izao tontolo izao hiankohoka teo amin’ny saina be nananany, nefa nandoto ny tany sy nanimba ny endrik’Andriamanitra teo amin’ny olona tamin’ny alalan’ny fahasiahany sy ireo zava-doza noforoniny. Ao ireo mpanjaka sy mpitari-tafika izay nandresy firenena maro izay mbola tsy resy an’ady na oviana na oviana. Tsy nampiova azy ireo ny fahafatesana. Rehefa hivoaka avy ao am-pasana izy, dia mbola nanentana azy ilay faniriana hanafika izay nifehy azy teo am-pahalavoana.IFL 100.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents