Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Resy i Satana

    Lasa lavitra dia lavitra ny fisainan’ny ratsy fanahy teo ampijerena ny nametrahana ny satroboninahitra teo amin’ny Zanak’Andriamanitra. Hitany teny an-tanany ny vato fisaky ny lalàn’Andriamanitra, dia ireo fitsipika nataony tsinontsinona sy nodikainy. Natrehin’ny masony ny fanehoan’ny voavonjy ny fahagagany, ny hasambarany mitafotafo sy ny fiankohofany tamin’i Kristy; ary raha manarona ny vahoaka marobe ivelan’ny tanàna ny hirany manakoako, dia miray feo izy rehetra manao hoe: «Lehibe sy maha-talanjona ny lalànao, ry Mpanjaka mandrakizay» - Apôk. 15:3; dia niankohoka amin’ny tany izy mitsaoka llay Andrian’ny fiainana.IFL 104.5

    Toa tsy mahahetsika i Satana raha mibanjina ny voninahitra sy ny fiandrianan’i Kristy. Tsaroan’ilay kerôbima manaloka fahiny ny toerana nahalavoany: Voaroaka mandrakizay tsy ho ao amin’ny filan-kevitra izay nanomezam-boninahitra azy fahiny izy. Hafa izao no hitany mijoro eo anilan’ny Ray, anjely mendrik’andriana. Fantany fa ny toerana ambony tazonin’io anjely io dia nety ho azy teo aloha.IFL 105.1

    Mahatsiahy ilay toerana nisy azy fony tsy nanan-tsiny sy nadio fo izy, ny fiadanana sy ny fahafaham-po nilomanosany mandrapahatongan’ilay fotoana nikomiany. Averiny ao an-tsainy koa ny asa nataony teo amin’ny olona sy ny vokatr’izany - ny fandrafian’ny olombelona samy olombelona, ny fandripahana aina mahatsiravina nataony, ny fijoroan’ny fanjakana sy ny firodanany, ny fanonganam-panjakana, ny fifandimbiasan’ny tabataba, ny ady, ary ny korontana. Tadidiny ny fiezahany tsy miato hanohitra ny asan’i Kristy. Raha mijery ny vokatry ny fisasarany i Satana, dia tsy mahita na inona na inona izy afa-tsy tsy fahombiazana. Raha nandroso ilay ady goavana dia hita fa resy hatrany hatrany izy ka voatery hihemotra.IFL 105.2

    Ny zava-nokendren’ilay mpikomy lehibe dia ny hanaporofo fa tompon’andraikitra ny amin’ny fikomiany Andriamanitra. Vahoaka marobe no navondrony hanaiky ny fomba fijeriny. Nandritra ny an’arivo taonany maro no nanehoan’ity lehiben’ny mpikomy ity ny lainga ho fahamarinana. Tonga anefa izao ny fotoana izay hampiharihariana ny tantara sy ny toetra amam-panahin’i Satana. Afaka tanteraka ny saro-tavan’ilay mpamitaka gaigilahy tamin’ny ezaka farany nataony hanonganany an’i Kristy avy eo amin’ny seza fiandrianany, handringanany ny vahoakany ary hakany ny tanànan’Andriamanitra. Mahita ny tsy fahombiazany ireo izay niray hina taminyIFL 105.3

    Hitan’i Satana fa nahatonga azy tsy ho mendrika ny lanitra ny fikomiana niniany natao. Nitaiza ny heriny hoenti-miady amin’Andriamanitra izy; ny fahadiovany, ny fiadanana, sy ny firindrana any an-danitra dia ho fampijaliana mafy indrindra ho azy. Koa indro, ary i Satana efa miankohoka sy miaiky ny maharariny ny didim-pitsarana mihatra aminy.IFL 106.1

    Voavaha izao ny olana rehetra momba ny fahamarinana sy ny hevidiso nandritra ilay ady nitarazoka naharitra ela. Mazava eo imason’ny voary manan-tsaina rehetra ny vokatry ny tsy firaharahana ny fitsipika nomen’Andriamanitra. Hijoro ho vavolombelona mandrakizay ny tantaran’ny fahotana fa ny fahasambaran’izay rehetra noforoniny dia mifamatotra amin’ny fisian’ny lalàn’Andriamanitra. Miara-manambara izao rehetra izao na ny mahatoky na ny mpikomy, fa mahitsy sy marina ny lalànao, ry Mpanjakan’ny olona masina».IFL 106.2

    Tonga ny ora hanandratana an’i Kristy ho ambonin’ny anarana rehetra azo tononina. Noho ny fifaliana napetraka teo anoloany - dia ny ahazoany mitondra zanaka maro ho amin’ny voninahitra - no niaretany ny hazo fijaliana. Mijery ny voaavotra nohavaozina indray araka ny endriny Izy. Mijery ireo vokatry ny fisasaran’ny fanahiny Izy ka afa-po (Isa. 53:11). Rehefa izany dia miteny amin’ny feo mahery Izy izay ren’izao vahoaka sesehena tafavory na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy, hoe: « Indro ny navotana tamin’ny rako! Ho an’ireo no nijaliako; ho an’ireo no nahafatesako».IFL 106.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents