Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny fandresen’ny fitiavan’Andriamanitra

    Ny fitiavana sy ny firaisam-po izay novolen’Andriamanitra tao amin’ny fanahy dia ho afaka hiseho amin’ny tena endriny marina sy mamy indrindra. Ny firaisana madio amin’ny olona masina miaraka amin’ireo olona mahatoky tamin’ny andro rehetra izay nanasa ny akanjony sy namotsy azy tao amin’ny ran’ny Zanak’ondry, ireo fatorana masina izay mampiray «ny fianakaviana any an-danitra sy ety an-tany» - Efes. 3:15.IFL 109.4

    Any amin’ny tany vaovao, dia hibanjina ny hery mahagaga nahariana izao rehetra izao sy ny zava-miafin’ilay fitiavana manavotra ny voavonjy. Hivelatra ny fahaizana rehatra ary hitombo ny talenta rehetra. Tsy hanasatra ny saina na handany hery ny fitadiavam-pahalalana. Ho tanteraka any ny fikasana miezinezina indrindra, ho tratra ny zava-kendrena ambony indrindra, ho tanteraka ny faniriana ambony indrindra; ankoatra izany anefa dia mbola hisy ihany tendro vaovao hotratrarina; zava-mahagaga vaovao hahaliana, anton-javatra vaovao hampiasana ny herin’ny saina sy ny fanahy ary ny tena.IFL 109.5

    Hidanadana mba ho fianaran’ny voaavotr’Andriamanitra ny haren-tsarobidin’izao rehetra izao manontolo. Tsy ho voasakantsakan’ny fahafatesana izy ireo, ka afaka hisidina. Tsy hay lazaina ny fahafinaretan’ny zanak’ity tany ity miditra eo amin’ny fifaliana sy ny fahendren’ireo mponina tsy lavo. Mizara ny harem-pahalalana sy ny haren-tsaina azony nandritra ny andro rehetra nifandimby teo am-pandinihana ny asatanan’ Andriamanitra izy. Tsy misy manamaloka ny fijery eo ampitazanana ny voninahitry ny famoronana - ny masoandro sy ny kintana ary ireo vondron-kintana, samy mandeha manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra araka ny sori-dalana voatendry hizorany avy.IFL 110.1

    Ary arakaraka ny handrosoan’ireo taona tsy hanampahataperana, dia hitombo hatrany ny fanambarana ny hasoa sy ny voninahitry ny fanambarana momba an’Andriamanitra sy i Kristy. Arakaraka ny hahafantaran’ny olona bebe kokoa ny amin’Andriamanitra, no hampitombo ny fankalazany ny toetrany. Rehefa sokafan’i Jesôsy eo anoloan’izy ireo ny zava-miafin’ny fanavotana sy izay vita tamin’ny fikatrohana ilay ady lehibe nifanaovana tamin’i Satana, dia hientanentana ho amin’ny fitiavana mafana ny fon’ny voaavotra; ary feo alinalina sy arivoarivo tsy manam-pahataperana no hiara-miredona hirampiderana mireondreona.IFL 110.2

    «Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay ety ambonin’ny tany sy any ambanin’ny tany, na izay any andranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an’llay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay» - Apôk. 5:13. 110IFL 110.3

    Mifarana hatreo ilay ady lehibe. Tsy misy intsony ny fahotana sy ny mpanota. Voadio tanteraka ny tontolo rehetra. Miara-mitepo fifaliana sy firindrana ny voary manontolo. Avy amin’llay Mpamorona izao rehetra izao no mikoriana ny aina sy ny fahazavana ary ny fifaliana manerana ny fanjakana eny amin’ny habakabaka tsy misy fetra. Hatramin’ny «atôma” bitika indrindra ka hatramin’izao tontolo izao lehibe indrindra, ny zavatra rehetra, na ny manan’aina na ny tsy manana’aina dia samy manambara amin’ny alalan’ny hakantony sy ny fifaliany safononoka faIFL 111.1

    ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA

    *****

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents