Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahasoavana avy amin’i Kristy

    Ny fahasoavana izay volen’i Kristy ao amin’ny fanahy no miteraka ny fandrafiana an’i Satana ao amin’ny olona. Raha tsy io fahasoavana manova io sy io hery manavao io, dia mbola ho babon’i Satana ihany ny olombelona, ho mpanompo vonona mandrakariva hanaraka ny baikony. Ilay foto-kevitra vaovao ao amin’ny fanahy anefa dia miteraka ady; ny hery izay omen’i Kristy dia mahatonga ny olona ho afaka hanohitra ilay mpampahory. Izay mankahala ny fahotana fa tsy tia izany, dia mampiseho fa miasa ao aminy ilay foto-kevitra ambony.IFL 14.3

    Ny fifanoherana misy eo amin’i Kristy sy i Satana dia naseho tamin’ny fomba nanaitra indrindra teo amin’ny nandraisan’izao tontolo izao an’i Jesôsy. Ny fahadiovan-toetra sy ny fahamasinan’i Kristy no nahatonga ny fankahalan’izay tsy nanana toe-panahy araka an’Andriamanitra Azy. Fanomezan-tsiny lalandava ho an’ny vahoaka mirehareha, andevon’ny filàny, ny fiainany feno fandavantena. Niray tamin’ny ratsy fanahy i Satana sy ireo anjely ratsy hanohitra Ilay Mpiady mahery fon’ny fahamarinana. Io fandrafiana io ihany koa no mahazo ny mpanaraka an’i Kristy. Na iza na iza manohitra ny fakam-panahy dia hampirongatra ny fahatezeran’i Satana. Tsy afaka hifanara-tsaina i Kristy sy i Satana. “Izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina” - 2 Tim. 3:12.IFL 14.4

    Miezaka ireo izay ampiasain’i Satana hamitaka ny mpanaraka an’i Kristy ka hitaona azy ireo am-pitaka hiala amin’ny fanoavany. Adikan’izy ireo vilana sy aolany ny hevitry ny Soratra Masina mba hahatrarany izay kendreny. Ny fanahy izay nahatonga famonoana an’i Kristy no manetsika koa ny ratsy fanahy handringana ny mpanaraka Azy. Izany rehetra izany no voalaza mialoha ao amin’ity faminaniana voalohany ity hoe: “hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany“.IFL 15.1

    Nahoana no tsy misy fanoherana bebe kokoa setrain’i Satana? Satria kely loatra ny fifandraisana marina ananan’ireo miaramilan’i Kristy amin’i Kristy. Tsy mahatsiravina ary tsy maharikoriko azy ireo ny fahotana, tsy tahaka ny fihevitry ny Tompony izany. Tsy misetra ny fahotana, amin’ny fanoherana matotra sy hentitra izy ireo. Jamba tsy mahita ny toetran’ilay andrianan’ny maizina izy ireo. Marobe no tsy mahafantatra fa mpitari-tafika mahery miady amin’i Kristy ilay fahavalony. Na dia ireo mpitory ny filazantsara aza dia tsy mijery ireo porofon’ny asany. Toa tsy fantany akory na dia ny fisiany aza.IFL 15.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents